Nitari-dalana An’ireo Mpanompon’i Jehovah Fahiny ny Fanahy Masina
Nitari-dalana An’ireo Mpanompon’i Jehovah Fahiny ny Fanahy Masina
“Nirahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony aho, ary nirahiny koa ny fanahiny.”—ISAIA 48:16.
1, 2. Inona no ilaintsika mba hananantsika finoana? Inona no soa azontsika rehefa mandinika ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny?
EFA hita hatramin’ny andron’i Abela fa “tsy ary manam-pinoana daholo ny olona rehetra.” (2 Tes. 3:2) Inona àry no tokony hataontsika raha te hanam-pinoana isika, ary tsy hivadika amin’i Jehovah? Fantatsika fa ilaina ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra, satria “ny finoana dia avy amin’izay re.” (Rom. 10:17) Anisan’ny vokatry ny fanahy koa anefa ny finoana, ka tena ilaina ny fanahy masina raha te hanana azy io.—Gal. 5:22, 23.
2 Tsy hoe vao teraka ny olona iray dia efa manam-pinoana. “Nanana fihetseham-po toa antsika ihany” ireo olona nanam-pinoana voaresaka ao amin’ny Baiboly. (Jak. 5:17) Nisalasala na tsy natoky tena na nanana ny fahalemeny izy ireo, nefa “tonga mahery” noho ny fanampian’ny fanahy masina. (Heb. 11:34) Voasedra ny finoantsika ankehitriny, ka manampy antsika tsy hivadika ny fandinihana ny asan’ny fanahy masina teo amin’ireny olona ireny.
Nanampy an’i Mosesy ny fanahin’Andriamanitra
3-5. a) Ahoana no ahalalantsika fa nanampy an’i Mosesy ny fanahy masina? b) Ahoana no fomba anomezan’i Jehovah ny fanahiny, raha jerena izay nitranga tamin’i Mosesy?
3 Velona tamin’ny taona 1513 T.K. tany ho any i Mosesy, ary izy no olona “be fandeferana indrindra” tamin’izany. (Nom. 12:3) Nomena andraikitra tena lehibe izy. Nanampy azy anefa ny fanahin’Andriamanitra mba hahafahany haminany, hitsara, hanoratra Baiboly, hitarika ny firenen’Israely, ary hanao fahagagana. (Vakio ny Isaia 63:11-14.) Nitaraina anefa izy, indray mandeha, hoe navesatra loatra ny andraikiny hitondra an’ilay vahoaka. (Nom. 11:14, 15) ‘Nakan’i Jehovah’ àry ny fanahy tao aminy, ka nataony tao amin’ny lehilahy 70, mba hahafahan’izy ireo hanampy azy. (Nom. 11:16, 17) Na dia nihevitra aza i Mosesy hoe navesatra ny andraikiny, dia tsy izy irery no nitondra an’ilay andraikitra, fa teo ny fanahy masina. Nanampy an’ireo 70 lahy koa ny fanahin’i Jehovah.
4 Ampy tsara ny fanahy masina tao amin’i Mosesy teo aloha. Mbola nanana fanahy araka izay nilainy anefa izy, na dia taorian’ilay fiovana aza. Tsy hoe lasa kely loatra ny fanahy tao aminy, ary tsy hoe lasa be loatra ny an’ireo 70 lahy. Omen’i Jehovah fanahy masina arakaraka izay ilaintsika, sy arakaraka ny toe-javatra misy antsika, koa àry isika. “Feno hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” izy, ka ‘tsy mba kahihitra rehefa manome ny fanahiny.’—Jaona 1:16; 3:34.
5 Miaritra fitsapana ve ianao izao? Sa mihabetsaka ny andraikitrao, ka lasa tery be ny fotoananao? Sa ianao miezaka mafy hanome izay ilain’ny ankohonanao eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo, nefa tsapanao koa fa mihabetsaka ny vola ilainao na miharatsy ny fahasalamanao? Sa ianao miantsoroka andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana? Matokia Rom. 15:13.
fa afaka manome anao ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fanahiny.—Nanampy an’i Bezalila ny fanahy masina
6-8. a) Inona no vitan’i Bezalila sy Oholiaba, noho ny fanampian’ny fanahy masina? b) Inona no porofo fa notarihin’ny fanahy masina i Bezalila sy Oholiaba? d) Nahoana no tena mampahery antsika ny zavatra niainan’i Bezalila?
