Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mampiaraka​—Fizarana 2: Inona avy no Tokony Hampoiziko Rehefa Mampiaraka Aho?

Mampiaraka​—Fizarana 2: Inona avy no Tokony Hampoiziko Rehefa Mampiaraka Aho?

 Misy olona tianao ve izao, dia nanapa-kevitra ianareo roa hoe hiaraka mba hahitana hoe mifanentana ve, dia ho afaka hivady? Inona anefa no mila ampoizinareo roa rehefa lasa mifankahafantatra kokoa ianareo?

Ho hitantsika ato hoe:

 Misy zavatra tsy maintsy horesahinareo, dia tokony hilaza ny marina ianareo fa tsy hifanafina

 Hahafantatra zavatra be dia be momba an’ilay olona miaraka aminao ianao arakaraka ny hifaneraseranareo, dia izy koa hoatran’izay. Hahalala zavatra sasany momba azy, ohatra, ianao rehefa mandinika an’izay ataony.

 Misy zavatra mila ifampiresahanareo anefa, sady tsy tokony hifanafinafina ianareo rehefa manao an’izany. Tandremo anefa amin’izay sao resin’ny fihetseham-po, dia lasa tsy mampiasa saina tsara intsony. Miezaha foana handinika tsara.

 Ireto avy, ohatra, ny zavatra tokony horesahinareo:

  •   Vola. Ananan’olona trosa ve ianao? Tsy mahafehy tena ve ianao indraindray fa tia mandanilany vola? Raha tapa-kevitra hivady ihany ianareo roa, ahoana no hitsinjaranareo ny volanareo sy ny fandanianareo?

  •   Fahasalamana. Salama tsara ve ianao? Efa narary be ve ianao taloha?

  •   Tanjona. Inona no tanjonao eo amin’ny fiainana? Mitovitovy ve ny tanjonareo roa? Mbola ho sambatra ve ny tokantranonareo any aoriana any raha sanatria tsy tratranareo ilay tanjona satria nisy zavatra niova tampoka?

  •   Fianakaviana. Misy olona iandraiketanao ve ao amin’ny fianakavianao izao? Mety hisy olona eritreretinao hoe ho andraikitrao ve ao amin’ny fianakavianao any aoriana any? Te hanan-janaka ve ianao? Raha eny, dia firy?

 Rehefa miresaka an’ireo ianareo, dia tsory ny marina. Aza manafinafina mihitsy na hoe manova kely ny tena marina satria hoe matahotra ianao sao tsy ho tian’ilay olona intsony.​—Hebreo 13:18.

 Eritrereto izao: Inona no tokony ho fantatrao momba an’ilay olona miaraka aminao? Ary inona no tokony ho fantany momba anao? Raha samy mitsotra ny marina ianareo dieny izao, nahoana izany no hanampy anareo tsy hifanafinafina rehefa tsy maintsy hanao resaka matotra indray ianareo raha lasa mpivady any aoriana any?

 Torolalan’ny Baiboly: “Samia milaza ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.”​—Efesianina 4:25.

 “Mety hieritreritra ilay ankizivavy hoe: ‘Afaka enim-bolana any kosa angamba mba efa vita ny vodiondrinay.’ Ilay ankizilahy indray anefa mety hieritreritra hoe afaka herintaona ilay izy vao hatao. Dia mety halahelo ilay ankizivavy sady hikorontan-tsaina satria manantena izy hoe tonga dia matotra be ilay fiarahan-dry zareo. Tena mila ifampiresahana tsara ny zavatra hoatr’izany.”​—Ariana, efa herintaona nanambadiana.

 Tsy hitovy hevitra ianareo

 Tsy mitovy ny olona. Aza mieritreritra àry hoe hitovy hevitra foana ianao sy ilay olona miaraka aminao na hoe hitovy foana ny zavatra tianareo. Mety tsy hitovy hevitra ianareo arakaraka ny kolontsainareo sy ny fitaizana azonareo na ny zavatra hafa.

 Eritrereto izao: Raha zavatra tsy dia lehibe ilay tsy mampitovy hevitra anareo, vonona hanaraka ny heviny ve ianao mba hitandroana fihavanana, indrindra moa raha hoe tsy mandika ny fitsipiky ny Baiboly ianao raha manao an’izany?

 Torolalan’ny Baiboly: “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.”​—Filipianina 4:5.

 “Tsy maintsy hisy zavatra tsy hampitovy hevitra anareo foana, na heverinao hoe ‘mifanentana be’ aza ianareo. Tena tsara aloha ilay hoe mifanentana e! Fa ny tena tokony ho zava-dehibe aminao dia hoe hoatran’ny ahoana ianareo roa rehefa tsy mitovy hevitra.”​—Matthew, efa dimy taona nanambadiana.

 Hiferinaina ianareo indraindray

 Mandany fotoana be ny mampiaraka. Mety hampiferinaina kely koa ilay izy. Dia ahoana no hatao?

 Asio fetrany ny fotoana iarahanareo. Aza variana loatra miaraka, sao lasa tsirambina ny andraikitrao na ny namanao hafa. Hoy i Alana, efa dimy taona nanambadiana: “Mbola hila ny namanao ianao rehefa vita ny mariazinao, dia ry zareo koa mbola hila anao. Tandremo àry sao lasa hadinodinonao ry zareo satria hoe efa misy olona miaraka aminao.”

 Tadidio hoe mila mahay mandanjalanja ianao rehefa manambady. Tsy hoe hiaraka amin’ny vadinao fotsiny no hataonao amin’izay, fa be dia be ny zavatra tsy maintsy ataonao. Maninona raha izao mbola vao miaraka izao ianareo dia efa miezaka manao tsara an’izay rehetra tokony hataonao ianao?

 Eritrereto izao: Raha misy olona miaraka aminao izao, terenao hiaraka aminao foana ve izy na terenao hanao zavatra ho anao foana na hikarakara anao foana? Sa ve tsapanao hoe manao an’izany aminao ilay olona miaraka aminao? Inona no azonareo roa atao mba samy tsy ho leo be ianareo na hahatsapa hoe voateritery?

 Torolalan’ny Baiboly: “Misy fotoanany avy ny zava-drehetra, eny, misy fotoanany daholo ny zava-drehetra.”​—Mpitoriteny 3:1.

 “Mety tsy hampoizin’izy roa mihitsy ny tena zava-misy ao an-tokantrano raha hoe tsy nanao afa-tsy ny niala voly ry zareo tamin’ny mbola nampiaraka. Aleo tonga dia miara-manao ny zavatra fanao andavanandro, ohatra hoe miantsena, manao raharaha, na miara-mivavaka. Hahay hiara-miaina ry zareo amin’izay rehefa ao an-tokantrano, dia tsy ho mora rava ny tokantranony.”​—Daniel, roa taona nanambadiana.

 Tadidio hoe tsy hampiaraka eny foana ianareo roa mandrakizay, fa tsy maintsy hanapa-kevitra hoe hivady sa hisaraka. Horesahina ao amin’ny Fizarana 3 hoe inona avy no mila dinihinareo rehefa handray an’io fanapahan-kevitra io.