Hijery ny anatiny

Ny any Am-pianarana

Miatrika fitsapana ianao any am-pianarana, dia izay no ahitana raha misaina tsara ianao, mahavita hoe tony sy falifaly foana, ary mahavita tsy mivadika amin’Andriamanitra. Ahoana no hahavitanao hoe mianatra tsara nefa tsy miady saina be loatra?

Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?

Masiaka na ratsy fanahy ve ny mpampianatra anao? Misy zavatra azonao atao mba tsy ho kivy eny foana ianao mandritra ny taom-pianarana. Misy soso-kevitra ato.

Ahoana no Hamitako ny Devoarako?

Tsy mety vitanao mihitsy ve ny devoaranao? Tsy voatery hoe mila miezaka be ianao, fa mety hoe ny fomba anaovanao devoara fotsiny no mila ovanao.

Hahavita Hianatra Tsara Ihany ve Aho na dia Tsy any Am-pianarana Aza?

Be dia be amin’izao ny ankizy tsy afaka mianatra any am-pianarana fa lasa mianatra any an-trano. Ireto misy soso-kevitra dimy afaka manampy anao, raha mianatra any an-trano ianao.

Ahoana Raha Mankaleo Ahy ny Mianatra?

Mampatory ve ny mpampianatra anareo? Hoatran’ny tsy ilaina akory ve ny taranja sasany?

Ahoana Raha Ratsy Foana ny Naotiko?

Tsy te hiezaka intsony ve ianao, satria ratsy foana ny naotinao? Misy zavatra enina azonao atao ato amin’ity lahatsoratra ity, mba hanatsarana ny naotinao.

Sao dia Tokony Hijanona Tsy Hianatra Intsony Aho?

Jereo ato ny valiny fa mety tsy ho araky ny anampoizanao azy.

Inona no Ataoko fa Ampijalin’ny Ankizy Aho?

Ankizy maro no tsy afa-manoatra rehefa misy mampijaly. Hazavain’ity lahatsoratra ity hoe inona no azo atao raha misy mampijaly ianao.

Ahoana no Hataoko fa Ampijalin’ny Ankizy Aho?

Tsy azonao terena tsy hampijaly anao intsony ny ankizy, nefa azonao ovana ny fomba iatrehanao an’ilay izy.

Tsy Mila Miady Nefa Mandresy!

Fantaro hoe nahoana no misy olona tia mampijaly kely ary ahoana no hiatrehana an’izany.

Inona no Mahatsara ny Mianatra Fiteny Hafa?

Inona no mety ho zava-tsarotra rehefa mianatra an’ilay fiteny? Inona ny valisoa ho azonao?

Te Hianatra Fiteny Hafa ve Ianao?

Rehefa mianatra fiteny hafa ianao, dia mila mampiasa an’ilay fiteny foana. Tsy vita vetivety izany ary mitaky ezaka be. Hanampy anao hahomby ity fampiasana ity.

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 1: Haiko ve ny Manaporofo fa Misy Andriamanitra?

Mino ve ianao fa tena misy Andriamanitra? Tianao ve raha tsy menatra na matahotahotra ianao, rehefa manazava an’izany? Ato misy torohevitra.

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?

Diniho ato ireo antony roa tokony handinihana raha marina na tsia ny fampianarana momba ny evolisiona.

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 3: Nisy Namorona Tokoa ve Izao Rehetra Izao?

Manohitra ny siansa ve ianao raha mino fa nisy namorona izao rehetra izao?

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 4: Ahoana no Hanazavako hoe Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

Tsy mila mahay siansa be ianao vao ho afaka hanazava ny antony mahatonga anao hino fa misy ny Mpamorona. Ampiasao ny fanazavana tsotra nefa mitombina tsara avy ao amin’ny Baiboly.