RESADRESAKA MAHALIANA
Nahoana Isika no Tokony Hahatsiaro ny Nahafatesan’i Jesosy?
Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Aina no anaran’ilay Vavolombelona, ary Malala ilay olona iresahany.
“ATAOVY HATRANY IZAO HO FAHATSIAROVANA AHY”
Aina: Faly aho fa tonga tamin’ilay Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ianao, tamin’ny herinandro. * Ahoana no fahitanao an’ilay izy?
Malala: Nahafinaritra ilay izy ka! Fa tsy tena azoko ny zavatra nolazaina tany. Fa maninona tokoa moa no hoe mila mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy isika? Ny nahaterahany mantsy no tena ankalazain’ny olona fa tsy ny nahafatesany.
Aina: Ie, marina izany. Fa izahay Vavolombelon’i Jehovah mahita hoe ny nahafatesan’i Jesosy no tena tokony hankalazaina. Azoko hazavaina aminao vetivety ve?
Malala: Ie, tsy maninona.
Aina: Mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy izahay satria nasainy hanao an’izany ny mpanara-dia azy. Aleo ange hojerentsika ny zava-nitranga ny alina talohan’ny nahafatesany e! Niara-nisakafo tamin’ny mpianany izy tamin’izay.
Malala: Izay moa ilay hoe Fanasan’ny Tompo?
Aina: Izay mihitsy, na hoe Sakafo Harivan’ny Tompo. Nisy toromarika mazava nomen’i Jesosy tamin’izay. Azonao vakina ve ity Lioka 22:19 ity?
Malala: “Dia nandray mofo koa izy ary nisaotra an’Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy: ‘Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.’ ”
Aina: Misaotra. Hozy Jesosy eto: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Dia nataony mazava tsara eo alohan’io hoe inona ilay tokony hotsarovan’ny mpianany. Nilaza izy fa hanome ny ainy ho azy ireo. Niresaka an’izany koa izy ato amin’ny Matio 20:28. Voalaza eto hoe: ‘Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ Izany no mahatonga anay Vavolombelon’i Jehovah hivory hoatran’iny isan-taona, rehefa mitsingerina ny nahafatesan’i Jesosy. Mahatsiaro ny sorona nataony izahay. Maty izy mantsy mba hamonjena an’izay rehetra mankatò an’Andriamanitra.
NAHOANA ISIKA NO MILA VIDIM-PANAVOTANA?
Malala: Efa reko tokoa aloha hoe maty hamonjy antsika i Jesosy e! Fa tsy tena azoko hoe ahoana izany.
Aina: Sarotsarotra mihitsy io resaka vidim-panavotana io ka! Nefa io no anisan’ny zavatra mampahery indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mbola afaka miresaka kely momba an’izay ve isika?
Malala: Ie, mety ka!
Aina: Vao avy namaky lahatsoratra momba ny vidim-panavotana mihitsy aho, dia ao fa hohazavaiko aminao tsotsotra ilay izy.
Malala: Alefaso àry e!
Aina: Mila fantarina aloha hoe lasa nanao ahoana ny fiainana rehefa nanota i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena. Amin’izay vao ho azontsika hoe nahoana no nilaina ny vidim-panavotana. Aleo ange hovakintsika ny Romanina 6:23 e! Mba azonao vakina ve?
Malala: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.”
Aina: Misaotra. Milaza aloha ilay andininy hoe: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” Lalàna napetrak’Andriamanitra io tamin’izy vao namorona ny olombelona. Ny fahafatesana no sazin’ny olona manota. Mbola tsy nisy nanota anefa tamin’izany. Mbola lavorary i Adama sy Eva ka azo antoka fa ho lavorary koa ny taranany raha niteraka izy mivady. Tsy tokony ho nisy maty mihitsy àry. Afaka ny ho velona mandrakizay sy ho sambatra foana i Adama sy Eva sy ny taranany rehetra. Tsy izany anefa no nitranga. Nahoana moa?
Malala: Satria nihinana an’ilay voankazo voarara izy mivady.
Aina: Izay mihitsy. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo rehefa nihinana an’ilay izy, izany hoe nanota. Raha tsorina, dia nifidy ny ho lasa tsy lavorary sy ho mpanota izy roa. Loza ny vokany, ary tsy ho azy mivady fotsiny fa ho an’ny taranany rehetra koa.
Malala: Fa ahoana?
Aina: Ity misy ohatra iray. Ianao ve tia manao mofo?
Malala: Ie.
Aina: Dia aoka hatao hoe vao nahazo lasitra fanaovana mofo ianao. Mbola tsy nampiasainao akory anefa ilay izy, dia nianjera ka pepo be. Hanao ahoana ny mofo rehetra hataonao amin’ilay izy? Tsy ho pepo daholo koa ve?
Malala: Ie.
