Nahoana no Ilaina ny Manetry Tena?
‘Izay manetry tena no hendry.’—OHAB. 11:2.
1, 2. Nahoana i Saoly no tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
NANETRY TENA sady nohajain’ny olona i Saoly tamin’izy vao lasa mpanjaka. (1 Sam. 9:1, 2, 21; 10:20-24) Lasa niana-kendry anefa izy, tsy ela taorian’izay. Nilaza tamin’i Saoly i Samoela mpaminany fa ho avy any Gilgala izy mba hangataka fanampiana amin’i Jehovah ka hanolotra sorona. Niomana hiady tamin’ny Israelita mantsy ny Filistinina tamin’izay. Mbola tsy tonga foana anefa i Samoela. Ny ankamaroan’ny Israelita koa nandao an’i Saoly, satria natahotra. Tsy nahandry àry i Saoly fa tonga dia nataony ilay sorona, na dia tsy nanan-jo hanao an’izany aza izy. Tezitra taminy i Jehovah tamin’izay.—1 Sam. 13:5-9.
2 Nanarin’i Samoela i Saoly rehefa tonga tany Gilgala izy. Tsy nanaiky nahitsy anefa i Saoly fa nanamarin-tena. Ny olon-kafa indray no nomeny tsiny, ary nohamaivaniny ny fahadisoany. (1 Sam. 13:10-14) Nanao zava-dratsy maromaro izy taorian’izay, ka nesorina tsy ho mpanjaka ary tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony tamin’ny farany. (1 Sam. 15:22, 23) Ratsy fiafara ny fiainan’i Saoly, na dia tsara fiandohana aza.—1 Sam. 31:1-6.
3. a) Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny hoe manetry tena? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika?
3 Tia mifaninana ny ankamaroan’ny olona, ka mieritreritra hoe tsy maintsy misongadina amin’ny besinimaro izy vao ho tafita. Mety tsy hanetry tena àry izy ireo. Niteny toy izao, ohatra, ny mpilalao filma malaza iray lasa mpanao politika: “Tsy izaho izany mihitsy no hanetry tena, ary enga anie mba tsy ho lasa hoatr’izany mihitsy aho.” Nahoana anefa no ilaina io toetra io? Inona no atao hoe manetry tena, ary inona no tsy ataon’ny olona manetry tena? Inona no hanampy antsika hanana an’io toetra io foana rehefa misy olana, na rehefa manasarotra an’izany ny ataon’ny olona? Hamaly an’ireo fanontaniana roa voalohany isika ato. Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa ilay fanontaniana farany.
NAHOANA NO ILAINA NY MANETRY TENA?
4. Inona no atao hoe sahisahy ratsy na miana-kendry?
4 Milaza ny Baiboly fa manambony tena ny olona tsy manetry tena. (Vakio ny Ohabolana 11:2.) Lasa sahisahy ratsy na miana-kendry ny olona hoatr’izany. Nangataka tamin’i Jehovah i Davida mba hanampy azy “tsy ho sahisahy hanao izay tsy tokony hatao.” (Sal. 19:13) Ny hoe sahisahy ratsy na hoe miana-kendry, dia midika hoe maimay na dedadedaka manao zavatra tsy ananana zo na tsy nahazoana alalana. Tsy lavorary isika ka manao an’izany daholo indraindray. Hitantsika tamin’ny tantaran’i Saoly Mpanjaka anefa fa tsy ho faly i Jehovah, raha lasa zatra manao an’izany isika. Milaza ny Salamo 119:21 fa ‘hiteny mafy an’ireo sahisahy ratsy’ izy. Nahoana?
5. Nahoana no tena ratsy ny hoe miana-kendry na sahisahy ratsy?
5 Ratsy kokoa ny hoe miana-kendry na sahisahy ratsy, raha oharina amin’ny hoe manao fahadisoana tsy nahy. Nahoana? Voalohany, satria tsy manome voninahitra an’i Jehovah, ilay Mpanjakantsika, izay manao an’izany. Faharoa, mety hifanditra amin’olona isika raha manao zavatra tsy ananantsika zo. (Ohab. 13:10) Fahatelo, mety ho menatra na ho afa-baraka isika rehefa fantatry ny olona hoe niana-kendry. (Lioka 14:8, 9) Ratsy foana àry ny vokany rehefa sahisahy ratsy isika. Asehon’ny Baiboly fa aleo manetry tena foana.
