Ohatra Tsara i Solomona sa Ohatra Ratsy?
Ohatra Tsara i Solomona sa Ohatra Ratsy?
‘Hampianatra antsika ny lalany ny Andriamanitr’i Jakoba, ary handeha amin’ny atorony isika.’—ISAIA 2:3.
1, 2. Inona no soa raisintsika avy amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly?
AZO antoka fa ekenao hoe mahasoa anao izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Misy ohatra tsara ao, satria tantaraina ao ny momba an’ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika, izay nanana fomba fiaina sy toetra azonao tahafina. (Heb. 11:32-34) Misy ohatra ratsy koa anefa ao. Tantaraina ao ny momba ny lehilahy sy vehivavy sasany nanao ratsy, na nanana toe-tsaina ratsy tokony hohalavirinao.
2 Misy olona sasany kosa sady nanao zavatra tsara mendrika hotahafina, no nanao zavatra ratsy tokony hohalavirina. Anisan’izany i Davida, izay mpiandry ondry nanetry tena, lasa mpanjaka nahery. Ohatra tsara izy, satria tia ny fahamarinana sy natoky an’i Jehovah. Nanao fahadisoana lehibe koa anefa izy. Nijangajanga tamin’i Batseba izy, namono an’i Oria, ary nanao fanisam-bahoaka tsy ara-dalàna. I Solomona zanany anefa no tena horesahintsika. Mpanjaka izy io ary nanoratra Baiboly. Misy zavatra roa azontsika anahafana azy, ary izay no horesahintsika voalohany.
“Ny fahendren’i Solomona”
3. Nahoana i Solomona no ohatra tsara ho antsika?
3 Nasehon’i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe, fa ohatra tsara ho antsika i Solomona. Hoy izy tamin’ny Jiosy sasany: “Hiaraka hatsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mpanjakavavin’ny atsimo ka hanameloka [ity taranaka ity], satria avy any amin’ny faran’ny tany izy no tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona. Misy lehibe noho i Solomona anefa eto.” (Mat. 12:42) Nalaza ho hendry i Solomona, ary nampirisika antsika mba hiezaka hanana fahendrena.
4, 5. Nahoana no tsy mitovy amin’ny an’i Solomona ny fomba hahazoantsika fahendrena?
4 Niseho tamin’i Solomona tao anaty nofy Andriamanitra tamin’izy vao nanomboka nanjaka. Nasainy nangataka izay tiany i Solomona, ka nangataka fahendrena taminy, satria nahatsiaro ho tsy ampy traikefa. (Vakio ny 1 Mpanjaka 3:5-9.) Faly i Jehovah hoe tsy nangataka harena sy voninahitra izy, fa nangataka fahendrena. Nomeny “fo hendry sy mahiratra” àry i Solomona, sady nomeny harena. (1 Mpanj. 3:10-14) Araka ny tenin’i Jesosy, dia niavaka ny fahendren’i Solomona, ka na ny mpanjakavavin’i Sheba aza nandre momba an’ilay izy, ary nanao dia lavitra mba hahitana izany.—1 Mpanj. 10:1, 4-9.
5 Tsy manantena hahazo fahendrena amin’ny fomba mahagaga isika ankehitriny. Nilaza i Solomona hoe “i Jehovah no manome fahendrena”, nefa nilaza koa izy fa mila miezaka mafy isika raha te hahazo azy io. Hoy izy: ‘Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny fahendrena, ary hanao izay hananan’ny fonao fahaiza-manavaka.’ Nilaza koa izy fa ilaina ny “miantsoantso mitady” fahendrena, “tsy mitsahatra mitady” azy io, ary “tsy mitsahatra mikaroka” azy io. (Ohab. 2:1-6) Midika izany fa tena afaka manana fahendrena isika.
6. Ahoana no ampisehoantsika fa manahaka an’i Solomona isika, ka mihevitra ny fahendrena ho sarobidy?
6 Mila mieritreritra isika hoe: ‘Manahaka an’i Solomona ve aho, ka mihevitra ny fahendrena ho sarobidy?’ Sarotra ny fiainana, ka variana Ohab. 2:9.