6 Niara-belona tamin’i Mosesy i Bezalila, ary niasa taminy koa ny fanahin’i Jehovah. (Vakio ny Eksodosy 35:30-35.) Nisy zavatra maro nilaina tao amin’ny tranolay masina, ka izy no nasaina nitarika ny asa fanamboarana azy ireny. Efa nahay asa tanana ve izy talohan’izay? Mety ho izany, kanefa nanao biriky ho an’ny Ejipsianina angamba no asa farany nataony. (Eks. 1:13, 14) Ahoana àry no nahavitany an’ilay asa sarotra nampanaovina azy? ‘Nofenoin’i Jehovah ny fanahiny izy, mba hananany fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany, ka hahafahany hamoron-javatra sy hanamboatra taozavatra isan-karazany.’ Mety ho efa nanan-talenta tamin’ny asa tanana i Bezalila, kanefa lasa nahay kokoa izy noho ny fanampian’ny fanahy masina. Toy izany koa i Oholiaba. Tena lasa nahay be ry zareo, matoa nahavita ny asa nampanaovina azy sady nampianatra ny hafa koa. ‘Nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny fahaiza-mampianatra.’
7 Nateza be ny asa vitan’i Bezalila sy Oholiaba, ka porofo izany fa notarihin’ny fanahy izy ireo. Mbola nampiasaina ny zavatra nataon’izy ireo, na dia 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana aza. (2 Tan. 1:2-6) Tsy nasiany marika na nasiany ny anarany ny zava-bitany, toy ny fanaon’ireo mpanao asa tanana ankehitriny mba hampahalaza ny tenany. I Jehovah no nomen’izy ireo voninahitra.—Eks. 36:1, 2.
8 Mety hampanaovina asa sarotra mitaky fahaizana manokana koa isika ankehitriny. Ohatra hoe manorina Efitrano Fanjakana, mandamina fivoriambe, mikarakara tra-boina, na voatendry hanazava amin’ny dokotera hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny fampiasana ny ra. Marina fa olona tena mahay no manao an’ireo asa ireo indraindray. Mpiasa an-tsitrapo tsy manana fahaizana manokana anefa matetika, no manao an’ilay izy. Ny fanahin’Andriamanitra no manampy azy ireo, ka mahomby ny ezaka ataony. Efa nisy ve fanendrena na andraikitra nomena anao, nefa miahotra ianao satria mieritreritra hoe misy olon-kafa mahay kokoa afaka manao an’ilay izy? Raha izany no izy, dia tadidio fa afaka mampitombo ny fahaizanao ny fanahin’i Jehovah, ka afaka manampy anao hahavita an’izay asa anendrena anao, na inona izany na inona.
Nahomby i Josoa noho ny fanampian’ny fanahy
9. Inona no nitranga taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, ary inona no fanontaniana nipoitra vokatr’izany?
9 Nisy lehilahy iray koa niara-belona tamin’i Mosesy sy Bezalila, ary niasa taminy koa ny fanahin’Andriamanitra. Vao avy niala tany Ejipta ny vahoakan’i Jehovah tamin’io fotoana io, ary nanafika azy ireo tsy amin’antony ny Amalekita. Tsy maintsy niady àry izy ireo, na dia mbola tsy niady mihitsy aza taorian’ny nanafahana azy. (Eks. 13:17; 17:8) Nila mpitari-tafika ny Israelita tamin’izay. Iza anefa?
10. Nahoana no nandresy ny Israelita?
10 I Josoa no voafidy. Inona anefa no hainy momba ny ady? Andevo mpiasa tany izy taloha, mpanafangaro mololo, ary mpanangona mana. Mpiadidy ny fokon’i Efraima i Elisama raibeny, ary toa nitarika miaramila 108 100 avy tamin’ny foko telo mitambatra. (Nom. 2:18, 24; 1 Tan. 7:26, 27) Nilaza tamin’i Mosesy anefa i Jehovah fa tsy i Elisama, na i Nona rain’i Josoa, no hitarika an’ilay tafika, fa i Josoa. Naharitra tontolo andro ilay ady. Nankatò tanteraka an’i Jehovah i Josoa sady nanaiky ny fitarihan’ny fanahy masina, ka nandresy ny Israelita.—Eks. 17:9-13.
