Namindra Fo Tamiko Andriamanitra
Namindra Fo Tamiko Andriamanitra
Notantarain’i Bolfenk Moc̆nik
“Mahereza! Aza mivadika mihitsy!” Namihina ahy i Neny sady nilaza haingana an’ireo teny ireo. Nosarahin’ny miaramila izahay avy eo, ary nanomboka ny fitsarana. Izao ny didim-pitsarana nivoaka: sazy dimy taona an-tranomaizina. Kivy angamba ny olona maro raha mahazo sazy toy izany. Izaho anefa tony tamin’izay. Aleo hotantaraiko.
TANY Slovenia izany no nitranga, tamin’ny 1952. * Roapolo taona mahery talohan’izay anefa no nanomboka ny tantara. Tamin’ny 1930 mantsy ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) tany Slovenia, no nanao batisa olona maro indray niaraka voalohany. Anisan’ireo natao batisa i Dada sy Neny, dia i Berta sy Franz Moc̆nik. Enin-taona aho tamin’izay, ary efa-taona i Majda zandriko vavy. Tao Maribor izahay no nipetraka, ary tao aminay no natao ny fivoriana sy ny fandaharana hafa.
Nandray fahefana tany Alemaina i Adolf Hitler tamin’ny 1933, ary nanomboka nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. Vavolombelona alemà maro tamin’izany, no nifindra tany Iogoslavia mba hanampy tamin’ny asa fitoriana. Tena tian’i Dada sy Neny ny nampiantrano azy ireny. Tsy hadinoko mihitsy ny iray tamin’izy ireo, dia i Martin Poetzinger. Nigadra sivy taona tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia izy, tatỳ aoriana. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy nanomboka tamin’ny 1977, mandra-pahafatiny tamin’ny 1988.
Teo amin’ny fandrianako foana i Martin no natory isaky ny tonga tao aminay. Izahay sy Majda kosa niaraka tamin’i Dada sy Neny tany amin’ny efitra fatoriana. Nanana diksionera kely feno sary tsara tarehy izay izy, ary tiako erỳ ny namadibadika an’ilay izy.
Fanenjehana nahery vaika
Nihanatanjaka ny fitondran’i Hitler. Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Lucerne, any Soisa, i Dada sy Neny, tamin’ny 1936. Tsara feo i Dada ka voafidy horaisim-peo, mba hanaovana toriteny ara-baiboly hoentina mitory. Tsy ela taorian’izay, dia niharan’ny fanenjehana nahery vaika ny Vavolombelona teto Eoropa. Maro no nijaly sy maty tany an-toby.
Nanomboka ny Ady Lehibe II tamin’ny Septambra 1939. Lasan’ny Alemà ny faritra sasany tamin’i Iogoslavia, tamin’ny Aprily 1941. Nakatona ny sekoly tao Slovenia. Tsy nahazo * Nisy tamin’izy ireo koa novonoina ho faty, anisan’izany i Franc Drozg, tovolahy fantatro tsara. Tsy dia lavitra ny tranonay ny toerana nitifiran’ny miaramila nazia an’ireo olona nomelohina ho faty, ka mbola tsaroako i Neny nanampina ny sofiny tamin’ny lamba, mba tsy handrenesany ny poa-basy. Nanoratra taratasy ho an’ny namany akaiky i Franc, ary izao no teny farany nosoratany tao: “Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mihaona.”
niteny tamin’ny fiteny slovenianina koa izahay teny imasom-bahoaka. Maro ny Vavolombelon’i Jehovah nosamborina. Tsy manao politika mantsy izy ireo, ka tsy nety nandray anjara tamin’ny ady.Zavatra nanenenako mafy
Vao 19 taona aho tamin’izany. Marina fa nidera an’i Franc aho noho izy tsy nivadika, kanefa natahotra ny ho faty aho. Nalemy finoana aho. Nahery kokoa noho ny finoako ny tahotro, ka nanaiky hanao miaramila aho rehefa nahazo fiantsoana.
