JW Library Amin’ny Windows

JW Library Amin’ny Windows

Jereo ato ny zavatra mampiavaka ny programa JW Library sy ny fomba fampiasa azy. Ho hitanao ato koa ny valin’ny fanontaniana momba an’io programa io.

 

 

Inona ny Vaovao?

Oktobra 2025 (Version 15.5)

  • Tadidin’ilay programa ny hafainganany nofidina farany tamin’ny nandefa video na raki-peo, rehefa sokafana indray ilay programa.

  • Takona ny soratra sy bokotra fikirakirana rehefa mandefa video iray. Miseho indray izy rehetra rehefa kitihina ilay video.

  • Betsaka ny olana novahana, anisan’izany ilay nahatonga an’ilay programa hikatona tampoka.

  • Ireto avy ny système d’exploitation farany mahazaka an’ilay programa: Android 7.0, iOS 15, macOS M1 na macOS misy puce nivoaka farany, Windows 10 Version 2004 na taorian’izay.

Jolay 2025 (Version 15.4)

  • Nohavaozina ilay fizarana hoe Fivoriana ka lasa miseho eo amin’io pejy io ny rohy mankany amin’ireo lahatsoratra ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana sy ny Tilikambo Fianarana. Miseho eo koa ny rohy mankany amin’ny boky hafa ilaina amin’ny fivoriana mba ho mora hita izy ireny.

  • Azo soritana ny teny na fehezanteny rehefa tsindriana elaela kely ny teny iray, ary azo itarina ilay soritra.

  • Lasa ahafahana mifindra pejy hafa sy miverina amin’ny pejy teo aloha ilay bokotra hoe Manaraka sy ilay hoe Hiverina.

  • Betsaka ny olana novahana, anisan’izany ilay nahatonga an’ilay programa hikatona tampoka.

Aprily 2025 (Version 15.3)

  • Miseho ao amin’ny Baiboly amin’ny tenin’ny tanana ny loharanon-kevitra ao amin’ny Fitaovana Fikarohana.

 

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (Windows)

Jereo ato ny valin’ny fanontaniana fametraky ny olona.