11. Inona no hanampy antsika hahomby toa an’i Josoa, eo amin’ny fanompoana masina ataontsika?
11 “Feno fanahim-pahendrena” koa i Josoa Deot. 34:9) Tsy nanampy azy haminany na hanao fahagagana toa an’i Mosesy ny fanahy masina. Nanampy azy kosa izy io hitarika ny Israelita tamin’ireo ady maro nataony, mba hahazoana ny tany Kanana. Mety hahatsapa koa isika hoe tsy zatra na tsy mahay ny asa sasany mifandray amin’ny fanompoana masina ataontsika. Afaka matoky toa an’i Josoa anefa isika fa hahomby, raha manaraka tsara ny toromarik’Andriamanitra.—Jos. 1:7-9.
tatỳ aoriana, rehefa nandimby an’i Mosesy. (“Tonga tamin’i Gideona ny fanahin’i Jehovah”
12-14. a) Inona no lesona tsoahantsika rehefa mahita hoe nandresy an’ireo Midianita maro be ireo Israelita 300 lahy? b) Inona no nataon’i Jehovah mba hanomezana toky an’i Gideona? d) Inona no fanampiana omen’i Jehovah antsika ankehitriny?
12 Mbola nasehon’i Jehovah fa afaka manampy an’ireo tsy mivadika aminy ny fanahiny, taorian’ny nahafatesan’i Josoa. Feno tantaran’ireo olona “nalemy nefa tonga mahery” ny bokin’ny Mpitsara. (Heb. 11:34) Misy tantaran’i Gideona, ohatra, ao. Nandrisika azy tamin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah, mba hiady ho an’ny vahoakany, rehefa nanafika ny Israelita ny Midianita. (Mpits. 6:34) Ampahefatry ny miaramila midianita ny isan’ny miaramilan’i Gideona tamin’izay. Mbola be loatra izany tamin’i Jehovah, ka nahena. Mbola nasainy nahena fanindroany indray anefa izany, ka lasa Israelita 1 isaky ny Midianita 450. Izay i Jehovah vao afa-po! (Mpits. 7:2-8; 8:10) Raha mandresy amin’io ady io ny Israelita, dia tsy misy afaka milaza hoe noho ny ezaka nataony na ny fahaizany no nahatonga izany.
13 Ahoana raha anisan’io tafika vitsy kely io ianao? Nanao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa nesorina ireo olona natahotra sy tsy mailo? Nilamin-tsaina ve ianao sa nitebiteby be teo am-piandrasana izay hitranga? Tsy voatery maminavina ny fihetseham-pon’i Gideona isika. Tsy natahotra mihitsy izy, matoa nataony izay rehetra nasaina nataony. (Vakio ny Mpitsara 7:9-14.) Nangataka famantarana tamin’i Jehovah i Gideona talohan’ilay ady, mba hahazoany antoka hoe hanohana azy i Jehovah. Tsy nanome tsiny azy i Jehovah tamin’izay. (Mpits. 6:36-40) Nanatanjaka ny finoan’i Gideona kosa aza izy.
14 Tena be dia be, tsy hita lany, ny hery hamonjen’i Jehovah, ka afaka mamonjy antsika vahoakany izy na inona na inona olana manjo antsika. Mety hampiasa an’ireo olona heverina ho malemy mihitsy aza izy, mba hamonjena ny mpanompony. Mety ho tsapantsika indraindray hoe be dia be ny olona manohitra antsika, na hoe tsy afa-manoatra intsony isika. Tsy manantena hahazo famantarana mahagaga toa an’i Gideona isika, kanefa mahazo tari-dalana be dia be sy fampaherezana amin’ny alalan’ny Tenin’i Jehovah sy amin’ny alalan’ny fiangonana tarihin’ny fanahiny. (Rom. 8:31, 32) Manatanjaka ny finoantsika ny fanomezan-toky avy amin’i Jehovah, ka lasa miaiky isika fa izy no tena Mpanampy antsika.
“Tonga tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah”
15, 16. Nahoana no nanana toe-tsaina tsara ny zanak’i Jefta? Ary inona no fampaherezana azon’ireo ray aman-dreny avy amin’izany?
15 Diniho koa ny ohatr’i Jefta. ‘Tonga taminy ny fanahin’i Jehovah’, rehefa niady tamin’ny Israelita ny Amonita. Te handresy mafy i Jefta mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah, ka nanao voady lehibe izy. Nivoady izy hoe raha havelan’i Jehovah handresy izy, dia homeny an’i Jehovah izay olona mivoaka voalohany ao an-tranony, rehefa mody izy. Nandresy tokoa izy, nefa ny zanany vavy no nivoaka voalohany. (Mpits. 11:29-31, 34) Tsy nampoizin’i Jefta ve izany? Tsy dia izay loatra, satria tsy nanan-janaka afa-tsy io izy. Nefainy ny voadiny, ka vonona handefa an’ilay zanany hanompo tany amin’ny toerana masina tany Silo izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa ilay zanany, ka vonona hanatanteraka ny voadin-drainy. (Vakio ny Mpitsara 11:36.) Nanome azy ireo ny hery nilainy ny fanahin’i Jehovah.