INONA NO ATAO HOE MANETRY TENA?
6, 7. Inona no atao hoe manetry tena?
6 Tsy manambony tena sady tsy mirehareha ny olona manetry tena. Mihevitra ny olon-kafa ho ambony noho ny tenany izy. (Fil. 2:3) Fantany tsara hoe inona no hainy sy tsy hainy, ary inona no mety ho vitany na tsy ho vitany. Miaiky ny fahadisoany koa izy, ary vonona handray soso-kevitra sy mihaino ny hevitry ny olon-kafa. Tena tian’i Jehovah ny olona manetry tena.
7 Mahafantatra tsara ny tenany àry ny olona manetry tena, sady mitadidy hoe voafetra ny zavatra hainy sy mety ho vitany. Manampy azy hanaja olona sy ho tsara fanahy amin’izy ireo izany.
8. Ahoana no ahafantarana hoe efa manomboka tsy manetry tena isika?
8 Ahoana no ahafantarana hoe efa manomboka tsy manetry tena isika? Hita amin’ny ataontsika sy ny fomba fisainantsika izany. Mihevi-tena ho ambony noho ny olon-kafa angamba isika, na mirehareha noho ny tombontsoa na andraikitra ananantsika. (Rom. 12:16) Misarika be loatra ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika koa angamba isika. (1 Tim. 2:9, 10) Na koa isika lasa sahisahy manery ny olona hanaraka ny hevitsika satria mieritreritra hoe manana andraikitra, na mpinamanamana amin’ny olona manana andraikitra, na isika mieritreritra hoe tsara be ny hevitsika. (1 Kor. 4:6) Matetika no tsy tsapantsika akory hoe efa miana-kendry isika rehefa manao an’ireo.
9. Inona no nahatonga ny olona sasany ho sahisahy ratsy? Manomeza ohatra.
9 Mety ho lasa manambony tena daholo na iza na iza, raha manaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsiny. Maro ny olona lasa sahisahy ratsy, satria te halaza na nitsiriritra na tsy nahafehy ny hatezerany. Anisan’izany i Absaloma sy Ozia ary Nebokadnezara. Nataon’i Jehovah afa-baraka izy ireo vokatr’izany.—2 Sam. 15:1-6; 18:9-17; 2 Tan. 26:16-21; Dan. 5:18-21.
10. Nahoana isika no tsy tokony hitsaratsara olona? Manomeza ohatra.
10 Misy antony hafa koa anefa mahatonga ny olona ho sahisahy. Eritrereto ange ny tantaran’i Abimeleka sy Petera e! (Gen. 20:2-7; Mat. 26:31-35) Rehefa mandinika ny nataon’izy ireo isika, dia mety hieritreritra hoe tena sahisahy tokoa izy ireo. Ratsy saina ve anefa izy ireo? Sa tsy fantany fotsiny ny zava-drehetra? Sa tsy nieritreritra tsara izy? Tsy mahalala izay any am-pon’ny olona isika. Hendry sy be fitiavana àry isika, raha tsy mitsaratsara olona.—Vakio ny Jakoba 4:12.
MIFALIA AMIN’IZAY ASAIN’I JEHOVAH ATAONAO
11. Inona no tokony hekentsika raha manetry tena isika?
11 Manaiky an’izay asain’i Jehovah ataony eo anivon’ny fandaminana ny olona manetry tena. Andriamanitra tia filaminana izy, ka samy omeny zavatra atao isika tsirairay avy. Samy ilaina isika rehetra na dia samy hafa aza ny zavatra asainy ataontsika. Tena tsara fanahy izy, ka omeny fahaizana isika tsirairay. Hita amin’izany fa manaja sy matoky antsika izy ary manantena fa hampiasa tsara ny fahaizana nomeny isika. Azontsika ampiasaina mba hanomezana voninahitra azy sy mba hahasoa ny hafa ny fahaizantsika.—Rom. 12:4-8; vakio ny 1 Petera 4:10.
