Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mety ve ny Mivoady hoe Hijanona ho Virjiny?

Mety ve ny Mivoady hoe Hijanona ho Virjiny?

 Inona ilay voady hoe hijanona ho virjiny?

 Voady atao an-tsoratra na am-bava izy io hoe tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana.

 Lasa nalaza io voady io tamin’ny 1990 tany ho any, rehefa natomboka tany Etazonia ilay fandaharana hoe “Izay Tia Mahandry.” Ny Fiangonana Batista Tatsimo no nandamina azy io. Nampiasa tanora vitsivitsy sy toro lalana avy ao amin’ny Baiboly ilay fiangonana mba hampirisihana ny tanora hafa tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana.

 Nisy fandaharana nitovitovy tamin’io, tsy ela taorian’izay. Nomena peratra volafotsy izay mpanatrika nanao an’ilay voady, mba ho marika (sy ho fampahatsiahivana) hoe efa nivoady tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana izy ireo.

 Mandaitra ve izy io?

 Miankina amin’izay anontanianao ny valin’izany.

  •   Hitan’ny mpikaroka atao hoe Christine Kim sy Robert Rector fa “vitsy kokoa ny tanora manao firaisana na any aoriana kokoa izy ireo vao manao an’izany rehefa mivoady hoe hijanona ho virjiny.”

  •   Hitan’ny fikambanana iray atao hoe Guttmacher fa “mety hanao firaisana hoatran’ny tanora tsy manao an’ilay voady ny tanora mivoady hoe hijanona ho virjiny.”

 Nahoana no tsy mitovy ny valin’ny fikarohana?

  •   Olona manao an’ilay voady sy olona tsy manao an’ilay voady nefa tsy mitovy hevitra momba ny firaisana no ampitahaina amin’ny fikarohana sasany.

  •   Olona manao an’ilay voady sy olona tsy manao an’ilay voady nefa mitovy hevitra momba ny firaisana no ampitahaina amin’ny fikarohana hafa.

 Inona no asehon’ilay karazana fikarohana faharoa? Nilaza ny Profesora Janet Rosenbaum, manam-pahaizana momba ny tanora, fa “tsy misy maha samy hafa ny fitondran-tenan’ilay tanora nanao voady sy ny an’ilay tanora tsy nanao voady” rehefa afaka dimy taona.

 Zavatra tsara kokoa noho ilay voady

 Tsara ny tanjon’ilay voady hoe tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana. Tsy manampy ny tanora hitana ny teniny anefa ilay izy. Milaza ny Profesora Rosenbaum fa betsaka no mivoady hoe hijanona ho virjiny nefa “tsy manatanteraka an’ilay voady akory. Tsy hoe rehefa mandray anjara amin’ny fandaharana iray ilay olona dia tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana. Izy mihitsy aloha no tokony ho tapa-kevitra ny tsy hanao an’izany.”

 Manampy ny olona tsirairay ho tapa-kevitra ny hijanona ho virjiny ny Baiboly. Tsy asainy manao voady an-tsoratra na am-bava anefa ilay olona, fa ampiany hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14) Tsy hoe mijanona ho virjiny mantsy ny olona iray satria fotsiny hoe tsy te ho tratran’ny aretina na ho bevohoka. Te hanome voninahitra an’ilay Mpamorona ny fanambadiana kosa izy.—Matio 5:19; 19:4-6.

 Natao hahasoa antsika ny toro lalan’ny Baiboly. (Isaia 48:17) Afaka miezaka daholo ny olona rehetra, na firy taona izy na firy taona, mba ho tapa-kevitra ny hankatò an’ilay didin’Andriamanitra hoe: “Andosiro ny fijangajangana.” (1 Korintianina 6:18) Rehefa manambady izy any aoriana any, dia ho afaka hankafy ny firaisana, nefa tsy hanenina na hikorontan-tsaina hoatran’ireo manao firaisana alohan’ny fanambadiana.