miasa sy mitady vola ny olona. Ny fahasarotan’ny fiainana koa no mibaiko ny safidy ataon’ny olona, rehefa hifidy fianarana izy, na mieritreritra ny habetsaky ny fianarana hataony. Ahoana kosa ny aminao sy ny fianakavianao? Hita amin’ny safidy ataonareo ve fa sarobidy aminareo ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, ary miezaka hanana azy io ianareo? Afaka manova tanjona ve ianareo, mba hananana fahendrena bebe kokoa? Handray soa mandrakizay ianareo, raha manana fahendrena sady manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendrena azonareo. Nilaza i Solomona fa hanampy antsika ‘hahatakatra ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana’ izany, ‘eny, hahatakatra izay tsara rehetra.’—Be ny fiadanana rehefa nampandroso ny fivavahana marina i Solomona
7. Ahoana no nahazoan’i Jehovah tempoly tsara tarehy?
7 Nosoloan’i Solomona tempoly tsara tarehy ny tranolay masina nampiasaina hatramin’ny andron’i Mosesy, rehefa nanjaka izy. (1 Mpanj. 6:1) Marina fa antsointsika hoe tempolin’i Solomona izy io. Tsy nataony mba hampahalaza ny anarany anefa izy io, ka hoe hahatonga ny olona hiaiky fa mpanao trano tena mahay izy, na hoe mpanankarena tia manao fanomezana. Tsy izy koa no tompon-kevitra tamin’ny fanorenana azy io. I Davida no nieritreritra izany voalohany, ka natoron’i Jehovah azy ny fomba hanamboarana an’ilay trano sy ny fitaovana ao anatiny. Nanao fanomezana be dia be koa i Davida mba hanaovana an’ilay asa. (2 Sam. 7:2, 12, 13; 1 Tan. 22:14-16) I Solomona anefa no notendrena hanorina an’ilay tempoly, ary naharitra fito taona sy tapany izany.—1 Mpanj. 6:37, 38; 7:51.
8, 9. a) Inona ny ohatra tsara navelan’i Solomona? b) Inona no vokany rehefa nampandroso ny fivavahana marina i Solomona?
8 Ohatra tsara i Solomona, satria be fikirizana izy rehefa nanao ny asa nanendrena azy, ary io no nataony vaindohan-draharaha. Fantany mantsy fa natao hampandrosoana ny fivavahana marina ilay tempoly, ary hanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah. Hita izany rehefa vita ny tempoly, ka tafapetraka tao ny Vata misy ny fifanekena. Nivavaka tamin’i Jehovah teo anatrehan’ny vahoaka izy tamin’izay hoe: ‘Aoka ianao hijery an’ity trano ity andro aman’alina, eny, hijery an’ilay toerana nolazainao hoe: “Ho ao ny anarako”, ka hihaino ny vavaka ataon’ny mpanomponao manandrify an’ity toerana ity ianao.’ (1 Mpanj. 8:6, 29) Natao hiantsoana ny anaran’Andriamanitra io toerana io, ary samy afaka nivavaka nanandrify azy io, na ny Israelita na ny vahiny.—1 Mpanj. 8:30, 41-43, 60.
9 Inona no vokany, rehefa nampandroso ny fivavahana marina i Solomona? “Faly sy ravoravo” ny vahoaka rehefa avy notokanana ny tempoly. Faly izy ireo “noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely.” (1 Mpanj. 8:65, 66) Tena niadana sy tsy nanana ahiahy koa ny vahoaka, nandritra ireo 40 taona nanjakan’i Solomona. (Vakio ny 1 Mpanj. 4:20, 21, 25.) Miresaka momba izany ny Salamo faha-72, sady manampy antsika hahatakatra hoe inona no fitahiana ho azontsika rehefa hitondra i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe.—Sal. 72:6-8, 16.
Ny ohatra ratsy navelan’i Solomona
10. Inona matetika no fahadisoan’i Solomona tonga ao an-tsain’ny olona?
10 Nahoana anefa no lazaina fa ohatra ratsy koa i Solomona? Tonga angamba ianao dia hilaza hoe: ‘Satria nanana vady sy vadikely hafa firenena izy.’ Milaza tokoa ny Baiboly hoe: ‘Rehefa antitra i Solomona, dia voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa ny fony, ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah.’ (1 Mpanj. 11:1-6) Azo antoka fa tapa-kevitra ianao hoe tsy hanao an’izany hadalana izany mihitsy. Misy tsipiriany amin’ny fiainan’i Solomona anefa tsy dia voamariky ny olona. Handinika ny sasany amin’izany isika izao, ary jereo hoe inona no lesona azonao raisina.
11. Inona no azo lazaina momba ny olona voalohany nalain’i Solomona ho vady?
11 Diniho ny 1 Mpanjaka 14:21. (Vakio.) Voalaza ao fa i Rehoboama zanany no nandimby an’i Solomona rehefa maty izy, ary 41 taona i Rehoboama tamin’izay. Voalaza ao koa hoe “i Nama Amonita” no renin’i Rehoboama. Fantatsika fa nanjaka nandritra ny 40 taona i Solomona. (2 Tan. 9:30) Midika izany fa naka vady hafa firenena izy, talohan’izy lasa mpanjaka, ary avy tamin’ny firenena fahavalo sady mpanompo sampy no nakany azy. (Mpits. 10:6; 2 Sam. 10:6) Tsy fantatsika raha mbola nanompo sampy i Nama rehefa lasa vadin’i Solomona. Tsy fantatsika koa raha lasa mpanompon’i Jehovah, toa an’i Rahaba sy Rota, izy. (Rota 1:16; 4:13-17; Mat. 1:5, 6) Na ahoana na ahoana, dia lasa nanana fianakaviana sy havana amonita i Solomona, ary tsy nanompo an’i Jehovah ireo.
