Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hamitako ny Devoarako?

Ahoana no Hamitako ny Devoarako?

 “Mandreraka be ilay hoe amin’ny iray maraina mbola manao devoara foana. Ny handeha hatory foana no ao an-tsainao.”—David.

 “Nisy fotoana aho nanao devoara dia tamin’ny efatra sy sasany maraina vao natory. Tamin’ny enina indray anefa aho dia efa nifoha satria tsy maintsy handeha hianatra. Zara aho raha natory!”—Theresa.

 Tototry ny devoara ve ianao? Mety hanampy anao ity lahatsoratra ity, raha izany.

 Fa maninona ny mpampianatra no manome devoara?

 Ireto misy antony vitsivitsy maha tsara ny hoe manao devoara:

  •   Lasa mihabetsaka ny zavatra hainao

  •   Lasa mahay mandray andraikitra ianao

  •   Lasa mahay mandamina fotoana ianao

  •   Lasa azonao ny lesona nianaranareo tany am-pianarana a

 “Manome devoara ny mpampianatra satria tiany ho hita raha azonao tsara ny zavatra nampianariny, fa tsy hoe nampidirina tamin’ny sofina ilany dia navoaka tamin’ny sofina ilany.”—Marie.

 Lasa mahay mamaha olana ianao, rehefa manao devoara matematika sy fizika. Rehefa zatra mamaha olana hoatr’izany ianao, dia lasa mitombo ny sela mifandray ao amin’ny atidohanao. Ny sela sasany indray lasa mahay miara-miasa kokoa. Hoatran’ny hoe fanazaran-tena ho an’ny atidoha àry ny devoara!

 Na tsapanao hoe mahasoa ny devoara na tsia, dia zavatra tsy azonao ialana izy io. Marina aloha hoe tsy afaka mampihena ny devoara omena anao ianao. Misy zavatra azonao atao anefa mba ho kely kokoa ny fotoana hamitanao azy ireny. Inona izany?

 Soso-kevitra hanampy anao

 Tsy mety vitanao mihitsy ve ny devoaranao? Tadidio fa tsy voatery hoe mila miezaka be ianao mba hahavitana an’ilay izy. Mety hoe ny fomba anaovanao devoara fotsiny no mila ovanao. Andramo ireto:

  •   Soso-kevitra 1: Miomàna mialoha. Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Ataovy vonona eo daholo ny fitaovana ilainao alohan’ny hanaovanao devoara. Tsy voatery hitsangana haka azy ireny foana ianao amin’izay.

     Jereo koa hoe aiza ianao no afaka mifantoka tsara. Misy tia manao devoara any an-tranony, satria misy efitra mangingina ao sady mazava tsara ny jiro. Misy indray mifantoka tsara rehefa any an-toeran-kafa, ohatra hoe any amin’ny trano famakiam-boky.

     “Afaka mandamina tsara ny fotoananao ianao, raha soratanao ny zavatra hataonao. Tsy dia hiady saina be ianao, raha arakao tsara hoe inona avy ny zavatra tokony hataonao, ary rahoviana ilay izy no tokony hovitaina.”—Richard.

  •   Soso-kevitra 2: Alaharo hoe iza no hovitainao aloha. Izao no lazain’ny Baiboly: “Aoka ny zava-drehetra hatao ... amim-pilaminana.” (1 Korintianina 14:40) Jereo àry hoe inona ny devoara tokony hataonao voalohany, dia inona no hataonao manaraka.

     Ny an’ny ankizy sasany izay devoara tena sarotra no vitainy voalohany. Ny hafa indray mazoto kokoa rehefa ny devoara tsotsotra no ataony aloha. Fidio àry izay mety aminao.

     “Tsara raha ataonao lisitra izay devoara tokony hataonao. Ho hainao amin’izay hoe inona daholo no tokony hataonao, dia iza no hovitainao voalohany. Ho tsapanao hoe hay ilay izy azo vitaina tsara ihany, dia tsy handreraka be ny fahitanao azy.”—Heidi.