12, 13. Nahoana no tsy tokony ho gaga isika raha misy fiovana indraindray eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah?
12 Mety hiovaova ny zavatra asain’i Jehovah ataontsika eo anivon’ny fandaminana. Be dia be, ohatra, ny fiovana niainan’i Jesosy. Izy irery no niaraka tamin’i Jehovah tamin’ny voalohany. (Ohab. 8:22) Nanampy an’i Jehovah namorona ny anjely sy izao rehetra izao ary ny olombelona izy tatỳ aoriana. (Kol. 1:16) Nirahina tetỳ an-tany koa izy, ka lasa zazakely dia avy eo lasa olon-dehibe. (Fil. 2:7) Nanao sorona ny ainy izy, niverina tany an-danitra, ary lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. (Heb. 2:9) Mbola hiova ny fanendrena azy amin’ny hoavy. Hanjaka mandritra ny arivo taona izy, ary avy eo haveriny amin’i Jehovah ilay Fanjakana, mba ho “Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”—1 Kor. 15:28.
13 Mety hiatrika fiovana koa isika, ary ny fanapahan-kevitra raisintsika matetika no mahatonga an’izany. Mpitovo angamba ianao dia nanambady, ary avy eo nanan-janaka. Mety ho nanatsotra fiainana ianao, dia nanompo manontolo andro. Azo inoana fa nandray soa tamin’ireo fanapahan-kevitra ireo ianao, nefa nitombo koa ny andraikitrao. Mety ho afaka hanao zavatra betsaka kokoa ianao, na hihena ny zavatra azonao atao, arakaraka ny fiovana mitranga eo amin’ny fiainanao. Jeren’i Jehovah foana koa anefa izay fomba tsara indrindra ampiasana ny tsirairay eo amin’ny Heb. 6:10.
fanompoana azy. Jereny hoe tanora ve ianao sa be taona, na salama tsara ve ianao sa farofy. Tsy mitaky be loatra mihitsy izy, ary ankasitrahany foana izay vitantsika.—14. Nahoana isika no ho faly sy ho afa-po foana raha manetry tena?
14 Faly foana i Jesosy, na inona na inona asa nampanaovina azy. (Ohab. 8:30, 31) Afaka ny ho faly amin’izay ampanaovina antsika koa isika. Afa-po amin’izay asaina ataony na amin’izay andraikitra omena azy eo anivon’ny fiangonana ny olona manetry tena. Tsy miady saina izy hoe mbola hahazo tombontsoa na andraikitra hafa ve, ary tsy mieritreritra be momba ny zava-bitan’ny hafa. Miezaka ny ho faly amin’izay ampanaovina azy kosa izy sady manao tsara an’ilay izy, satria mino hoe avy amin’i Jehovah ilay izy. Ekeny koa hoe ampanaovin’i Jehovah zavatra ny olon-kafa, ka manaja an’izany izy. Faly izy manome voninahitra sy manampy ny olona ampiasain’i Jehovah.—Rom. 12:10.
INONA NO TSY ATAON’NY OLONA MANETRY TENA?
15. Inona no ianarantsika avy amin’i Gideona?
15 Modely ho antsika i Gideona, satria tena nanetry tena. Rehefa nirahina hanavotra ny Israelita izy, dia niteny hoe: “Ny fianakaviako ange no tsinontsinona indrindra amin’ny fokon’i Manase e! Ary izaho no kely indrindra ao amin’ny ankohonan-draiko.” (Mpits. 6:15) Nanaiky ihany anefa izy, ka niezaka mafy hahazo tsara an’izay tian’i Jehovah hataony. Nivavaka koa izy mba hahazo ny tari-dalany. (Mpits. 6:36-40) Be herim-po i Gideona, nefa koa mailo sy nitandrina tsara. (Mpits. 6:11, 27) Tsy nohararaotiny ny andraikitra nomena azy mba hahatonga azy ho lasa olona ambony. Niverina tany amin’izay nisy azy fotsiny izy, rehefa vita izay nampanaovina azy.—Mpits. 8:22, 23, 29.