Aina: Tsy misy hafa amin’ilay lasitra misy pepo i Adama sy Eva. Lasa mpanota sy tsy lavorary mantsy izy ireo rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra. Mbola tsy niteraka akory anefa izy roa dia efa lasa mpanota ka ho lasa “pepo” daholo koa ny taranany, izany hoe ho lasa mpanota. Tsy ny zava-dratsy ataon’ny olona fotsiny no atao hoe “ota”, ao amin’ny Baiboly. Antsoina hoe “mpanota” koa isika ao satria nandova vatana tsy lavorary tamin’i Adama. Marina fa tsy diso isika satria isika aza mbola tsy teraka tamin’i Adama sy Eva nanota. Lasa tsy lavorary sy mpanota anefa isika taranany noho ny nataon’izy mivady ka tsy maintsy ho faty. Izay ilay voalaza tao amin’ilay Romanina 6:23 teo hoe ny fahafatesana no tambin’ny ota.
Malala: Tsy rariny kosa izany e! I Adama sy Eva ve no nanota, dia ny olon-kafa rehetra no hijaly mandrakizay?
Aina: Izay aloha e! Hoatran’ny tsy rariny ilay izy. Tena tia rariny anefa Andriamanitra, dia niteny izy hoe tsy maintsy maty i Adama sy Eva satria nanota. Fa tsy izay ihany a! Nataony koa izay hamonjena antsika. Izany no nahatonga an’i Jesosy hanao sorona ny ainy. Jereo indray ange ilay Romanina 6:23 e! Rehefa avy milaza ilay izy hoe “fahafatesana no tambin’ny ota”, dia hozy hoe: “Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” Maty ho antsika àry i Jesosy mba hamonjena antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. *
FANOMEZANA LEHIBE INDRINDRA NOMEN’ANDRIAMANITRA
Aina: Misy zavatra hafa tiako haseho anao koa eo amin’io andinin-teny io.
Malala: Inona izany?
Aina: Ilay hoe: “Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” I Jesosy no nijaly sy maty ho antsika, nefa maninona no milaza ilay andinin-teny hoe “fanomezana omen’Andriamanitra” ny vidim-panavotana? Maninona no tsy hoe “fanomezana omen’i Jesosy”? *
Malala: An... Tsy haiko.
Aina: I Jehovah Andriamanitra no namorona an’i Adama sy Eva, ka taminy izy ireo no nanota rehefa tsy nankatò azy. Izy mivady no zanany voalohany teto an-tany, dia tsy maintsy ho nalahelo be izy rehefa nikomy taminy izy ireo. Tonga dia nanome vahaolana anefa i Jehovah. * Nilaza izy hoe handefa anjely iray ho etỳ an-tany mba ho lasa olombelona lavorary ary hanome ny ainy ho sorona. Fanomezana avy amin’Andriamanitra àry ny vidim-panavotana. Misy zavatra hafa koa manaporofo an’izany. Efa mba noeritreretinao ve hoe inona no tsapan’Andriamanitra rehefa novonoina ho faty i Jesosy?
Malala: Hoatran’ny tsy mbola tonga tao an-tsaiko izany.
Aina: Manan-janaka ianao e? Mahita kilalao mantsy aho ireo.
Malala: Ie, mianadahy.
Aina: Dia azoko antoka izany fa azonao an-tsaina ny zavatra tsapan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ilay Zanany novonoina. Eritrereto ange e! Hitany avy tany an-danitra hoe io ilay Zanany tena tiany fa nosamborina, dia nalana baraka, dia nomena totohondry, dia nofantsihana teo amin’ny hazo, dia nijalijaly ela be vao maty.
Malala: Mafy be taminy izao izany e? Mbola tsy nieritreritra an’izany mihitsy aho!
Aina: Tsy tena haintsika aloha ny zavatra tsapan’Andriamanitra tamin’izay. Fa ny fantatsika dia hoe manana fihetseham-po izy, dia fantatsika koa hoe maninona no navelany hiaritra an’izany rehetra izany i Jesosy. Hainao tsara angamba ity Jaona 3:16 ity. Vakio ange e!
Malala: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
Ny vidim-panavotana no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay
Aina: Misaotra. Voamarikao ve ilay hoe “fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao”? Misy toetra miavaka eo, dia ny fitiavana. Tia antsika Andriamanitra ka nandefa ny Zanany ho faty ho antsika. Ny vidim-panavotana àry no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay. Izany no tsaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona rehefa mitsingerina ny andro nahafatesan’i Jesosy. Azonao amin’izay ve?
Malala: Ie. Azoko fa misaotra betsaka.
Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.
^ feh. 5 Mahatsiaro ny sorona nataon’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona, rehefa mitsingerina ny andro nahafatesany. Amin’ny zoma 3 Aprily 2015 izy io amin’ity taona ity.
^ feh. 32 Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra any aoriana hoe nahoana no mamonjy antsika amin’ny ota ny sorona nataon’i Jesosy, ary inona no tsy maintsy ataontsika raha te handray soa avy amin’izy io isika.
^ feh. 36 Milaza ny Baiboly fa tsy mitovy Andriamanitra sy Jesosy. Manazava bebe kokoa an’izany ny toko 4 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 38 Jereo ny Genesisy 3:15.