Hira 61
Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?
1. Inona, Jehovah, no havaliko anao
Noho ny soa rehetra ’zay efa nataonao?
Ny Teninao moa no fitaratry ny foko,
Iriko ny hanitsy ’zay fahadisoako.
Izaho efa nivoady hanompo anao ’rery,
Kanefa an-tsitrapo fa tsy natao an-tery.
Ny hampifaly anao no mba faniriako.
’Zay no fomba fiaina efa nofidiko.
2. Ampio aho, Jehovah, mba handini-tena.
Asehoy ahy tsara ny lalàm-pahendrena,
Satria ’zay mahitsy sy tsy mivadika ihany
No sitrakao ary tahinao hatrany.
(Jereo koa ny Sal. 18:25; 116:12; 119:37; Ohab. 11:20.)