12, 13. Inona no fahadisoana nataon’i Solomona raha vao nanomboka nanjaka izy? Nahoana izy no mety ho nieritreritra hoe tsy mampaninona ny zavatra nataony?
12 Mbola ratsy noho izany ny nataon’i Solomona, rehefa lasa mpanjaka izy. ‘Nalainy ho vady ny zanakavavin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, ary nentiny tao amin’ny Tanànan’i Davida.’ (1 Mpanj. 3:1) Lasa mpanompon’i Jehovah toa an’i Rota ve io vadiny io? Tsy milaza izany ny Baiboly. Voalaza ao hoe nanao trano tany ivelan’ny Tanànan’i Davida i Solomona tatỳ aoriana, mba hipetrahan’io vehivavy io, ary angamba koa hipetrahan’ny mpanompovavin’izy io. Nahoana? Satria tsy mety raha mipetraka akaikin’ny toerana ametrahana ny Vata misy ny fifanekena ny mpanompo sampy.—2 Tan. 8:11.
13 Mety ho nieritreritra i Solomona hoe hihatsara ny fifandraisan’ny Israely sy Ejipta, raha manambady an’io vehivavy io izy. Azony natao fialan-tsiny ve anefa izany? Efa nilaza i Jehovah taloha ela be hoe tsy azo atao ny manambady Kananita, satria mpanompo sampy izy ireo. Notononiny mihitsy aza ny anaran’ny firenena sasany. (Eks. 34:11-16) Mety ho nieritreritra ve anefa i Solomona hoe tsy voatonona tao i Ejipta, ka tsy maninona raha manambady Ejipsianina izy? Neken’i Jehovah ve izany fialan-tsiny izany? Efa nilaza mazava tsara i Jehovah hoe mety hiala amin’ny fivavahana marina ny Israelita, raha manambady olona hafa firenena. Tsy niraharaha an’izany anefa i Solomona.—Vakio ny Deoteronomia 7:1-4.
14. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny zavatra ratsy nataon’i Solomona?
14 Handray lesona avy amin’izay nataon’i Solomona ve isika? Mety hitady fialan-tsiny ny anabavy iray mba tsy hanarahana ny didin’1 Kor. 7:39) Mety hisy koa hitady fialan-tsiny, rehefa te hiditra amin’ny ekipa mpanao fanatanjahan-tena any am-pianarana, na te hampihena ny hetra tokony haloany, na tsy te hilaza ny zavatra mahamenatra nataony. Mety hitranga amintsika àry izay nitranga tamin’i Solomona. Mety ho nitady fialan-tsiny izy mba tsy hankatoavana ny didin’Andriamanitra, ary mety halaim-panahy hanao toy izany koa isika.
Andriamanitra hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (15. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa namindra fo tamin’i Solomona izy? Inona anefa no tokony hotadidintsika?
15 Mahaliana fa rehefa avy nilaza ny Baiboly hoe nanambady an’ilay zanak’i Farao i Solomona, dia lazainy fa nomen’i Jehovah azy ny fahendrena nangatahiny, ary nomeny harena koa izy. (1 Mpanj. 3:10-13) Tsy nankatò ny didin’i Jehovah i Solomona, nefa tsy tonga dia nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka izy, na nosaziny mafy. Fantatr’i Jehovah mantsy fa tsy lavorary isika olombelona ary vovoka ihany. (Sal. 103:10, 13, 14) Tadidio anefa fa raha tsy misy vokany avy hatrany ny zavatra ataontsika, dia hisy vokany any aoriana.
Tena be dia be ny vadin’i Solomona!
16. Inona ny didin’i Jehovah tsy nankatoavan’i Solomona?
16 Hita ao amin’ny Tononkiran’i Solomona, fa nidera ny tovovavy virjiny iray izy. Nilaza izy fa tsara tarehy noho ny mpanjakavavy 60 sy ny vadikely 80 ilay tovovavy. (Tonon. 6:1, 8-10) Maro tokoa ny vadin’i Solomona, raha vadiny ireo vehivavy noresahiny ireo. Na dia atao hoe mpanompon’i Jehovah aza ny ankamaroan’izy ireo, na izy rehetra mihitsy, dia tsy mety ny nataon’i Solomona. Efa nanome didy, tamin’ny alalan’i Mosesy, i Jehovah hoe tsy tokony “hampitombo ny isan’ny vadiny” ny mpanjakan’ny Israely, “sao hivily ny fony.” (Deot. 17:17) Mbola tsy nolavin’i Jehovah anefa i Solomona, na dia tsy nankatò aza. Mbola notahiny izy, sady nasainy nanoratra an’ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Tononkiran’i Solomona.
