Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Tsy Mampaninona ve ny Manadaladala Olona?

Tsy Mampaninona ve ny Manadaladala Olona?

 Inona no atao hoe manadaladala olona?

 Tsy mampaninona ny mampiseho amin’ny teny sy ny zavatra atao hoe tia olona iray ianao. Hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Ann: “Raha efa mahazo mampiaraka ianao ary misy olona tianao, dia tsy maintsy mba asehonao hoe tia azy ianao. Fa raha tsy izany, ahoana no hahafantaranao hoe tia anao koa izy?”

 Misy anefa mody miseho ho tia fa tsy mieritreritra ny hiaraka amin’ilay olona akory. Izay ilay atao hoe manadaladala olona, ary izay no horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity.

 “Tsy mampaninona ny hoe mampiseho fa tia olona iray ianao satria te hiaraka aminy. Fa hafa kosa ny hoe mody miseho ho tia an’ilay olona, dia lasa taratara aminao izy, nefa avy eo ialanao satria ianao tsy te hiaraka aminy akory.”​—Deanna.

 Nahoana no manao an’ilay izy ny sasany?

 Te hiseho fotsiny hoe be mpitia ny tanora sasany dia manadaladala olona. Hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Hailey: “Mahafinaritra anao ilay hoe taratara aminao ny olona, dia vao mainka ianao lasa tia manadaladala olona.”

 Tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa anefa ianao, raha mody miseho ho tia azy nefa tsy mieritreritra ny hiaraka aminy akory. Hita hoe tsy matotra ianao raha ataonao fanahy iniana ilay izy satria fotsiny hoe mba te ho be mpitia ianao. Hoy ny Baiboly: “Mahafaly ny tsy ampy saina ny hadalana.”—Ohabolana 15:21.

 Tena marina àry ity tenin’i Hailey ity: “Hoatran’ny hoe mahafinaritra ilay manadaladala olona amin’ny voalohany, fa ho ratsy kosa ny hiafarany.”

 Inona no maharatsy an’ilay izy?

  •   Ho ratsy laza ianao.

     “Tsy matoky tena sy tsy matotra izay manadaladala olona. Hay kay izy tia tena fotsiny, dia mahatsiaro ho voafitaka ianao.”​—Jeremy.

     Hoy ny Baiboly: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”—1 Korintianina 13:4, 5.

     Eritrereto izao: Hoatran’ny ahoana avy ny fomba fiteny na fihetsika mety hahatonga anao halaza ho mpanadaladala olona?

  •   Mandratra ny fihetseham-pon’ny hafa.

     “Izaho tsy minamana amin’olona tia manadaladala olona. Mody miresaka amiko izy satria fotsiny hoe izaho vehivavy. Tsy miraharaha an’ahy akory mantsy izy fa mba te hampifaly ny tenany fotsiny.”​—Jaqueline.

     Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”—1 Korintianina 10:24.

     Eritrereto izao: Efa nisy olona niseho ho tia anao ve, dia avy eo hitanao hoe tsy tia anao akory izy? Inona no tsapanao taorian’izay? Inona no tokony hotandremanao mba tsy hanao hoatran’izany amin’ny olon-kafa ianao?

  •   Tsy hisy mpitia intsony ianao.

     “Izaho indray aloha tsy hiaraka amin’ny mpanadaladala olona izany e! Mainka moa fa hanambady azy! Izy aza manafin-toetra dia mody miseho ho tia fotsiny. Dia hataoko ahoana moa no hatoky azy?”​—Olivia.

     Hoy i Davida mpanao salamo: ‘Tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy aho.’—Salamo 26:4.

     Eritrereto izao: Olona hoatran’ny ahoana no voasariky ny mpanadaladala olona? Tianao ve raha olona hoatran’izany no voasarikao?