Nalefa hiady tamin’ny Rosianina izahay. Maro tamin’ny namako no maty. Tena nahatsiravina ilay ady. Nenjehin’ny eritreritro foana aho, ka nitalaho famelan-keloka tamin’i Jehovah, ary niangavy azy mba hanome ahy herim-po handehanana amin’ny lala-mahitsy. Nisy fanafihana nahery vaika indray mandeha, ka nifanaritaka ny tafika nisy anay. Nahita fomba handosirana aho tamin’izay.
Fantatro tsara fa ny aiko no manefa raha tratra aho. Afaka niafina tany amin’ny toerana maro anefa aho nandritra ny fito volana. Nahavita nandefa karta paostaly tany amin’i Majda mihitsy aza aho. Izao no nolazaiko tao: “Hafa indray izao ny mpampiasa ahy, fa tsy ilay taloha intsony.” Ny tiako holazaina dia hoe nikasa hanao ny asan’Andriamanitra aho. Ela be tatỳ aoriana anefa izany vao tanteraka.
Nitolo-batana tamin’ny Tafika Mpiray Dina i Alemaina tamin’ny Mey 1945. Afaka nody tany Maribor àry aho, telo volana taorian’izay. Nahagaga fa tsy nisy maty tamin’iny ady nahatsiravina iny izahay efa-mianaka. Ny Kominista indray no nitondra tamin’izay, ka nanenjika an’ireo Vavolombelona. Voarara ny asa, kanefa mbola nivory sy nitory foana izy ireo saingy nanao izany tamim-piafenana.
Nahazo fanamelohana ho faty ny Vavolombelona telo tamin’ny Febroary 1947, dia i Rudolf Kalle sy Dus̆an Mikić ary Edmund Stropnik. Novana ho sazy an-tranomaizina 20 taona anefa izany tatỳ aoriana. Niresaka betsaka an’izany ny vaovao, ka lasa fanta-bahoaka ny tsy rariny nampiharina tamin’ny Vavolombelona. Nanenina mafy aho rehefa namaky momba izany tao amin’ny gazety. Fantatro amin’izay àry ny tokony hataoko.
Nihanatanjaka ny finoako
Tsapako fa tena nila niandany tamin’ny fahamarinana aho. Niezaka nanao fandrosoana àry aho mba ho lasa mpitory. Noho ny fahazotoako namaky Baiboly sy nisaintsaina izay novakiko, dia lasa nanana herim-po hialana tamin’ny fahazaran-dratsy aho, anisan’izany ny fifohana sigara.
Nanolo-tena sy natao batisa aho tamin’ny 1951. Niverina tamin’ilay fomba fiaina kristianina narahiko efa ho folo taona talohan’izay aho. Tamin’izay vao tsapako hoe tena Ray be fitiavana sy tsy mivadika i Jehovah. Nanao hadalana aho taloha, hany ka tena nanohina ny foko ny tenin’ny Baiboly hoe mamela heloka Andriamanitra. Nitarika ahy tamim-pitiavana foana io Raintsika be fitiavana io.—Niafina izahay rehefa nivory, ary natao tany an-tranon’ireo rahalahy izany. Nitory tsy ara-potoana koa izahay. Voasambotra anefa aho, tsy ampy herintaona taorian’ny batisako. Afaka nihaona vetivety izahay sy Neny talohan’ny hitsarana ahy. Namihina ahy izy, araka ny voalazako terỳ aloha, sady niteny hoe: “Mahereza! Aza mivadika mihitsy!” Tony be aho rehefa notononina ilay sazy hoe higadra dimy taona, sady tapa-kevitra ny tsy hivadika.
Tery kely ny efitra nigadrako. Nisy voafonja telo niaraka tamiko tao, ka afaka nitory tamin’izy ireo aho. Tsy ho nandre ny vaovao tsara mihitsy izy ireo raha tsy izany. Tsy nanana Baiboly na boky ara-baiboly aho, kanefa nahagaga fa tadidiko ireo andinin-teny sy fanazavana novakiko nandritra ny fianarako samirery. Nilazako foana ireo mpiara-migadra tamiko hoe omen’i Jehovah hery hiaretana aho, raha toa ka tsy maintsy higadra dimy taona. Mety hanafaka ahy alohan’izay anefa izy, ary tsy hisy hahasakana azy raha hanao izany izy.
