Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 161

Ny Manao ny Sitraponao no Mahasambatra Ahy

Ny Manao ny Sitraponao no Mahasambatra Ahy

(Salamo 40:8)

  1. 1. Indro ilay Mesia avy ao Jordana,

    Feno ny lalànao ny fony.

    Tena tiany ilay fikasanao,

    Io no tena nimasoany.

    Dia nafana fo niaro anao izy,

    Nanao ’zay mahitsy hatrany.

    Foiny ho anao ny zava-drehetra,

    Dia ’zaho koa hanao toy izany.

    (FIVERENANA)

    Ny manao ny sitraponao,

    Jehovah ô, no mahasambatra ahy.

    ’Zay ahy rehetra, tsy misy fetra,

    Foiko ho anao tsy misy fepetra.

    Mamirapiratra aok’izany

    ’Lay hoavy mbola homenao ahy.

    ’Zaho ’nie tianao, ka tretrika aho

    Manambara momba anao,

    Midera anao!

  2. 2. Rehefa lasa nahalala anao aho

    Vao nahatsapa ny hoe tena faly.

    Raha toa misy manaratsy anao,

    Dia tsy andriko ny hamaly.

    Tsy ho menatra aho re, Jehovah,

    Hoe vavolombelonao.

    Mana-namana an-tapitrisa aho

    Miara-mankalaza anao!

    (FIVERENANA)

    Ny manao ny sitraponao,

    Jehovah ô, no mahasambatra ahy.

    ’Zay ahy rehetra, tsy misy fetra,

    Foiko ho anao tsy misy fepetra.

    Mamirapiratra aok’izany

    ’Lay hoavy mbola homenao ahy.

    ’Zaho ’nie tianao, ka tretrika aho

    Manambara momba anao,

    Midera anao!

    Tsisy tsara noho izao!

(Jereo koa ny Sal. 40:3, 10.)