Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Mifanaraka amin’ireo anarana ao amin’ny Baiboly ve ireo anarana teo amin’ny tombo-kase tanimanga fahiny?
▪ Fahiny, ny taratasim-panjakana dia nahoron’ireo niandraikitra azy, ary nofatorany tamin’ny tady kely. Nasiany feta tanimanga kely teo amin’ilay mifatotra avy eo, ary nasiany fitomboka. Nampiasa fitomboka izy ireo mba hanasoniavana sy hanamarinana fa ara-dalàna ireo taratasy.
Nisy koa peratra natao fitomboka, ary noheverina ho sarobidy izy ireny. (Genesisy 38:18; Estera 8:8; Jeremia 32:44) Matetika ilay fitomboka no nisy ny anaran’ilay tompony sy ny anaram-boninahiny ary ny anaran’ny rainy.
Nahita tombo-kase an-jatony ireo mpikaroka. Misy ny anaran’ireo olona ao amin’ny Baiboly ny sasany amin’izy ireny. Hitan’ireo mpikaroka, ohatra, fa natao tamin’ireo fitomboka noheverina fa an’ireo mpanjaka roa tany Joda ny sasany tamin’izy ireo. Toy izao no soratra hitan’izy ireo: “An’i Ahaza [zanak’i] Jotama, Mpanjakan’ny Joda.” Nisy koa hoe: “An’i Hezekia [zanak’i] Ahaza, Mpanjakan’ny Joda.” (2 Mpanjaka 16:1, 20) Tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy (T.K.) i Ahaza sy Hezekia no nanjaka.
Nandinika tombo-kase maromaro hafa ireo manam-pahaizana. Noheverina fa an’ireo olona voaresaka ao amin’ny Baiboly izy ireo. Anisan’izany ireo olona voatonona ao amin’ireo boky nosoratan’i Jeremia, toa an’i Baroka (mpitan-tsoratr’i Jeremia), Gemaria (“zanak’i Safana”), Jeramela (“zanaky ny mpanjaka”), Jokala (“zanak’i Selemia”), ary Seraia (rahalahin’i Baroka).—Jeremia 32:12; 36:4, 10, 26; 38:1; 51:59.
Ahoana no amaritana ny fotoana ao amin’ny Baiboly?
▪ Mampiasa teny toy ny hoe “maraina”, “mitataovovonana”, ary “takariva” ny Soratra Hebreo. (Genesisy 24:11; Deoteronomia 28:29; 1 Mpanjaka 18:26) Nozarain’ny Hebreo ho fotoam-piambenana telo nisy adiny efatra avy ny alina. Fotoam-piambenana nizara efatra anefa ny an’ny Grika sy Romanina, ka izany no narahin’izy ireo tatỳ aoriana. Io fomba io no noresahin’i Jesosy rehefa niteny izy hoe: ‘Miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano, na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho, na vao maraina.” (Marka 13:35) Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny 9.00 alina ilay “takariva”, fiambenana voalohany. Nifarana tamin’ny “misasakalina” ilay faharoa, ary hatramin’ny 3.00 maraina ilay “maneno akoho”, ilay fahatelo. Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro kosa ilay fahefatra, izany hoe ilay fiambenana “vao maraina.” Tamin’ny “fiambenana fahefatra tamin’ny alina” i Jesosy no nandeha teo ambonin’ny Ranomasin’i Galilia.—Matio 14:23-26.
Manondro ny ora tsirairay amin’ireo adiny 12, eo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany ny teny hoe “ora”, ao amin’ny Soratra Grika. (Jaona 11:9) Miovaova arakaraka ny vanim-potoana anefa ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany any Israely. Matetika àry no tombantombanana ny fotoana, ohatra hoe “tamin’ny ora fahenina teo ho eo.”—Asan’ny Apostoly 10:9.
[Sary, pejy 15]
Tombo-kase tanimanga misy ny anaran’i Hezekia sy Ahaza (anoloana) ary ny an’i Baroka angamba (aoriana)
[Sary nahazoan-dalana]
Aoriana: Courtesy of Israel Museum, Jerusalem
Anoloana: www.BibleLandPictures.com / Alamy
[Sary, pejy 15]
Famantarana ora amin’ny alalan’ny aloka, fanjakana romanina (27 t.k.–476 a.k.)
[Sary nahazoan-dalana]
© Gerard Degeorge / The Bridgeman Art Library International