17. Inona no zavatra tsy tokony hohadinointsika?
17 Midika ve izany hoe afa-maina i Solomona rehefa tsy nankatò? Tsia. Midika kosa izany hoe tena nanam-paharetana Andriamanitra. Tsy ho afa-maina isika rehefa mandika ny didin’i Jehovah. Mety tsy hisy voka-dratsiny avy hatrany ny fandikana ny fitsipiny. Tsy midika anefa izany hoe tsy hisy vokany mihitsy ilay izy. Tadidio ity teny nosoratan’i Solomona ity: “Koa satria tsy tanterahina haingana ny fanamelohana noho ny ratsy natao, dia mikiry manao ratsy ny fon’ny zanak’olombelona.” Hoy koa izy: ‘Fantatro fa ho tsara fiafara ireo matahotra an’Andriamanitra, satria natahotra Azy.’—Mpito. 8:11, 12.
18. Nahoana no azo lazaina fa tanteraka tamin’i Solomona ny voalazan’ny Galatianina 6:7?
18 Indrisy fa tsy nanaraka an’izany tenin’i Jehovah izany i Solomona! Nahavita zavatra tsara be dia be izy, ary notahin’i Jehovah nandritra ny fotoana ela be. Nanao fahadisoana nisesisesy anefa izy tatỳ aoriana, ary lasa zatra nanao ratsy. Marina tokoa ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Gal. 6:7) Nizaka vokany mangidy i Solomona, satria tsy nankatò an’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Tia vady maro hafa firenena i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao, dia vehivavy moabita sy amonita sy edomita sy sidonianina ary hetita.” (1 Mpanj. 11:1) Azo inoana fa tsy niala tamin’ny andriamaniny ny ankamaroan’ireny vehivavy ireny, ary tsy maintsy ho nisy vokany teo amin’i Solomona izany. Niala tamin’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ka tsy nankasitraka azy intsony ilay Andriamanitra manam-paharetana.—Vakio ny 1 Mpanjaka 11:4-8.
Makà lesona avy amin’izay nataony
19. Inona no porofo fa misy ohatra tsara maro ao amin’ny Baiboly?
19 Nomen’i Jehovah herin’ny fanahy masina i Paoly mba hanoratra hoe: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny Rom. 15:4) Anisan’ireo nosoratana mba hakantsika fianarana ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy maro, nanana finoana miavaka. Hoy koa i Paoly: ‘Ary inona koa no holazaiko? Fa tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko koa ny momba an’i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida ary Samoela mbamin’ny mpaminany hafa, izay nanam-pinoana ka nandresy fanjakana, nampihatra izay mahitsy, nahazo fampanantenana, nalemy nefa tonga mahery.’ (Heb. 11:32-34) Handray soa àry isika, raha manahaka ny ohatra tsara hitantsika ao amin’ny Baiboly.
alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (20, 21. Nahoana ianao no tapa-kevitra handray lesona avy amin’ny fahadisoan’ireo olona voaresaka ao amin’ny Baiboly?
20 Natao ho fampitandremana ho antsika kosa anefa ny nanjo ny olona sasany. Nanompo an’i Jehovah sy nankasitrahany ny sasany tamin’izy ireo taloha, nefa niova izany tatỳ aoriana. Rehefa mamaky Baiboly isika, dia mila mandinika hoe oviana ireny olona ireny no niala tamin’i Jehovah, ary inona no zavatra ratsy nataony ka tokony hohalavirintsika. Nanana toe-tsaina ratsy tsikelikely izy ireny, ary nizaka ny vokany tatỳ aoriana. Ahoana no andraisantsika lesona amin’ireny fitantarana ireny? Ilaina ny manontany tena hoe: ‘Ahoana no nahatonga an’ilay olona hanana toe-tsaina ratsy? Mety hanjo ahy koa ve izany? Inona no azoko atao mba hisorohana an’izany?’
21 Mila mandinika tsara ny tantaran’ireny olona nanao fahadisoana ireny isika, satria hoy i Paoly: “Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.”—1 Kor. 10:11.
Inona no Nianaranao?
• Nahoana no nosoratana ao amin’ny Baiboly ny tantaran’ireo olona namela ohatra tsara, sy ny tantaran’ireo namela ohatra ratsy?
• Inona no nahatonga an’i Solomona ho lasa zatra nanao ratsy?
• Inona no lesona raisinao avy amin’ny fahadisoan’i Solomona?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 9]
Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy i Solomona
[Sary, pejy 12]
Mandray lesona avy amin’ny fahadisoan’i Solomona ve ianao?