16, 17. Inona no tokony hoeritreretin’ny olona manetry tena raha te handroso izy?
16 Tsy hoe rehefa manetry tena anefa ny olona iray, dia tsy hiezaka hahazo andraikitra mihitsy na hoe tsy hanaiky andraikitra fanampiny. Mampirisika antsika rehetra mba hiezaka handroso mantsy ny Baiboly. (1 Tim. 4:13-15) Tsy voatery hahazo andraikitra na tombontsoa vaovao anefa isika vao ho afaka handroso. Ampian’i Jehovah isika, ka afaka mandroso foana na inona na inona asa na andraikitra efa ampanaoviny antsika. Azontsika atao foana ny manatsara ny toetrantsika sy mampitombo ny fahaizantsika, mba hanompoana azy tsara kokoa sy hanampiana ny olon-kafa.
17 Tsy tonga dia manaiky ny olona manetry tena rehefa misy andraikitra omena azy, fa fantariny aloha hoe inona no tafiditra amin’ilay izy. Afaka mandinika tsara izy amin’izay. Ho vitany ve, ohatra, ny hanao an’izay zava-dehibe kokoa sady hanao an’ilay andraikitra? Azo ampanaovina olon-kafa ve ny andraikitra sasany efa ataony, dia amin’izay izy afaka manaiky an’ilay andraikitra vaovao? Raha ny valin’ny iray amin’ireo fotsiny no hoe tsia, dia tsara kokoa angamba aloha raha olon-kafa no manao an’ilay andraikitra vaovao. Rehefa avy mivavaka sy mijery ny zava-misy izy, dia mety hahita fa ho be loatra ny andraikiny raha mbola ampiana ka mety tsy ho vitany tsara. Raha manetry tena àry izy, dia mety tsy hanaiky an’ilay izy.
18. a) Raha manetry tena isika, dia inona no hataontsika rehefa omena asa na andraikitra vaovao? b) Nahoana ny Romanina 12:3 no manampy antsika hanetry tena?
18 Ahoana anefa raha manaiky hanao andraikitra vaovao isika? Mila mangataka ny tari-dalan’i Jehovah sy ny fanampiany isika, hoatran’ny nataon’i Gideona. Tian’i Jehovah “hanetry tena” mantsy isika ‘rehefa miara-mandeha aminy.’ (Mika 6:8) Rehefa misy andraikitra vaovao omena antsika àry, dia mila mivavaka sy mandinika tsara an’izay lazainy ao amin’ny Baiboly sy amin’ny alalan’ny fandaminany isika. Tsy mahavita tena isika fa mila an’i Jehovah sy ny tari-dalany. Tadidio fa noho i Jehovah manetry tena no mahatonga antsika hahavita zavatra, fa tsy noho ny fahaizantsika. (Sal. 18:35) Raha manetry tena àry isika, dia tsy ‘hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.’—Vakio ny Romanina 12:3.
19. Nahoana isika no tokony hanetry tena?
19 Raha manetry tena isika, dia i Jehovah no homentsika voninahitra. Izy mantsy no Mpamorona antsika sady Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Apok. 4:11) Ho afa-po sy hazoto amin’izay ampanaovina antsika koa isika, raha manetry tena. Hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa sy ny heviny isika, ka hiray saina ny rehetra. Ny olon-kafa aloha no hoeritreretintsika izay vao ny tenantsika. Hitandrina tsara koa isika ka tsy hanao fahadisoana lehibe. Tena mila manetry tena àry ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Tena tian’i Jehovah izay manana an’io toetra io. Inona anefa no hanampy antsika hanetry tena foana, na dia tsy mora aza izany indraindray? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.