Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Oviana no lasa firenena matanjaka fahafito araka ny voalazan’ny faminaniana, ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?
▪ Tsy ny firenena matanjaka rehetra no aseho amin’ilay sarivongana ngezabe hitan’i Nebokadnezara Mpanjaka, fa ireo firenena matanjaka dimy nanomboka tamin’ny andron’i Daniela ka nanohitra ny vahoakan’i Jehovah.—Dan. 2:31-45.
Hitantsika ao amin’ny fanazavan’i Daniela momba an’ilay sarivongana, fa hipoitra avy amin’i Roma ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, fa tsy hoe handresy an’i Roma. Nilaza mantsy i Daniela hoe vy ny ranjon’ilay sary, ary mitohy hatrany amin’ny tongony sy ny rantsantongony izany vy izany. (Mifangaro tanimanga ilay vy eo amin’ny tongotr’ilay sary sy ny rantsantongony.) * Midika izany hoe avy amin’ilay ranjo vy, izany hoe avy amin’i Roma, no hipoiran’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Manamarina izany ny tantara. Ampahany kely tamin’ny Fanjakana Romanina ny Fanjakana Anglisy taloha, izany hoe i Grande-Bretagne. Nanomboka lasa firenena matanjaka anefa izy io taloha kelin’ny taona 1800. Lasa firenena natanjaka be koa i Etazonia tatỳ aoriana. Mbola tsy ilay firenena matanjaka fahafito resahin’ny Baiboly anefa i Grande-Bretagne sy Etazonia tamin’izay. Fa nahoana? Mbola tsy niara-niasa nanao zavatra niavaka izy ireo tamin’izany. Efa tamin’ny Ady Lehibe I izany vao nitranga.
Tany Etazonia no tena nitory ireo voahosotra “zanak’ilay fanjakana”, tamin’izany fotoana izany. Tao Brooklyn, any Etazonia, koa moa no nisy ny Foibe. (Mat. 13:36-43) Nazoto nitory tany amin’ireo tany nofehezin’i Grande-Bretagne koa izy ireo. Nifandray akaiky i Grande-Bretagne sy Etazonia nandritra ny Ady Lehibe I, rehefa niara-nanohitra an’ireo firenena fahavalony. Nirongatra koa ny fitiavan-tanindrazana nandritra ny ady, ka nanjary niady tamin’ny taranak’ilay ‘vehivavy’ vadin’Andriamanitra izy ireo. Norarany ny bokintsika, ary nogadrainy ireo rahalahy nitarika ny asa fitoriana.—Apok. 12:17.
Raha ny faminanian’ny Baiboly àry no jerena, dia tsy talohan’ny taona 1800 no nipoitra ilay firenena matanjaka fahafito, izany hoe tsy tamin’ny fotoana nahalasa fanjakana matanjaka an’i Grande-Bretagne. Teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo vao lasa firenena matanjaka fahafito ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Mifanitsy amin’ny antokon’olona ilay tanimanga. Ao amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, sy any amin’ny firenena anjakany, no misy an’io tanimanga io. Tsy mety matanjaka araka ny tokony ho izy ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, noho ny ataon’ireo antokon’olona ireo.
^ feh. 6 Fanazavana vaovao ity, ary manitsy an’ilay fanazavana ao amin’ny boky Faminanian’i Daniela, pejy 57, fehintsoratra faha-24, sy ny sary ao amin’ny pejy 56 sy 139.
[Sary, pejy 19]
Nogadraina ny rahalahy valo tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny Jona 1918