Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tenanao ve no Tianao Kokoa sa i Jehovah?

Ny Tenanao ve no Tianao Kokoa sa i Jehovah?

Ny Tenanao ve no Tianao Kokoa sa i Jehovah?

“Ianao irery ihany ... no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—SAL. 83:18.

1, 2. Na dia zava-dehibe aza ny mahalala ny anaran’i Jehovah, inona koa no tsy maintsy ataontsika raha te ho voavonjy isika?

OVIANA ianao no nahafantatra voalohany ny anarana hoe Jehovah? Tamin’ny ianao nampisehoana voalohany ny Salamo 83:18 angamba. Izao no voalaza ao: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Azo inoana fa nampiasa an’io andininy io koa ianao taorian’izay, mba hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana.—Rom. 10:12, 13.

2 Ilaina ny mahalala ny anarana hoe Jehovah, nefa tsy ampy izany. Misy zavatra hafa tena ilaina koa mba hahazoana famonjena. Hoy mantsy ny mpanao salamo: “Ianao irery ihany ... no Avo Indrindra Ambonin’ny tany manontolo.” I Jehovah tokoa no ambony indrindra eran’izao rehetra izao. Izy no namorona ny zava-drehetra, ka zony ny mitaky hoe tokony hankatò azy tanteraka ny zavaboariny rehetra. (Apok. 4:11) Mila mankatò azy tanteraka àry isika. Mba hanampy antsika amin’izany, dia ilaina ny manontany tena hoe: ‘Manaiky ve aho hoe i Jehovah no Avo Indrindra, ka izy no tiako kokoa noho ny tenako?’ Mila mandinika tsara izay havalintsika an’io fanontaniana io isika.

Ilay raharaha nipoitra tao Edena

3, 4. Ahoana no fomba namitahan’i Satana an’i Eva, ary inona no vokany?

3 Zava-dehibe io fanontaniana io, rehefa jerena izay nitranga tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nilaza i Jehovah fa tsy azo ihinanana ny voan’ny hazo iray. Namitaka an’i Eva anefa ny anjely nikomy iray, izay lasa nantsoina hoe Satana Devoly. Nataony izay hahatonga an’i Eva hieritreritra hoe zava-dehibe noho ny didin’i Jehovah ny faniriany. (Gen. 2:17; 2 Kor. 11:3) Voafitaka i Eva, ary nasehony tamin’izany fa tsy nanaja ny zon’i Jehovah hitondra izy. Ny tenany no tiany kokoa noho i Jehovah. Ahoana no fomba namitahan’i Satana an’i Eva?

4 Nampiasa tetika an-kolaka maromaro izy rehefa niresaka tamin’i Eva. (Vakio ny Genesisy 3:1-5.) Voalohany, tsy nampiasa ny anarana hoe Jehovah izy, fa nilaza fotsiny hoe “Andriamanitra.” Tsy mba nitovy tamin’ny mpanoratra ny Genesisy izy, izay nampiasa ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny andininy voalohany amin’ny Genesisy toko faha-3. Faharoa, tsy nanontany i Satana hoe inona no ‘didin’Andriamanitra’, fa nanontany fotsiny hoe inona no ‘notenenin’Andriamanitra.’ (Gen. 2:16) Tiany hohamaivanina angamba ilay didy nomen’i Jehovah. Fahatelo, nampiasa ny hoe ‘ianareo’ izy, na dia i Eva irery aza no niresahany. Te hanaitra ny hambom-pon’i Eva angamba izy. Nataony izay hahatonga an’i Eva hihevi-tena ho ambony, ka toy ny hoe i Eva no solontenan’izy mivady. Inona no vokany? Nanjary nihevitra angamba i Eva hoe afaka namaly teo amin’ny toeran’izy mivady izy, ka nilaza izy hoe: “Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay.”

5. a) Nataon’i Satana nifantoka tamin’ny inona i Eva? b) Inona no niharihary rehefa nihinana tamin’ilay voankazo voarara i Eva?

5 Naolan’i Satana koa ny zava-nisy. Nilaza izy hoe ‘ny voan’ny hazo rehetra tao amin’ilay zaridaina’ no tsy navelan’Andriamanitra hihinanana. Toa te hilaza izy hoe manao ny tsy rariny Andriamanitra. Nataony avy eo izay hieritreretan’i Eva momba ny tenany sy ny fomba hanatsarana ny fiainany. Nilaza izy fa afaka ny ho lasa “tahaka an’Andriamanitra” i Eva. Nanjary nifantoka tamin’ilay hazo sy ny voan’izy io àry i Eva, fa tsy niraharaha intsony ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ilay nanome azy ny zava-drehetra. (Vakio ny Genesisy 3:6.) Mampalahelo fa nihinana tamin’ilay voankazo i Eva. Naharihariny tamin’izany fa ny tenany no tiany kokoa noho i Jehovah.

