Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia fa Marina ny Filazantsara

Matokia fa Marina ny Filazantsara

Matokia fa Marina ny Filazantsara

‘Lasa nalaza be izy ireo, ary namoronan’ny olona filma nandaniana vola an-tapitrisany. Be mpividy koa ny boky momba azy, ary maro ny sekta nanomboka nampiasa azy. Voalaza koa fa novana mangingina izy ireo, ary maro ny fivavahana niforona avy aminy.’—TENA MAHALIANA, GAZETY BREZILIANINA.

TSY inona no noresahin’ilay gazety fa ireo filazantsara sy taratasy ary apokalypsy sandoka hita tany Nag Hammadi sy ny toerana hafa tany Ejipta, teo antenatenan’ny taonjato faha-20. Nahaliana ny olona izy ireo tato ho ato, ary nampiasainy tamin-javatra isan-karazany. Antsoina hoe Gnostika na Apokrifa ny asa soratra toy ireny. *

Novana mangingina ve?

Olona maro izao no mankahala ny Baiboly sy ireo fivavahana lehibe. Toa mahaliana azy ireo anefa ny asa soratra gnostika sy apokrifa. Tena nanova ny fiheveran’ny olona ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny Fivavahana Kristianina ireny asa soratra ireny. Hoy ny gazety iray: “Manohina ny fon’ny olona sasany ny Filazantsaran’i Tomasy sy ny asa soratra apokrifa hafa. Te hifandray amin’Andriamanitra izy ireny, nefa tsy te hanaraka ny fivavahana efa misy. Mitombo isa hatrany ny karazan’olona toy izany.” Any Brezila fotsiny, dia “antokom-pivavahana 30, fara fahakeliny, no mampiasa be ny Apokrifa.”

Rehefa hita ireo asa soratra ireo, dia nanjary nihevitra ny olona fa nitady tetika hanafenana ny marina momba an’i Jesosy ny Eglizy Katolika, tamin’ny taonjato fahefatra. Nino izy ireo fa nanesorana ny fitantarana momba azy ao amin’ireo asa soratra apokrifa, ary somary novana ireo Filazantsara efatra ao amin’ny Baiboly. Hoy i Elaine Pagels, mpampianatra momba ny fivavahana: “Izao vao manomboka hitantsika fa hay tsy fampianarana feno, fa singantsingany fotsiny no ampianarina eo anivon’ny Fivavahana Kristianina. Mbola notsongaina koa aza ireo.”

Mino ny manam-pahaizana toa an’i Pagels, fa tsy avy amin’ny Baiboly ihany ny fampianarana kristianina, fa avy amin’ny boky hafa koa, toy ny asa soratra apokrifa. Noresahin’ilay fandaharana nitondra ny lohateny hoe “Ilay Tena Maria Magdalena”, tao amin’ny BBC, fa “mpampianatra sy mpitarika” i Maria Magdalena, araka ny asa soratra apokrifa. “Tsy mpianatra fotsiny izy, fa lehiben’ny apostoly” mihitsy. Hoy koa i Juan Arias tao amin’ny gazety brezilianina iray, momba ny anjara asan’i Maria Magdalena: “Hita avy amin’ny fanazavana rehetra eo am-pelatanantsika, fa nitana toerana lehibe tao amin’ny fivavahana kristianina voalohany ny vehivavy. Tany an-tranon’izy ireny mantsy no nivoriana voalohany, ary izy ireo no pretra sy eveka.”

Maro no mihevitra fa manan-danja kokoa noho ny Baiboly ny Apokrifa. Miteraka fanontaniana lehibe anefa izany: Mety ve raha ny asa soratra apokrifa no inoan’ny Kristianina? Rehefa mifanohitra amin’izay voalaza ao ny fampianaran’ny Baiboly, iza no tokony hinoana: Ny Baiboly sa ny Apokrifa? Novana mangingina tokoa ve ny zavatra noraketin’ireny boky ireny, tamin’ny taonjato fahefatra? Nesorina tao amin’ny Filazantsara tokoa ve ny fanazavana lehibe sasany momba an’i Jesosy sy Maria Magdalena ary ny olon-kafa? Andeha isika handinika ny Filazantsaran’i Jaona, mba hamaliana izany.

Porofo omen’ny Filazantsaran’i Jaona

Nahitana sombiny tamin’ny Filazantsaran’i Jaona tany Ejipta, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Antsoina hoe Papyrus Rylands 457 (P52) izy io. Ny Jaona 18:31-33, 37, 38 no ao amin’izy io, ary tehirizina ao amin’ny Tranomboky John Rylands ao Manchester, Angletera. Io izao no tranainy indrindra amin’ny Soratra Grika Kristianina natao sora-tanana. Maro ny manam-pahaizana mino fa nosoratana tamin’ny taona 125 tany ho any izy io, izany hoe 25 taona monja taorian’ny nahafatesan’i Jaona. Mahagaga fa saika mitovy tanteraka amin’ireo sora-tanana natao tatỳ aoriana izy io. Efa niely tany Ejipta àry ny kopian’ny Filazantsaran’i Jaona tamin’izany fotoana izany. Hita fa tena nosoratana tamin’ny taonjato voalohany ny Filazantsaran’i Jaona, ary izy ihany no nanoratra azy. Boky nosoratan’ny vavolombelona nahita maso àry ny bokin’i Jaona.

