“Mijery ny Fo” Izy
Manatòna An’Andriamanitra
“Mijery ny Fo” Izy
METY hamitaka ny bika aman’endrika. Tsy voatery hahalalana ny tena toetran’ny olona iray mantsy izany. Mazàna isika no mitsara araka izay hitan’ny masontsika fotsiny. Soa ihany fa tsy toy izany i Jehovah Andriamanitra. Mampiharihary an’izany ilay tantara ao amin’ny 1 Samoela 16:1-12.
Hanendry mpanjaka vaovao ho an’ny firenen’Israely i Jehovah tamin’izay. Hoy izy tamin’i Samoela mpaminany: “Hirahiko ho any amin’i Jese Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.” (Andininy 1) Tsy nolazain’i Jehovah ny anarany, fa niteny fotsiny izy hoe iray amin’ny zanakalahin’i Jese. Nety ho lasa saina toy izao i Samoela teny an-dalana: ‘Ahoana izao no hahalalako hoe iza amin’ny zanak’i Jese no nofidin’i Jehovah?’
Nanao fanati-pihavanana i Samoela rehefa tonga tany Betlehema, ary nasainy hiara-mihinana izany taminy i Jese sy ny zanany lahy. Nanaitra an’i Samoela ny halavan’i Eliaba lahimatoan’i Jese. Nihevitra izy fa tena tsara hatao mpanjaka i Eliaba, ka hoy izy anakampo: “Io eo anatrehan’i Jehovah io mihitsy ilay voahosony.”—Andininy 6.
Tsy toy ny an’i Samoela anefa ny fomba fijerin’i Jehovah. Hoy izy: “Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy.” (Andininy 7) Tsy nanaitra an’i Jehovah i Eliaba, na dia lava sy tsara tarehy aza. Mahita ny zava-drehetra izy, saingy tsy ny bika aman’endrika no ifantohany fa ny toe-po.
Hoy izy tamin’i Samoela: “Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (Andininy 7) Ny fo àry no tena dinihin’i Jehovah, izany hoe ny eritreritra sy ny toe-tsaina ary ny fihetseham-po. Nolavin’ilay “mpandinika ny fo” i Eliaba sy ireo zandriny enina nandalo teo anoloan’i Samoela.—Ohabolana 17:3.
Ny faralahy sisa no tsy teo, izany hoe i Davida. ‘Mbola niandry ondry’ mantsy izy. (Andininy 11) Nampanalaina àry izy ka nasaina nankeo amin’i Samoela. Hoy i Jehovah tamin’ilay mpaminany: “Mitsangàna, ka hosory izy, fa io no izy!” (Andininy 12) Marina fa ‘zazalahy tsara tarehy’ i Davida, ary “mahafinaritra be ny masony.” Ny toetrany anefa no tena nitiavan’Andriamanitra azy.—1 Samoela 13:14.
Mihevitra ny bika aman’endrika ho zava-dehibe ny ankamaroan’ny olona. Tsy toy izany kosa i Jehovah Andriamanitra. Tsy ny halavanao na ny hatsaran-tarehinao no tena zava-dehibe aminy fa ny fonao, izany hoe ny toetranao. Mampahery antsika izany. Ho tian’Andriamanitra àry ianao raha miezaka manana toetra tsara.