Nesorina ny fandrarana
Nisy famotsoran-keloka tamin’ny Novambra 1953, ka nafahana daholo ireo Vavolombelona nigadra. Fantatray avy eo fa efa roa volana talohan’izay no nesorina ny fandrarana ny asa fitoriana. Nalaminay avy hatrany àry ny asan’ny fiangonana. Efitra iray ambany lakaly, tao amin’ny trano iray tao afovoan-tanànan’i Maribor, no nivorianay. Nasianay soratra teo amin’ny rindrina hoe: “Vavolombelon’i Jehovah—Fiangonana Maribor.” Dibo-kafaliana ny fonay fa afaka nanompo an’i Jehovah an-kalalahana izahay.
Nirotsaka ho mpisava lalana na mpitory manontolo andro aho tamin’ny voalohandohan’ny taona 1961. Nasaina hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Iogoslavia aho, enim-bolana taorian’izay. Tao Zagreb, any Kroasia izy io. Efitra kely iray ny biraon’ny sampana tamin’izany, ary telo izahay no niasa tao. Nanampy anay ireo Vavolombelona teny amin’ny manodidina tamin’ny famokarana ny gazety Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny teo an-toerana.
Nanampy anay tamin-javatra maro ireo anabavy, anisan’izany ny fanjairana an’ireo gazety. Nanao asa isan-karazany aho: nitsara tsipelin-teny, nandika teny, naka sy nanatitra taratasy, ary niandraikitra ny antontan-taratasy.
Niova ny fanendrena
Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany aho tamin’ny 1964, ka nitsidika sy nampahery ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena tiako io asa io. Matetika aho no nandeha bisy na lamasinina, rehefa nitsidika fiangonana. Nandeha bisikileta na nandeha an-tongotra kosa aho rehefa nitsidika tany amin’ireo tanàna kely, ary hatreny an-kitrokely ny fotaka indraindray.
Tsy ilaozan-javatra mampihomehy moa ny fiainana. Nandeha voatiry tarihin-tsoavaly izahay sy ny rahalahy iray, indray mandeha. Nikitoantoana ny lalana ka nitsoaka ny kodiarana ilany. Nidoboka teny amin’ny tany izahay roa lahy. Rehefa niandrandra nijery an’ilay soavaly izahay, dia hitanay fa hay izy koa mba nivanàka nijery anay. Mbola mihomehy foana izahay, taona maro tatỳ aoriana, rehefa mahatsiaro an’iny. Tsy hohadinoiko mihitsy koa ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy nasehon’ireo mpiara-manompo tany ambanivohitra.
Nifankahita tamin’i Marika, mpisava lalana maharitra, aho tamin’izaho tany Novi Sad. Nanintona ahy ny fitiavany ny fahamarinana sy ny zotom-pony tamin’ny fanompoana, ka lasa tia azy aho. Nivady izahay, ary taoriana kelin’
izay dia niaraka tamiko nitsidika fiangonana izy.Nandia fotoan-tsarotra ny fianakaviako nandritra ny fandrarana. Nendrikendrehin’ny olona ho niray tsikombakomba tamin’ny fahavalo i Dada nandritra ny ady, ka voaroaka tamin’ny asany. Niady mafy izy mba hahazo ny asany indray, kanefa tsy nisy vokany izany ka kivy be izy. Nisy fotoana nampahalemy ny finoany, saingy niova izy tatỳ aoriana. Mpitory navitrika teo anivon’ny fiangonana izy mandra-pahafatiny tamin’ny 1984. Vehivavy nanetry tena sy nahatoky koa i Neny. Maty tamin’ny 1965 izy. I Majda kosa mbola manompo any Maribor.
