HIRA 65
Mandrosoa Foana!
-
1. Mandrosoa, manehoa toetra tsara izao;
Aoka hamiratra anie ny hazavana entinao!
Dia ny fanompoanao mbola hatsarao,
Fa Jehovah hanampy anao.
Ho an’ny rehetra io asa io;
’Zay nataon’i Kristy, tadidio!
Ka Jehovah Andriamanitra no itokio;
Ny mihemotra fadio.
-
2. Mandrosoa, mazotoa, aok’ianao ho sahy;
N’iza n’iza itorio, na manaiky na mandà!
Mandehana isan-trano dia ambarao,
Ka Jehovah no derao.
Mety hisy ihany aloha ’reo tsy tia.
Aza kivy ianao, mitoria!
Fa manjaka Jehovah ka mifalia,
Mahereza, matokia!
-
3. Mandrosoa, mijoroa, mahereza ianao;
Hatsarao ny asanao,
mbola be no mila atao!
Dia ny fanahy masina no angataho;
Izy hampahery anao.
Izay liana rehetra jereo,
Ka tsidiho, ampianaro avy eo.
’Zay hampiova ny fony àry no kendreo,
Dia handroso izy ireo.
(Jereo koa ny Fil. 1:27; 3:16; Heb. 10:39.)