Ny Apokrifa kosa nanomboka tamin’ny taonjato faharoa daholo vao nosoratana, izany hoe zato taona na mahery taorian’ireo zava-nitranga voatantara ao. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa naka hevitra tamin’ny asa soratra na lovantsofina tany aloha kokoa ny mpanoratra azy ireo. Tsy voaporofo anefa izany. Iza àry no inoanao kokoa: Ny tenin’ny vavolombelona nahita maso, sa ny an’ny olona velona zato taona tatỳ aoriana? Ilay voalohany, mazava ho azy. *

Ary ahoana ilay filazana hoe somary novana ireo Filazantsara ao amin’ny Baiboly, mba tsy hahalalana ny sasany amin’ny tantaran’i Jesosy? Misy porofo ve, ohatra, fa novana ny Filazantsaran’i Jaona tamin’ny taonjato fahefatra? Tsara ho fantatsika aloha fa anisan’ny tena nampiasaina mba handikana ny Baiboly misy ankehitriny, ilay sora-tanana tamin’ny taonjato fahefatra hoe Vaticanus 1209. Raha misy fiovana ao amin’ny Baibolintsika, dia tokony ho hita ao amin’izy io izany. Nisy sora-tanana hafa nosoratana teo anelanelan’ny taona 175 sy 225, ary antsoina hoe Bodmer 14, 15 (P75). Saika hita ao avokoa ny Filazantsaran’i Lioka sy Jaona. Milaza ny manam-pahaizana fa mitovy be amin’ny Vaticanus 1209 izy io. Midika izany fa tsy niova firy ireo Filazantsara ao amin’ny Baiboly, ary manaporofo izany ny Vaticanus 1209.

Tsy misy porofo, na an-tsoratra izany na tsia, fa novana tamin’ny taonjato fahefatra ny bokin’i Jaona na ny Filazantsara hafa. Nandinika sombina sora-tanana maromaro hita tany Oxyrhynchus, any Ejipta, ny Pr. Peter Head, avy ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge. Hoy izy: ‘Mitovy amin’izy ireo ny sora-tanana vita tamin’ny taonjato fahefatra, izay nampiasaina handikana ny Baiboly misy ankehitriny. Tsy misy porofo mihitsy hoe novana ny Testamenta Vaovao.’

Inona no ahariharin’ireo porofo ireo?

Efa tany antenatenan’ny taonjato faharoa ny Kristianina rehetra no nanaiky fa marina ny Filazantsara efatra, dia ny Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Natambatr’i Tatien ho boky iray izy efatra, teo anelanelan’ny taona 160 sy 175, ary nantsoina hoe Diatessaron (teny grika midika hoe “avy amin’ireo efatra”). Lasa be mpampiasa izy io tatỳ aoriana. Ireo Filazantsara efatra ihany no nampiasain’i Tatien, fa tsy naka hevitra avy tamin’ireo “filazantsara” gnostika izy. (Jereo ilay efajoro hoe  “Efa Ela no Nisy Niaro.”) Diniho koa ny tenin’i Irénée, tamin’ny faran’ny taonjato faharoa. Nilaza izy fa efatra ihany ny vazan-tany, ka tsy maintsy ho efatra koa ny Filazantsara. Marina fa tsy dia mitombina ilay fampitahana, nefa manaporofo fa efatra ihany tamin’izany ny Filazantsara nekena ho anisan’ny Soratra Masina.

Porofoin’izany rehetra izany fa tsy niova firy ny Soratra Grika Kristianina, anisan’izany ny Filazantsara efatra, nanomboka tamin’ny taonjato faharoa hatramin’izao. Tsy misy porofo marim-pototra fa novana na nanesorana mangingina ny Soratra Masina, tamin’ny taonjato fahefatra. Nilaza kosa aza i Bruce Metzger, manam-pahaizana momba ny Baiboly hoe: “Tamin’ny faran’ny taonjato faharoa, ... dia nanaiky avokoa ireo fiangonana niely eran’ny faritr’i Mediterane fa marina ny ampahany lehibe amin’ny Testamenta Vaovao. Nanaiky an’izany koa ny mpino hatrany Grande-Bretagne ka hatrany Mezopotamia.”

