Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Hampiasa Lisitra

Hampiasa Lisitra

Afaka mamorona lisitra video, raki-peo ary sary ianao ao amin’ilay hoe Fianarana Samirery. Ireto, ohatra, no azonao atao:

  • Manao lisitr’ireo hira tianao ato

  • Manangona an’izay video sy sary ilainao amin’ny fanompoana

  • Manao lisitr’ireo sary hampiasainao amin’ny lahateny sy mizara an’ilay izy amin’ny rahalahy mpikarakara feo sy video

 Mamorona sy Manamboatra Lisitra

 Manova Lisitra

 Manapaka Video na Raki-peo

 Mizara Lisitra

 Bokotra Amin’ny clavier

 Mamorona sy Manamboatra Lisitra

Mamorona Lisitra

  1. Fidio ilay hoe Fianarana Samirery > Lisitra

  2. Dia avy eo ilay hoe Hanampy Lisitra

  3. Fidio ny hoe Hamorona Lisitra na Hisintona Lisitra

    • Hamorona Lisitra: Ampidiro ny anaran’ilay lisitra dia tsindrio ilay hoe Hamorona

    • Hisintona Lisitra: Ampiasao ilay fitadiavana fichier ao amin’ny fitaovana ampiasainao, mba hisintonana video na raki-peo na sary

Hanampy Zavatra Amin’ny Lisitra

Video, hira, na raki-peo hafa ao amin’ny JW LIBRARY

  1. Tsindrio ilay Sarina Teboka Telo eo amin’ilay zavatra tianao hampidirina

  2. Tsindrio ilay hoe Hanampy ny Lisitra

  3. Mifidiana Lisitra efa misy na tsindrio ilay hoe Hamorona Lisitra raha hamorona lisitra vaovao

Sary ao amin’ny JW LIBRARY

  1. Fidio ilay sary

  2. Tsindrio ilay hoe Hanampy ny Lisitra

  3. Mifidiana Lisitra efa misy na tsindrio ilay hoe Hamorona Lisitra raha hamorona lisitra vaovao

Zavatra tsy avy ao amin’ny JW LIBRARY

Afaka mampiditra an’izay video, raki-peo, na sary tianao ianao.

  1. Midira ao amin’ny pejy misy ny Lisitra

  2. Manokafa lisitra iray efa ao

  3. Tsindrio ilay hoe “Hisintona Rakitra”

  4. Ampiasao ilay fitadiavana fichier ao amin’ny fitaovana ampiasainao, mba hisintonana an’ilay rakitra

 Manova Lisitra

Renommer

Manova ny anarana Lisitra:

  • Raha eo amin’ilay pejy misy ny Lisitra ianao dia fidio izay lisitra tianao, tsindrio ilay Sarina Teboka Telo, dia avy eo ilay hoe Renommer, ary ampidiro ilay anarana vaovao

  • Raha efa nanokatra lisitra iray ianao dia tsindrio ilay hoe Renommer, ary ampidiro ilay anarana vaovao

Manova ny anaran’ny zavatra ao amin’ny lisitra:

  1. Tsindrio ilay Sarina teboka telo eo amin’ilay rakitra

  2. Fidio ilay hoe Renommer, ary ampidiro ilay anarana vaovao

Manova ny Filaharan’ny Rakitra ao Amin’ny Lisitra

  • Batao dia alatsaho eo amin’izay filaharana tianao hisy azy ilay rakitra

Manova ny Fanombohany

Izay rakitra misokatra ao amin’ny lisitra no mandeha voalohany. Midira ao amin’ny Paramètres raha tianao hovana ny rakitra mandeha voalohany. Afaka mifidy ianao hoe Handefa na Hampiato.

Manova ny Fifaranany

Azonao atao ny mifidy an’izay hitranga rehefa mifarana ny rakitra iray:

  1. Tsindrio ilay hoe Fifaranany

  2. Fidio izay fifaranana tianao

Ilay hoe Hanohy no efa ao. Midira ao amin’ny Paramètres raha tianao hovana izany.

Izay Hitranga eo Amin’ny Fifaranany

Continuer

Mifindra amin’ny rakitra manaraka ao amin’ny lisitra

Arrêter

Mijery ireo rakitra rehetra ao amin’ny lisitra

Mettre en pause

Miato ilay izy nefa tsy mifindra amin’ny rakitra manaraka

Répéter

Miverimberina mandeha hatramin’ny voalohany foana ilay rakitra

 Hanapaka Rakitra ao Amin’ny Lisitra

Ampiasao ilay hoe Hanapaka raha ampahany amin’ilay video na raki-peo ihany no tianao halefa.

  1. Tsindrio ilay Sarina Teboka Telo eo amin’ny rakitra iray, dia avy eo ilay hoe Hanapaka

    Raha efa mandeha ilay rakitra dia midira ao amin’ny Paramètres, dia fidio ilay hoe Hanapaka

  2. Fidio hoe aiza ka hatraiza no tianao hotapahina

    Tsindrio maharitra raha tianao ho voafaritra tsara ilay toerana voalohany na farany hanapahana azy

  3. Ampiasao ilay hoe Handefa raha tianao ho hita hoe aiza ka hatraiza ilay notapahinao

 Hizara Lisitra

Afaka mampiasa an’ilay hoe Hizara ianao raha te hizara lisitra amin’ny hafa.

  • Raha eo amin’ilay pejy misy ny lisitra ianao dia mifidiana lisitra iray, tsindrio ilay Sarina Teboka Telo eo amin’ilay izy, dia avy eo ilay hoe Hizara, ary fidio izay fomba hizarana azy

  • Raha efa nanokatra lisitra ianao, dia tsindrio ilay hoe Hizara, ary fidio izay fomba hizarana azy

 Bokotra Amin’ny Clavier

Azonao ampiasaina ireo bokotra amin’ny clavier raha avy eo amin’ny rakitra iray ianao ary te hifindra amin’ny rakitra hafa ao anatin’ilay lisitra.

Windows

macOS

Zavatra eo aloha ao amin’ny lisitra

Page miakatra

Fn-Flesy miakatra

Zavatra ao aoriana ao amin’ny lisitra

Page midina

Fn-Flesy midina