Hijery ny anatiny

Inona avy no Ilainao mba Hahatakaranao Izay Lazain’ny Baiboly?

Inona avy no Ilainao mba Hahatakaranao Izay Lazain’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Ny Baiboly ihany no milaza izay ilainao mba hahatakarana izay voalaza ao amin’izy io. Na manao ahoana na manao ahoana fahaizanao, dia “tsy sarotra loatra aminao” ny mahatakatra izay lazain’ny Baiboly.​—Deoteronomia 30:11.

Ireto avy no ilainao:

  1.   Mila manana toe-tsaina tsara. Ekeo hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Manetre tena fa tsy tian’Andriamanitra ny olona manambony tena. (1 Tesalonianina 2:13; Jakoba 4:6) Aza minomino befahatany izay rehetra vakinao. Tian’Andriamanitra ‘hampiasa saina’ mantsy ianao.​—Romanina 12:1, 2.

  2.   Mivavaha mba hanana fahendrena. Hoy ny Ohabolana 3:5: “Aza miantehitra amin’ny fahaizanao.” Aleo kosa ‘tsy mitsahatra mangataka’ fahendrena amin’Andriamanitra, mba hahatakarana izay lazain’ny Baiboly.—Jakoba 1:5.

  3.   Mianara tsy tapaka. Be dia be kokoa ny soa horaisinao raha mianatra Baiboly tsy tapaka ianao fa tsy tsindraindray fotsiny.​—Josoa 1:8.

  4.   Ianaro isaky ny foto-kevitra ny Baiboly. Ho fantatrao izay ampianarin’ny Soratra Masina raha dinihinao isaky ny foto-kevitra izay voalaza ao. Atombohy amin’ny “abidim-pianarana” izany, ary avy eo ny “fampianarana sahaza ny olon-dehibe.” (Hebreo 6:1, 2, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Afaka mampitaha andinin-teny ianao rehefa manao izany. Ho hitanao amin’izay fa ny andinin-teny ao ihany no manazava ny andinin-teny hafa, eny fa na dia ireo “saro-takarina” aza.​—2 Petera 3:16.

  5.   Mangataha fanampiana. Mampirisika antsika ny Baiboly mba hitady fanampiana any amin’izay efa mahatakatra ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31) Mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny fomba fampianaran’ny Kristianina fahiny no arahin’izy ireo rehefa manao izany. Mampiasa boky ara-baiboly izy ireo mba hanampiana ny olona hahafantatra hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly.​—Asan’ny Apostoly 17:2, 3.

Ireto no tsy ilainao:

  1.   Fahaizana be. Nahatakatra ny Soratra Masina ny apostoly 12 sady afaka nampianatra ny hafa, na dia noheverin’ny olona hoe ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ aza izy ireo.—Asan’ny Apostoly 4:13.

  2.   Vola. Tsy mila mandoa vola ianao dia efa mahalala izay lazain’ny Baiboly. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”​—Matio 10:8.