HIRA 58
Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana
-
1. Mila mitory ’sika, hoy Kristy;
Ka miantra sy maneho fitia,
toy ’zay nasehony tetỳ.
Lalana maina, andro mahamay,
Nandeha foana izy
nitady ny ondry tsirairay.
Isan-tanàna, eny an-tsena,
Tadiavo ireo manetry tena;
Ka itorio f’akaiky ny famonjena!
(FIVERENANA)
’Ndao àry hitady
’Reo tia fihavanana eran-tany.
’Ndao f’aza miandry,
Vonjeo ireo ’zay mitomany.
Ary aza avela
Hisy ho tavela.
-
2. Maika ny asa, ny ora tsy azo ariana,
Na dia iray no mba mandray,
nefa an’arivo no itoriana.
Tiantsika ny ondry, sarobidy ny aina;
’Reo namoy fo mba hitraka,
hisy hantenaina.
Koa aseseo ny faritany,
Tadiavo sao misy any ho any.
Ho faly ’sika raha mikaroka hatrany.
(FIVERENANA)
’Ndao àry hitady
’Reo tia fihavanana eran-tany.
’Ndao f’aza miandry,
Vonjeo ireo ’zay mitomany.
Ary aza avela
Hisy ho tavela.
(Jereo koa ny Isaia 52:7; Mat. 28:19, 20; Lioka 8:1; Rom. 10:10.)