Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao mba Hatoky Ahy i Dada sy Neny?

Inona no Azoko Atao mba Hatoky Ahy i Dada sy Neny?

 Tsara ho fantatrao

 Arakaraka ny ataonao ihany no hatokisan’i Dada sy Neny anao na tsia. Hoatran’ny olona mandoa trosa any amin’ny banky ianao, rehefa mankatò azy ireo. Atokisan’ny banky ny olona mahaloa trosa, dia avelany hindrana vola bebe kokoa. Vao mainka hatoky anao koa ny ray aman-dreninao, raha manaraka ny teniny foana ianao. Raha tsy mankatò azy kosa ianao, dia mety tsy havelany hanao zavatra sasany.

 Mitaky fotoana ilay izy. Mila hitan’ny ray aman-dreninao aloha hoe manaraka an’izay lazainy foana ianao. Hatoky anao kokoa ry zareo avy eo.

 TENA NISY: “Fantatro tsara hoe inona ny zavatra tian’ny dadanay sy neninay hataoko, dia mody nanao an’ilay izy aho. Nanao izay tiako hatao ihany anefa aho tany ambadika tany. Lasa tsy natoky an’ahy intsony ry zareo. Tsapako tatỳ aoriana hoe tsy tokony handainga na hanafinafina aho, raha tsy te ho voafehifehy. Raha tianao hatoky anao ny ray aman-dreninao, dia mila asehonao hoe azo itokisana ianao.”—Craig.

 Inona no azonao atao?

 Milazà ny marina foana na dia tsy mora aza izany. Mety ho diso daholo ny olona rehetra. Tsy hatoky anao intsony anefa ny ray aman-dreninao, raha manafina ny fahadisoanao ianao na mandainga. Hatoky anao kosa ry zareo raha hitany hoe milaza ny marina foana ianao. Fantany mantsy hoe olona matotra ianao, ka tsy hanafina mihitsy raha manao fahadisoana. Azo itokisana ny olona hoatr’izany.

 “Mety mbola hatoky anao ny olona na dia manao fahadisoana aza ianao. Tsy hatoky anao kosa izy ireo raha manafina an’ilay izy ianao.”—Anna.

 Hoy ny Baiboly: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.

  •   Eritrereto izao: Ahoana raha manontany anao ry zareo hoe handeha ho aiza ianao ary inona no hataonao any? Lazainao aminy daholo ve ny marina? Ary raha efa tonga indray ianao no anontaniany, afeninao ve ny zavatra sasany?

 Asehoy hoe azo ianteherana ianao. Ankatoavy daholo izay fitsipika apetrak’izy ireo. Tonga dia vitao ny raharahanao fa aza miandry tenenina, ary ataovy tsara ny devoaranao. Miezaha hanaja fotoana, anisan’izany ny ora fodiana.

 “Mety hoe avelan-dry zareo hiaraka amin’ny namanao ianao, fa asainy mody amin’ny 7.00 hariva. Raha amin’ny 8.30 alina anefa ianao vao mody, dia aza gaga raha tsy avelany handeha intsony amin’ny manaraka.”—Ryan.

 Hoy ny Baiboly: “Samy hitondra ny entany avy ... ny tsirairay.”—Galatianina 6:5.

  •   Eritrereto izao: Ianao ve mba manaja fotoana, mamita tsara ny raharahanao, ary mankatò foana?

 Aza kivy fa miezaha hanam-paharetana. Mety hila fotoana vao hatoky anao indray ny ray aman-dreninao, raha nandiso fanantenana azy ireo ianao. Mila manam-paharetana àry ianao.

 “Nisy fotoana aho sorena satria nisy zavatra tsy navelan’i Dada sy Neny hataoko, nefa izaho efa mba lehibe ihany. Hay tsy voatery hoe mihamatotra ianao rehefa mihalehibe. Niangavy an-dry zareo àry aho mba havelany hanaporofo hoe tena azo itokisana. Natoky an’ahy ihany ry zareo, rehefa ela ny ela. Ny zavatra ataonao no mahatonga ny ray aman-dreninao hatoky anao, fa tsy ny taonanao.”—Rachel.

 Milaza ny Baiboly hoe tokony ho “mendri-pitokisana ianao amin’izay rehetra ataonao.”—3 Jaona 5.

  •   Eritrereto izao: Raha tianao hatoky anao (indray) ny ray aman-dreninao, inona no azonao atao mba hampisehoana hoe “mendri-pitokisana” ianao?

 ANDRAMO IZAO: Manàna tanjona. Miezaha, ohatra, hanaja fotoana, hamita tsara ny raharahanao, ary hanaja ny ora fodiana. Teneno ny ray aman-dreninao hoe tianao raha mba matoky anao ry zareo, dia anontanio izy hoe inona no tiany hataonao. Miezaha mafy avy eo mba hiala amin’ny ‘toetranao taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanao fahiny.’ (Efesianina 4:22) Ho hitan’ny ray aman-dreninao ihany ny ezaka ataonao, rehefa mandeha ny fotoana.