Fanompoana eto Aotrisy
Nasaina nanketo Aotrisy izahay mivady tamin’ny 1972, mba hitory tamin’ireo Iogoslavy nila ravinahitra teto. Tsy noeritreretinay mihitsy tamin’izany hoe hipetraka maharitra eto Vienne, renivohitr’i Aotrisy, izahay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa nisy fiangonana sy antoko-mpitory nampiasa fiteny iogoslavy nanerana an’i Aotrisy.
Nihamaro hatrany ireo fiangonana ireo, ka notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany hitsidika azy ireo aho tatỳ aoriana. Nasaina nitsidika fiangonana mampiasa fiteny iogoslavy, tany Alemaina sy Soisa, koa izahay. Nanampy tamin’ny fandaminana fivoriambe tany amin’ireny firenena ireny aho.
Nisy solontenan’ny Filan-kevi-pitantanana tany amin’ireny fivoriambe ireny indraindray, ka nifankahita tamin’i Martin Poetzinger indray aho. Niara-namisavisa ny lasa teo izahay, dia ilay fotoana nivahiniany tao aminay 40 taona talohan’izay. Nanontany azy aho hoe: “Tadidinao ve hoe tiako erỳ ny namadibadika an’ilay diksionera kelinao iny?”
“Andraso kely”, hoy izy, sady lasa izy nivoaka ny efitra. Nitondra an’ilay boky izy rehefa niverina, ary nilaza hoe: “Ity ilay izy, fa ataoko fanomezana ho anao.” Iray amin’ireo boky sarobidy eo amin’ny fitoeram-bokiko izy io izao.
Be atao na dia tsy salama aza
Voan’ny kansera aho tamin’ny 1983. Tsy ela taorian’izay dia nilaza tamiko ny dokotera fa tsy ho sitrana intsony ny aretiko. Tsy mora taminay ny niatrika izany, indrindra fa ho an’i Marika. Noho ny fikarakarany ahy tamim-pitiavana sy ny fanampian’ireo rahalahy anefa, dia mbola afaka mankafy fiainana sy manao zavatra betsaka aho ankehitriny.
Mbola mpanompo manontolo andro eto Vienne izahay mivady izao. Matetika aho no mandika teny any amin’ny biraon’ny sampana amin’ny maraina, ary i Marika kosa mandeha mitory. Faly aho mahita fa mihamaro izao ny Iogoslavy mpifindra monina lasa mpanompon’i Jehovah eto Aotrisy. Antoko-mpitory kely izy ireo tamin’ny voalohany, fa mpitory 1 300 mahery izy ireo izao. Izahay sy Marika no nanampy ny maro tamin’izy ireo.
Nanana anjara tamin’ny fitokanana tranon’ny sampana vaovao tany amin’ireo Repoblikan’i Iogoslavia teo aloha aho. Ny iray tany Kroasia tamin’ny 1999, ary ny iray tany Slovenia tamin’ny 2006. Anisan’ireo zokiolona nadinadinina aho, ka nitantara ny niandohan’ny asa fitoriana tany amin’ireo firenena ireo 70 taona lasa izay.
Ray be fitiavana tokoa i Jehovah, ka tena vonona hamela ny helotsika sy ny fahadisoantsika. Velom-pankasitrahana azy aho noho izy tsy mitsingoloka fahadisoana! (Salamo 130:3) Tena tsara fanahy sy namindra fo tamiko izy. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Iray tamin’ireo repoblika enina anisan’i Iogoslavia teo aloha, i Slovenia.
^ feh. 9 Manazava ny antony ara-baiboly mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy handray anjara amin’ny ady, ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Mpamaky” ao amin’ny pejy 22.
^ feh. 39 Nodimandry i Bolfenk Moc̆nik tamin’ny 11 Aprily 2008, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity.
[Sary, pejy 27]
Avy any ankavia miankavanana: I Neny, Dada, Majda, ary izaho, tany Maribor, any Slovenia, 1940 tany ho any
[Sary, pejy 29]
Izahay mivady