  •   Soso-kevitra 3: Tonga dia atombohy fa aza miandriandry. Hoy ny Baiboly: “Aza malaina amin’izay ataonareo.” (Romanina 12:11) Tonga dia ataovy ny devoaranao, rehefa tonga ny fotoana tokony hanaovana azy. Miezaha mafy mba tsy hanao zavatra hafa, na dia mety hoe tianao be aza ilay izy.

     Tsy mahavita zavatra ara-potoana matetika ny olona mangataka andro. Mety hoe lasa voatery mamita an’ilay izy maimaika koa izy. Misy vokany ratsy amin’ny fianarana ataony na ny asany izany matetika. Tsy hitaintaina be àry ianao, raha atombokao aloha araka izay azo atao ny devoaranao.

     “Nisy fotoana aho tonga dia nanao devoara rehefa tonga avy nianatra. Tsy niandriandry koa aho rehefa nisy zavatra nasain’ny mpampianatra nataoko. Vao azoko ilay izy tonga dia nataoko. Tsy dia nitaintaina aho rehefa nanao hoatr’izany. Mbola afaka nanao zavatra hafa aho avy eo.”—Serina.

     TOROHEVITRA: Aza ovaovana ny fotoana anaovanao devoara, isan’andro. Hahay hifehy tena kokoa ianao amin’izay, ary ho zatra hamita ny devoaranao.

  •   Soso-kevitra 4: Miezaha hifantoka tsara foana. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Aoka ny masonao hibanjina ny eo anoloanao.” (Ohabolana 4:25) Ahoana no hampiharanao an’izany rehefa manao devoara? Aza avela hisy hanelingelina anao, indrindra fa ny fitaovana elektronika.

     Mety ho lasa avo roa heny ny fotoana laninao hamitana an’ilay devoara, raha sady manao an’ilay izy ianao no mijery Internet sy mandefa SMS. Raha mifantoka tsara anefa ianao rehefa manao devoara, dia tsy hiady saina firy sady mbola hanana fotoana hanaovana zavatra hafa.

     “Tena sarotra amiko ny mifantoka, satria eo ny telefaonina, ordinatera, lalao video, ary tele. Dia aleoko vonoina ny telefaonina. Tsoahako koa ny prizin’izay zavatra elektronika mety hanelingelina ahy.”—Joel.

  •   Soso-kevitra 5: Mahaiza mandanjalanja. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Makà aina kely rehefa hitanao hoe tena ilaina izany. Azonao atao, ohatra, ny mitsangantsangana, na mandeha bisikileta, na mihazakazaka. Tsy dia handreraka anao ny manao devoara amin’izay.

     Ahoana anefa raha tsapanao hoe hoatran’ny mbola tototry ny devoara ihany ianao? Miresaha amin’ny mpampianatra anareo. Mety hahenany ny devoaranao, raha hitany hoe efa tena miezaka ianao nefa mbola tsy vitanao ihany ilay izy.

     “Tsy mety raha ny devoara no mahatonga anao hiady saina be. Ataovy fotsiny izay rehetra azonao atao mba hamitana an’ilay izy. Misy zavatra tsy tokony hatao mankarary andoha eo amin’ny fiainana, dia anisan’izany ny devoara.”—Julia.

 Saintsaino izao rehefa hanao devoara ianao:

  •   Inona avy ny fitaovana ilaiko?

  •   Inona no fotoana tena tsara anaovako an’ilay izy?

  •   Aiza aho no tena afaka mifantoka tsara?

  •   Inona no hanampy ahy tsy hangataka andro?

  •   Inona ny zavatra mety hanelingelina ahy?

  •   Inona no azoko atao mba tsy hisy hanelingelina ahy, na fitaovana elektronika izany na zavatra hafa?

  •   Ahoana no hampisehoako hoe mahay mandanjalanja aho?

 TADIDIO IZAO: Ataovy azo antoka hoe azonao tsara ny zavatra asain’ny mpampianatra ataonao, rehefa manome devoara izy. Raha misy tsy azonao, dia anontanio ny mpampianatra anareo dieny mbola ao am-pianarana ianareo.

a Nalaina avy tamin’ilay boky hoe School Power, nosoratan’i Jeanne Schumm.