Hijery ny anatiny


FIANARANA BAIBOLY MIARAKA AMIN’NY MPAMPIANATRA

Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

Ho hitanao amin’ity fianarana Baiboly maimaim-poana ity ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mila ataoko mba ho sambatra aho?

  • Mba ho foana ihany ve ny zava-dratsy sy ny fijaliana?

  • Mbola ho hitako indray ve ny havako sy ny namako efa maty?

  • Mba tia ahy ve Andriamanitra?

  • Ahoana no tokony hataoko rehefa mivavaka, ary ahoana no ahafantarako hoe mihaino ahy Andriamanitra?

Maimaim-poana

Tsy andoavam-bola ilay fianarana, anisan’izany ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Afaka mahazo Baiboly maimaim-poana koa ianao raha mila.

Izay Mety Aminao

Azo atao mivantana ilay fianarana, na amin’ny alalan’ny vidéoconférence, na an-telefaonina, amin’izay fotoana sy toerana mety aminao.

Tsy Misy Arakaraka

Azonao ajanona ilay izy na rahoviana na rahoviana.

Ahoana no atao amin’izany mianatra Baiboly izany?

Hisy olona iray hanampy anao hahafantatra an’izay ampianarin’ny Baiboly, ary alefa isaky ny foto-kevitra ilay izy. Rehefa mampiasa an’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ianareo, dia ho hitanao tsikelikely hoe inona no lazain’ny Baiboly ary nahoana izy io no afaka manampy anao. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo io video io na jereo ny fanontaniana fametraky ny olona momba an’ilay fianarana.

Mba tianao ho hita ve ilay zavatra hianarana?

Jereo ny lesona voalohandohany amin’ilay fianarana.

Te hanandrana an’ilay izy ve ianao?

Tsindrio io soratra eo ambany io raha te hanomboka an’ilay fianarana ianao.