HIRA 56
Raiso Am-po ny Fahamarinana
-
1. Mba fantatrao ve ny mahasambatra eto an-tany?
Ny fahamarinana ihany!
Raha tianao Jehovah, dia ho tianao ny lalàny;
Ekeo fa mahasoa anao ’zany.
(FIVERENANA)
Lova sarobidy,
Io no marina, aza amidy!
Raiso am-po
fa tsy hanenenanao io,
Ka ny marina fidio.
-
2. Ny fanompoanao, na tsy mora aza indraindray,
Tsy hadino, tsy very maina.
Fa ny miandry anao, valisoa mandrakizay;
Fifaliana tsy hay lazaina!
(FIVERENANA)
Lova sarobidy,
Io no marina, aza amidy!
Raiso am-po
fa tsy hanenenanao io,
Ka ny marina fidio.
-
3. Jehovah anie Ray, te hitantana sy hiaro,
Ka ny tananao atolory.
Tianao ve ny hampiany, dia handray zava-tsoa maro?
’Zay lalana atorony izory!
(FIVERENANA)
Lova sarobidy,
Io no marina, aza amidy!
Raiso am-po
fa tsy hanenenanao io,
Ka ny marina fidio.
(Jereo koa ny Sal. 26:3; Ohab. 8:35; 15:31; Jaona 8:31, 32.)