16 Inona no nanampy ny zanak’i Jefta hahafoy tena toy izany? Azo antoka fa nanatanjaka
ny finoany ny zotom-po sy ny fahafoizan-tenan’ny rainy ho an’Andriamanitra. Ry ray aman-dreny, hitan’ny zanakareo ny modely tsara omenareo. Hitany amin’ny fanapahan-kevitra raisinareo fa mino ny zavatra lazainareo ianareo. Hitan’ny zanakareo ny vavaka avy amin’ny fo ataonareo, ny fomba fampianatrareo, ary ny fanompoanareo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Azo inoana fa haniry hanompo an’i Jehovah ny zanakareo, rehefa mahita an’ireny ohatra avelanareo ireny. Tena hahafaly anareo izany!“Niasa tamin’i Samsona ny fanahin’i Jehovah”
17. Inona no vitan’i Samsona, noho ny fanahin’Andriamanitra?
17 Diniho indray ny ohatr’i Samsona. “Nanomboka nanentana azy ny fanahin’i Jehovah”, mba hanavotra ny Israelita tamin’ny Filistinina. (Mpits. 13:24, 25) Nahazo hery be dia be i Samsona, ka nahavita zavatra nampitolagaga. Hita, ohatra, izany, rehefa nisy Israelita nisambotra azy sy nanolotra azy tamin’ny Filistinina. ‘Niasa taminy ny fanahin’i Jehovah, ka lasa toy ny kofehy rongony main’ny afo ny tady teny amin’ny sandriny, hany ka nitsonika niala tamin’ny tanany ny tady namatorana azy.’ (Mpits. 15:14) Na dia tsy natanjaka intsony aza izy tatỳ aoriana noho ny fahadisoana nataony, dia mbola nahazo hery ihany izy noho ny ‘finoany.’ (Heb. 11:32-34; Mpits. 16:18-21, 28-30) Niavaka ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah tamin’i Samsona, noho ny zava-nisy tamin’izany andro izany. Marina fa tsy hahazo hery miavaka be toa an’i Samsona isika, kanefa mampahery antsika ny tantarany. Amin’ny fomba ahoana?
18, 19. a) Nahoana no mampahery antsika ny zava-nitranga tamin’i Samsona? b) Inona no soa noraisinao, rehefa avy nandinika ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny isika?
18 Mino isika hoe hanampy antsika ny fanahy masina, toy ny tamin’i Samsona. Matoky isika fa hanampy antsika izy io mba hanao an’ilay asa nasain’i Jesosy natao, dia ny ‘hitory sy hanazava tsara’ ny fahamarinana. (Asa. 10:42) Mety ho sarotra amintsika io asa io, ka faly isika hoe omen’i Jehovah ny fanahiny mba hahavitantsika izay rehetra asainy atao eo amin’ny fanompoana azy. Vokatr’izany, dia afaka milaza toa an’i Isaia isika hoe: “Nirahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony aho, ary nirahiny koa ny fanahiny.” (Isaia 48:16) Ataontsika amin’ny fo ilay asa nanendrena antsika, ary matoky isika fa hampitomboin’i Jehovah ny fahaizantsika, toy ny nataony tamin’i Mosesy sy Bezalila ary Josoa. Mampiasa “ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra” koa isika, sady matoky fa hanome hery antsika izy, toy ny nataony tamin’i Gideona sy Jefta ary Samsona. (Efes. 6:17, 18) Ary raha mitoky amin’i Jehovah isika rehefa manana olana, dia homeny hery be dia be isika mba hahavitantsika ny asany, toy ny nataony tamin’i Samsona.
19 Hita tato amin’ity lahatsoratra ity fa tahin’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, ary hatanjaka ny finoantsika rehefa manaiky hiasan’ny fanahy masina isika. Niasan’ny fanahin’i Jehovah koa ireo mpanompony tamin’ny taonjato voalohany, ary voarakitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny tantaran’izy ireo. Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Inona no fampaherezana azonao rehefa nandinika ny asan’ny fanahy masina tamin’i...
• Mosesy?
• Bezalila?
• Josoa?
• Gideona?
• Jefta?
• Samsona?
[Fanontaniana]
[Teny notsongaina, pejy 22]
Toa an’i Samsona, dia homen’ny fanahy masina hery be dia be isika mba hahavitantsika ny asan’Andriamanitra
[Sary, pejy 21]
Ry ray aman-dreny, misy vokany eo amin’ny zanakareo ny zotom-ponareo