Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mifidy ny Hoavinao Ianao

Afaka Mifidy ny Hoavinao Ianao

Nilaza tamin’ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra, 3 500 taona teo ho eo izay, hoe inona no tokony hataon’izy ireo mba hananany hoavy sambatra. Hoy izy: “Efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao.”​—Deoteronomia 30:19.

Tsy maintsy nanao safidy tsara izy ireo raha te hanana hoavy sambatra. Mila manao hoatr’izany koa isika amin’izao. Manoro antsika ny tokony hatao ny Baiboly. Izao no lazainy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony.”​—Deoteronomia 30:20.

INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA AN’I JEHOVAH SY HIHAINO NY FEONY?

IANARO NY BAIBOLY: Mila mianatra an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah aloha ianao, vao ho afaka ny ho tia azy. Ho hitanao hoe Andriamanitra be fitiavana izy ary miahy izay tena hahasoa anao. Asainy hivavaka aminy ianao, satria ‘miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Mampanantena ny Baiboly fa raha miezaka hanatona azy ianao, dia ‘hanatona anao izy.’​—Jakoba 4:8.

AMPIHARO IZAY IANARANAO: Mihaino an’Andriamanitra ianao rehefa manaraka ny tari-dalana feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly. Raha manao an’izany ianao, dia “hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.”​—Josoa 1:8.

^ feh. 7 Misy amin’ny fiteny fito izy io, anisan’izany ny teny sinoa mandarin sy kantôney.