Tovolahy Iray Nahery Fo
Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora
Tovolahy Iray Nahery Fo
Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.
ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY 1 SAMOELA 17:1-11, 26, 32-51.
Ahoana no mety ho paozin’i Goliata sy ny feony?
․․․․․
Tsy anisan’ny miaramila israelita i Davida. Nahoana anefa izy no niady tamin’i Goliata? (Jereo ny andininy 26.)
․․․․․
Nahoana i Davida no nino fa hanampy azy i Jehovah? (Vakio indray ny andininy 34-37.)
․․․․․
FAKAFAKAO ILAY TANTARA.
Manaova fikarohana ao amin’ireo boky sy gazety anananao, ary fantaro
1) Ny halavan’i Goliata. (1 Samoela 17:4.)
Enina hakiho sy irain-jehy = ․․․․․.
2) Ny lanjan’ny varahina tamin’ny akanjon’i Goliata. (1 Samoela 17:5.)
Sekely 5 000 = ․․․․․.
3) Ny lanjan’ny vy tamin’ny lela lefon’i Goliata. (1 Samoela 17:7.)
Sekely 600 = ․․․․․.
AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...
Herim-po.
․․․․․
Fianteherana amin’i Jehovah fa tsy amin’ny herinao.
․․․․․
FAMPIHARANA HAFA.
Inona no zava-manahirana atrehinao, ka sarotra resena toa an’i Goliata?
․․․․․
Inona no zava-nitranga (teo amin’ny fiainanao na ny an’ny olon-kafa) maharesy lahatra anao fa tsy hahafoy anao i Jehovah?
․․․․․
INONA NO HEVITRA HITANAO FA MAHASOA AO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?
․․․․․