MANONTANY NY TANORA
Tsy Mampaninona ve ny hoe Liana Amin’ny Zavatra Mifandray Amin’ny Herin’ny Maizina?
Ahoana ny hevitrao?
Ratsy ve ny mijery tononandro, miezaka hifandray amin’ny maty, na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy?
Misy milaza hoe tantara foronina fotsiny ny resaka herin’ny maizina, fa tsy tena misy akory sady tsy mampidi-doza. Marina ve izany?
Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe maninona ny olona no liana amin’ny herin’ny maizina, ary nahoana ianao no tokony hitandrina.
Maninona ny olona no liana amin’ilay izy?
Mampidi-bola be mihitsy izao ny fialam-boly misy asan’ny maizina, ka feno an’izany ny lalao video, fandaharana amin’ny tele, filma, ary boky. Betsaka àry no lasa liana amin’ny resaka fanandroana, demonia, vampira, mazia, sy ny sisa. Inona marina no itiavan’ny olona an’ireo?
Te hahafanta-javatra: Te hahalala raha tena misy ny fanahy
Tsy te hanahy: Tiany ho fantatra hoe inona no hitranga amin’ny hoavy
Te hifandray amin’ny maty: Te hiresaka amin’ny havany efa maty
Tsy voatery ho ratsy akory ireo antony ireo. Tsy diso, ohatra, ianao raha mba te hahalala an’izay hitranga amin’ny hoavy, na malahelo an’ireo havanao efa maty. Mila mitandrina anefa ianao.
Nahoana ianao no tokony hitandrina?
Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina mihitsy isika. Izao, ohatra, no lazainy:
“Aoka tsy hisy eo aminao ny olona ... manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.”—Deoteronomia 18:10-12.
Nahoana ny Baiboly no milaza fa tena ratsy ny manao zavatra mifandray amin’ny herin’ny maizina?
Lasa naman’ny demonia izay manao an’izany. Milaza ny Baiboly fa nisy anjely nikomy tamin’Andriamanitra ka lasa fahavalony. Antsoina hoe demonia ireny anjely ireny. (Genesisy 6:2; Joda 6) Mamitaka ny olona izy ireo, ka anisan’ny fitaovana ampiasainy amin’izany ny mpamoha angatra, mpilaza ny hoavy, mpisikidy, ary mpanandro. Lasa naman’ireo fahavalon’Andriamanitra àry isika, raha manao zavatra mifandray amin’ny herin’ny maizina.
Lasa misy mieritreritra hoe mahavita milaza ny hoavy ny olona sasany. Andriamanitra ihany anefa no mahavita “manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.”—Isaia 46:10; Jakoba 4:13, 14.
Lasa mino ny olona sasany hoe mbola afaka mifandray amin’ny velona ny maty. Milaza anefa ny Baiboly hoe “tsy mahalala na inona na inona” ny maty, ary “tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.”—Mpitoriteny 9:5, 10.
Ireo antony ireo no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy. Tsy ataon’izy ireo koa izay fialam-boly misy resaka lolovokatra, vampira, fanahin’olona efa maty, sy ny toy izany. Izao no lazain’ny tovovavy iray atao hoe Maria: “Tsy tokony hijery an’ilay izy aho, raha, ohatra, ilay izy ka misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina.” a
Inona no azonao atao?
Miezaha foana “hanana feon’ny fieritreretana madio”, ka aza manao zavatra na fialam-boly misy resaka herin’ny maizina mihitsy.—Asan’ny Apostoly 24:16.
Raha manan-javatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ianao, dia ario ilay izy. Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:19, 20, dia ho hitanao fa efa nisy Kristianina nanao an’izany tamin’ny taonjato voalohany.
Tadidio izao: Asehonao hoe manohana an’i Jehovah ianao, rehefa tsy manao fialam-boly na zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Tena ho faly izy amin’izay!—Ohabolana 27:11.
a Tsy voatery ho ratsy ny tantara miresaka zavatra tsy tena misy. Raha vao misy resaka herin’ny maizina anefa ny fialam-boly na zavatra iray, dia mampiasa tsara ny feon’ny fieritreretany ny tena Kristianina, ka tsy manao an’ilay izy.—2 Korintianina 6:17; Hebreo 5:14.