HIRA 93
Tahio ny Fiarahanay Mivory
-
1. Mba tahio ny fivorianay,
Ry Jehovah Tomponay.
Ny fanahinao mahery,
Mba omeo, mba arotsahy.
-
2. Ampianaro anay, Jehovah,
’Zay voalazan’ny Baiboly;
Sady ampio ho tia ny hafa,
Ampiofano hahay hitory.
-
3. Ray malala ô, tahio ’zahay
Hiray saina, hifankatia;
Fa ny tena fanirianay
Dia hidera anao doria.
(Jereo koa ny Sal. 22:22; 34:3; Isaia 50:4.)