Tsy Mahasakana Anay Ilay Tendrombohitra Afo
Taratasy avy any Congo (Kinshasa)
Tsy Mahasakana Anay Ilay Tendrombohitra Afo
MANOPY mavokely sy volondaoranjy ny faravodilanitra rehefa miposaka ny masoandro, atỳ Goma. Tazana erỳ lavidavitra erỳ ny Tendrombohitra Nyiragongo, ary mahavariana ny mijery azy. Anisan’ny volkano mahery indrindra eran-tany izy io. Misy setroka mivoaka foana avy ao. Menamena ilay setroka amin’ny alina, satria tarafin’ny ranoka volkano.
Antsoina hoe Mulima ya Moto (Tendrombohitra Afo) io tendrombohitra io amin’ny teny swahili. Tamin’ny 2002 izy io no nipoaka be farany, ary simba ny fananan’ny namanay sy mpiray tanàna taminay. Mbola feno ranoka volkano lasa mafy be, eny amin’ny toerana sasany. Miketronketrona hafahafa ilay izy, ka hoatran’ny hoe tsy zavatra etỳ an-tany no hitsahinao. Ny tany hitsahinay ihany anefa no mafy, fa ny olona kosa malemy fanahy. Sariaka izy ireo ary mihaino ny vaovao tsara resahinay. Tianay ny mitory eto, ka tsy mahasakana anay ilay Tendrombohitra Afo.
Vao nifoha aho indray asabotsy maraina, dia efa tsindrin-daona. Hitory manontolo andro any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, any Mugunga, mantsy izahay mivady. Hisy namanay sy misionera hafa hiaraka aminay. Any andrefana no misy an’io toby io, ary olona nitsoaka ady an-trano no betsaka ao.
Nasianay boky ara-baiboly be dia be amin’ny teny frantsay sy kiswahili ary kinyarwanda tao anaty fiaranay. Niainga izahay avy eo, ary nandeha tamin’ny lalana mikitoantoana be. Efa manomboka mifamezivezy ny olona. Ireny sahady fa efa misy ankizilahy manosika chukudus (bisikileta hazo) feno entana. Misy vehivavy manao sikina marevaka koa mandeha tsy taitra eny an-tsisin’arabe, sady miloloha entana. Feno môtô manao taxi koa eny an-dalana, ary olona hiantsena na hiasa no entiny. Mahatazana trano hazo ianao manerana an’ilay tanàna. Miloko volontsôkôlà somary mainty izy rehetra, ary mangamanga ny tolàna.
Nisy mpitory hafa hiaraka aminay, ka nankany Ndosho aloha izahay hihaona amin’izy ireo. Faly be aho satria tonga daholo na tanora na maty vady na kamboty. Misy aza kilemaina na tsy tena salama. Nijaly be ny maro tamin’izy ireo. Nihatsara anefa ny fiainany rehefa nanaraka ny torohevitry ny Baiboly izy. Miredareda ao am-pony ny fampanantenan’
ny Baiboly, ka tiany horesahina amin’ny olona. Natoro anay vetivety hoe inona no andinin-teny azonay ampaherezana ny olona hitorianay. Niainga izahay avy eo. Fiara tsy mataho-dalana iray sy fiara fitaterana dimy no nandehananay satria 130 izahay.Tonga tany amin’ilay toby izahay, antsasak’adiny taorian’izay, ary feno ranoka volkano efa maina koa ilay izy. Nahita tranolay fotsifotsy be dia be izahay eran’ilay toby. Misy trano fidiovana milahatra tsara sy fanasan-damba koa eo afovoany. Feno olona eny rehetra eny, ka ao ny manasa lamba, manadiodio, mahandro sakafo, ary mamofy voamaina.
Nihaona tamin’ny tompon’andraikitra iray tao amin’ilay toby izahay. I Papa Jacques no fiantsoana azy. Niasa saina izy hoe ahoana no hitaizany ny zanany, ka faly be rehefa nomenay an’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa. Niteny izy hoe hamaky an’ilay izy, ary avy eo hamory olona vitsivitsy mba hampianariny.
Nahita ramatoa iray antsoina hoe Mama Beatrice izahay avy eo. Nanontany izy hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hijaly ny olona. Nihevitra izy fa nosazin’Andriamanitra. Maty tany an’ady mantsy ny vadiny, ary ny zanany lahy nisy naka an-keriny vao haingana ka tsy fantany na aiza na aiza. Ny zanany vavy indray niteraka tsy nanambady ka sahirana be mamelona an’ilay zaza.
Nahatsiaro an’i Joba aho rehefa nihaino an’ilay ramatoa. Azoko an-tsaina ny fahoriany. Nohazavainay tamin’i Mama Beatrice hoe nahoana no mijaly ny olona, ary nomenay toky izy fa tsy nosazin’Andriamanitra. (Joba 34:10-12; Jakoba 1:14, 15) Noresahinay koa hoe hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela. Nitsiky izy, sady niteny hoe hianatra Baiboly foana sy hangataka ny fanampian’Andriamanitra.
Tena nanampy anay i Jehovah, ka faly be izahay rehetra. Lasa nanana fanantenana sy tsy kivy be ny olona nitorianay. Rehefa hody izahay, dia nitazona ny boky sy gazety nomenay ry zareo sady nikopakopaka anay.
Tena tiako iny andro iny, ary nieritreritra an’ilay izy aho teny an-dalana hody. Tsaroako i Papa Jacques faly erỳ niresaka taminay. I Mama Beatrice indray tsy kivy be intsony. Nisy bebe anankiray koa nitsikitsiky fotsiny sady nitazona mafy be ny tanako. Betsaka ny ankizy nihaino anay. Efa matotra kely sahady ry zareo sady tsy manao fanontaniana adaladala. Gaga aho satria mbola mahavita mitsiky sy mihomehy ny olona ao amin’ilay toby, na dia mijaly be aza.
Be dia be no miezaka manampy an’ireo olona mijaly eto Congo. Hafa mihitsy anefa ny anay, satria atoronay azy ireo avy ao amin’ny Baiboly hoe mbola hiaina mandrakizay izy ary tsy hijaly intsony. Tsy misy fanampiana tsara noho izany! Faly aho fa mandray anjara amin’ilay izy.