HIRA 62
Ilay Hira Vaovao
-
1. Hira vaovao Ho an’i Jehovah no hatao.
Ny asany mahagaga, Torio sy ambarao.
’Ndao hanandra-peo; Ny fandreseny andao hambara.
Izy no Avo Indrindra,
Mpanjaka sy Mpitsara.
(FIVERENANA)
Dia hirao
’Lay hira vaovao!
Mba hirao,
Jehovah no derao.
-
2. Koa ankalazao Ny anaran’Andriamanitsika.
Hiram-pifaliana, ’Ndao horedonintsika!
Izy no derao Dia asandrato re ny feo.
Tsofy ny trompetra,
Ny lokanga tendreo.
(FIVERENANA)
Dia hirao
’Lay hira vaovao!
Mba hirao,
Jehovah no derao.
-
3. ’Zay etỳ an-tany Sy any an-dranomasina any,
Ianareo havoana, Derao ny hatsarany!
Dia ny lohasaha Sy renirano hankalaza;
’Lay Mpanjakantsika
Hataontsika malaza.
(FIVERENANA)
Dia hirao
’Lay hira vaovao!
Mba hirao,
Jehovah no derao.
(Jereo koa ny Sal. 96:1; 149:1; Isaia 42:10.)