JW Library Amin’ny AndroidTM

JW Library Amin’ny AndroidTM

Jereo ato ny zavatra mampiavaka ny programa JW Library sy ny fomba fampiasa azy. Ho hitanao ato koa ny valin’ny fanontaniana momba an’io programa io.

 

 

Inona ny Vaovao?

Oktobra 2025 (Version 15.5)

  • Tadidin’ilay programa ny hafainganany nofidina farany tamin’ny nandefa video na raki-peo, rehefa sokafana indray ilay programa.

  • Takona ny soratra sy bokotra fikirakirana rehefa mandefa video iray. Miseho indray izy rehetra rehefa kitihina ilay video.

  • Betsaka ny olana novahana, anisan’izany ilay nahatonga an’ilay programa hikatona tampoka.

  • Ireto avy ny système d’exploitation farany mahazaka an’ilay programa: Android 7.0, iOS 15, macOS M1 na macOS misy puce nivoaka farany, Windows 10 Version 2004 na taorian’izay.

Jolay 2025 (Version 15.4)

  • Nohavaozina ilay fizarana hoe Fivoriana ka lasa miseho eo amin’io pejy io ny rohy mankany amin’ireo lahatsoratra ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana sy ny Tilikambo Fianarana. Miseho eo koa ny rohy mankany amin’ny boky hafa ilaina amin’ny fivoriana mba ho mora hita izy ireny.

  • Betsaka ny olana novahana, anisan’izany ilay nahatonga an’ilay programa hikatona tampoka.

Aprily 2025 (Version 15.3)

  • Miseho ao amin’ny Baiboly amin’ny tenin’ny tanana ny loharanon-kevitra ao amin’ny Fitaovana Fikarohana.

 

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

Mampiasà JW Library: Android

Ianaro ny fomba fampiasana ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Azo Atao ny Mampiditra Baiboly Isan-karazany: Android

Ianaro ny fomba handikana sy hampiasana Baiboly ao amin’ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Azo Atao ny Mampiditra Zavatra Isan-karazany: Android

Ianaro ny fomba handikana sy hampiasana ireo zavatra misy ao amin’ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Ahoana no Hitadidiako hoe Taiza no Novakiko Farany?: Android

Ianaro ny fomba hanisiana sy hampiasana mari-pitadidiana ao amin’ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Azonao Tadiavina Izay Andinin-teny na Boky Nojerenao Faramparany: Android

Ianaro ny fomba hampiasana ireo nojerena ao amin’ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Azonao Ovaovana ny Endrik’izay Zavatra Vakinao: Android

Ianaro ny fomba hanovana ny endrik’izay vakina ao amin’ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Ahoana Raha Misy Teny na Andinin-teny Tiako Hotadiavina?: Android

Ianaro ny fomba hikarohana ao amin’ny Baiboly sy ireo zavatra misy, ary ny fomba hitadiavana loha hevitra ao amin’ny Fandalinana ny Soratra Masina ao amin’ny JW Library, amin’ny fitaovana Android.

Hanoritra Teny: Android

Ianaro ny fomba hanoritana teny ao amin’ny JW Library amin’ny fitaovana Android.

Hampiditra JW Library Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa—Android

Raha tsy afaka mampiditra JW Library avy any amin’ny toerana fakana programa ianao, dia afaka maka rakitra APK ary iny no ampidirina amin’ilay fitaovana ampiasainao.

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (Android)

Jereo ato ny valin’ny fanontaniana fametraky ny olona.