Hira 83
Mila Mifehy Tena Isika
1. Tena tia an’i Jehovah isika,
Kanefa mpanota ka mifehy tena.
Io toetra io no tafio hatrany,
Satria ny nofo malemy ihany.
2. Misy safidy iankinan’ny aina:
Ny lalàn’ny ota sa lalàn’ny saina?
Satana moa dia maka fanahy.
Manampy anefa i Jehovah.
3. Aoka ny teny sy ataontsika
Tsy hanala baraka an’i Jehovah.
Tsarovy fa ’zao no fahendrena:
Ilaina foana ny mifehy tena.
(Jereo koa ny 1 Kor. 9:25; Gal. 5:23; 2 Pet. 1:6.)