JW LIBRARY
Ny Mampiavaka ny JW Library
Ny programa JW Library a dia natao mba hahatonga ny famakianao Baiboly hahafinaritra kokoa, sady hanampy anao handalina azy io. Azonao alaina ao amin’io programa io ny boky sy gazety ara-baiboly, video, ary raki-peo. Ho azonao ampiasaina foana izy ireny amin’izay, na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana.
Baiboly Amin’ny Fandikan-teny Samihafa
Vakio ny Tenin’Andriamanitra, ary ampitahao ny andininy ao amin’ireo fandikan-teny an-jatony ao.
Boky sy Lahatsoratra Isan-karazany
Azo alaina ao ny boky sy bokikely ary lahatsoratra amin’ny fiteny 1 000 mahery, anisan’izany ny amin’ny tenin’ny tanana maherin’ny 100.
Video sy Raki-peo
Misy fandaharana isan-karazany azonao ankafizina ao, ohatra hoe video momba ny fampianaran’ny Baiboly, lahateny ara-baiboly, tantara, ary sary miaina.
Mozika
Misy mozika isan-karazany azo henoina ao. Misy mpihira ny sasany, ny hafa nataon’ny orkesitra, ary misy koa feon-kira fotsiny.
Teny Vakina Isan’andro
Atombohy amin’ny andinin-teny iray ny andronao. Misy fanazavana sy hevitra mampahery miaraka amin’ilay izy.
Fivoriana
Ho hitanao ao amin’ny toerana iray ny zavatra ilaina amin’ny fivoriana andavan’andro sy amin’ny fivoriana faran’ny herinandro.
Fikarohana
Afaka mikaroka andinin-teny ianao, na mikaroka fanazavana na loha hevitra.
Fianarana Samirery
Azonao atao ny mandoko ny soratra sy mandray naoty ary manisy maritka an’izany.
Lisitra
Azonao atao ny mamorona lisitra sy mandahatra ny mozika, video, raki-peo, ary sary.
a Ny JW Library dia programa ofisialy noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