Nilaza koa ny apostoly Paoly sy Petera fa marina ny Tenin’Andriamanitra. Samy nampitandrina ny Kristianina izy ireo mba tsy hanaiky na hino afa-tsy izay nampianarina azy. Izao, ohatra, no tenin’i Paoly tamin’i Timoty: “Ry Timoty, tano izay nankinina taminao, ka ialao ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, sy ny fifanoheran-kevitra avy amin’ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka. Nampideradera fahalalana toy izany mantsy ny sasany, ka nivily niala tamin’ny finoana.” Hoy koa i Petera: “Tsia, tsy nanaraka tantara tsy marina noforonina tamin-kafetsena izahay, rehefa nampahafantatra anareo ny hery sy ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa nahita maso ny fahamboniany kosa.”—1 Timoty 6:20, 21; 2 Petera 1:16.

Nasain’Andriamanitra nanoratra i Isaia mpaminany, taonjato maro lasa izay hoe: “Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Isaia 40:8) Matokia àry fa narovan’Andriamanitra foana ny Soratra Masina, satria tiany ho ‘voavonjy sy hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana ny karazan’olona rehetra.’—1 Timoty 2:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Avy amin’ny teny grika ireo teny ireo. Azo adika hoe “fahalalana miafina” ny hoe “Gnostika”, ary “tsara afina” kosa ny hoe “Apokrifa.” Ireo no iantsoana an’izay asa soratra sandoka nalaina tahaka avy amin’ny Filazantsara, Asan’ny Apostoly, taratasy, ary boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao).

^ feh. 11 Vitsy amin’ireo Apokrifa koa no mbola misy. Sombiny telo amin’ny Filazantsaran’i Maria Magdalena, ohatra, no sisa tavela. Lavalava kokoa ny iray amin’izy ireo, saingy efa tsy hita ny antsasany. Maro koa ny zavatra tsy mampitovy an’ireo sora-tanana ireo.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Sombiny amin’ny Filazantsaran’i Jaona ny Papyrus Rylands 457 (P52). Tamin’ny taonjato faharoa izy io no vita, izany hoe am-polony taona monja taorian’ny nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany

[Efajoro/Sary, pejy 11]

 Efa Ela no Nisy Niaro

Vao nisy kelikely ny Fivavahana Kristianina, dia efa nilaza ny mpitsikera fa tsy azo inoana ny Filazantsara, satria misy mifanohitra ny zavatra resahiny. Niaro ny Filazantsara àry ilay mpanoratra syrianina atao hoe Tatien (taona 110-180 tany ho any). Nilaza izy hoe tsara raha aravona ho boky iray ireo Filazantsara efatra, mba ho hita fa tsy mifanohitra.

Nanambatra azy ireo àry i Tatien. Tsy fantatra na tamin’ny teny grika na syriàka no nanoratany an’ilay izy. Vitany tamin’ny taona 170 tany ho any izy io, ary antsoina hoe Diatessaron, izay teny grika midika hoe “avy amin’ireo efatra.” Nahoana no mahaliana antsika io boky tsy avy amin’Andriamanitra io?

Nilaza ny mpitsikera tamin’ny taonjato faha-19 fa tsy tena mitombina ny zavatra resahin’ny Filazantsara, satria tany antenatenan’ny taonjato faharoa izy ireo vao nosoratana. Nisy sora-tanana tranainy amin’ny Diatessaron anefa hita tatỳ aoriana. Voaporofo tamin’izany fa ireo Filazantsara efatra ihany no efa be mpahalala sy efa neken’ny olona ho boky tsy afa-misaraka, teo antenatenan’ny taonjato faharoa.

Nisy tamin’ny teny arabo, armenianina, grika, ary latinina ny Diatessaron sy ny boky mamakafaka azy io. Hoy Atoa Frederic Kenyon, manam-pahaizana momba ny Baiboly, rehefa hita izy ireo: “Rava daholo ny fisalasalana rehetra momba ny Diatessaron. Voaporofo koa fa efa be mpahalala ny Filazantsara efatra ao amin’ny Baiboly, tamin’ny taona 170 tany ho any, raha oharina amin’ny boky hafa momba ny Mpamonjy.”

[Sary]

Tatien

Diatessaron amin’ny teny arabo

[Tabilao, pejy 8, 9]

(Jereo ny gazety)

“tany ho any” no dikan’ny hoe “t.”

33

Maty i Jesosy

41 t.

Nosoratana ny Matio

58 t.

Nosoratana ny Lioka

65 t.

Nosoratana ny Marka

98 t.

Nosoratana ny Jaona

125

Rylands 457 (P52)

140 t.

Nanomboka nisy ny Apokrifa

175 t.

Bodmer 14, 15 (P75)

Taonjato faha-4

Vaticanus 1209

[Sary, pejy 10]

Vaticanus 1209

Tsy niova firy ireo Filazantsara, ary manaporofo izany ny Vaticanus 1209 eto ambony, izay vita tamin’ny taonjato fahefatra

[Sary nahazoan-dalana]

From the book Bibliorum Sacrorum Graecus Codex Vaticanus, 1868

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

© The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin