Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Modely ho An’ny Tanora i Davida

Modely ho An’ny Tanora i Davida

Haka:

  1. 1. Ankizilahy ’zay tena hendry,

    Mpanjaka iray izay voatendry,

    Tsotsotra kely i Davida,

    ’Lay mpiandry ondry sy mpihira.

    Na fahavalo, toy ny liona izay mandalo…

    Izy tsy mitsoaka, fa miaro!

    (FIVERENANA)

    Satria Davida natoky an’i Jehovah

    Hoe raha vao miantso izy, Jehovah anie eo foana.

    Dia ’zaho koa ny ato am-poko mba lazaiko an’azy.

    Dia matoky aho fa mihaino izy, mihaino an’ahy.

  2. 2. Rehefa lehibe tatỳ aoriana,

    Saro-piaro izy ka tsy hangina.

    Satria Goliata dia nanambany

    Ny anaran’i Jehovah hatrany.

    Vato iray ihany dia nampianjera an’azy.

    An’i Jehovah anie ny ady!

    (FIVERENANA)

    Satria Davida tia an’i Jehovah

    Dia natoky izy hoe Jehovah anie teo foana.

    Dia ’zaho koa ’zay manjo hotantaraiko an’azy,

    Fa matoky aho: Hanampy izy, hanampy an’ahy.

    Dia ’zaho koa ’zay manjo dia lazaiko an’azy,

    Fa matoky aho: Akaiky izy, akaiky an’ahy!