Ilay raharaha nipoitra tamin’ny andron’i Joba

6. Inona no fiampangana nolazain’i Satana momba an’i Joba, ary navela hanao inona i Joba?

6 Nisy lehilahy tsy nivadika iray atao hoe Joba, taonjato maro tatỳ aoriana. Noresahin’i Jehovah tamin’i Satana ny momba azy, ka izao no navalin’i Satana: “Hatahotra an’Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao?” (Vakio ny Joba 1:7-10.) Tsy nilaza i Satana hoe tsy nankatò an’Andriamanitra i Joba. Ny antony nanosika an’i Joba hanompo an’i Jehovah kosa no nolazainy hoe ratsy. Nilaza izy fa tsy tena tia an’i Jehovah i Joba fa nitady tombontsoa ho an’ny tenany fotsiny. Navela hamaly izany fiampangana izany i Joba, sady izy irery ihany koa no afaka namaly azy io.

7, 8. Inona avy ny fitsapana nahazo an’i Joba, ary manaporofo inona ny tsy fivadihany sy ny fiaretany?

7 Navelan’i Jehovah hampijaly an’i Joba i Satana, ka nisy loza nisesy nahazo azy. (Joba 1:12-19) “Tsy nanota” anefa i Joba, na dia nitsimbadika toy izany aza ny fiainany. “Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra” koa izy. (Joba 1:22) Mbola tsy nangina ihany anefa i Satana, fa nilaza hoe: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” * (Joba 2:4) Te hilaza izy hoe raha ny vatan’i Joba mihitsy no marary, dia hivadika izy ka ny tenany no ho lasa tiany kokoa noho i Jehovah.

8 Voan’ny aretina naharikoriko i Joba, ka nahatsiravina ny nijery ny vatany. Nampirisihin’ny vadiny hanozona an’Andriamanitra koa izy mba ho faty. Nanendrikendrika azy ho nanao ratsy koa ny namany telo, izay niseho ho mpampionona azy. (Joba 2:11-13; 8:2-6; 22:2, 3) Tena nampijaly an’i Joba izany rehetra izany, nefa tsy nivadika izy. (Vakio ny Joba 2:9, 10.) Nasehony tamin’ny alalan’ny fiaretany sy ny tsy fivadihany fa i Jehovah no tiany kokoa noho ny tenany. Nasehony koa fa azon’ny olona tsy lavorary atao ny mamaly ny fiampangan’ny Devoly, eny fa na dia tsy amin’ny fomba tonga lafatra aza izany.—Ampitahao amin’ny Ohabolana 27:11.

Namaly an’ilay fiampangana tamin’ny fomba tonga lafatra i Jesosy

9. a) Ahoana no nampiasan’i Satana ny faniriana tao amin’i Jesosy mba hakana fanahy azy? b) Ahoana no niatrehan’i Jesosy an’ilay fakam-panahy?

9 Naka fanahy an’i Jesosy i Satana, tsy ela taorian’ny batisany, mba hahatonga an’i Jesosy ho tia kokoa ny tenany mihoatra noho ny fitiavany an’i Jehovah. Nisy fakam-panahy telo nataony. Nanararaotra ny fanirian’i Jesosy hisakafo izy, tamin’ilay fakam-panahy voalohany, ka nampirisika azy hanova ny vato ho mofo. (Mat. 4:2, 3) Vao avy nifady hanina 40 andro i Jesosy tamin’izay, ka noana be. Nasain’ny Devoly nampiasa ny fahaizany manao fahagagana àry i Jesosy, mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany hisakafo, na dia tsy izany aza no tokony hampiasana an’io fahaizana io. Nitadidy izay voalazan’ny Tenin’i Jehovah anefa i Jesosy, fa tsy nanao toa an’i Eva. Nanohitra avy hatrany an’ilay fakam-panahy izy.—Vakio ny Matio 4:4.

10. Nahoana i Jesosy no nampirisihin’i Satana hianjera avy teny an-tampon’ny mandan’ny tempoly?

10 Nampirisihin’i Satana hianjera avy teny an-tampon’ny mandan’ny tempoly i Jesosy, tamin’ilay fakam-panahy faharoa. (Mat. 4:5, 6) Nahoana? Mba hanaporofoana hoe “zanak’Andriamanitra” i Jesosy, raha tsy maratra. Hita amin’izany hoe tian’i Satana ho lasa tia tena i Jesosy. Tiany hieritreritra be momba ny lazany izy, ka hampideradera fahaizana. Fantany fa mora taomina hanao zavatra mampidi-doza ny olona, noho ny hambom-po sy ny fahatahorana ho afa-baraka. Nampiasainy tamin’ny fomba diso koa ny andinin-teny iray. Nasehon’i Jesosy anefa fa nahazo tsara ny Tenin’i Jehovah izy. (Vakio ny Matio 4:7.) Tsy nanaraka ny tenin’i Satana i Jesosy, ka voaporofony indray hoe i Jehovah no tiany kokoa noho ny tenany.

11. Nahoana i Jesosy no nanda rehefa natolotr’i Satana azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao?

11 Lany haika i Satana, ka izao sisa no fomba hitany hakana fanahy an’i Jesosy: Natolony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao. (Mat. 4:8, 9) Nanda avy hatrany anefa i Jesosy. Fantany mantsy fa raha manaiky izy, dia mandà ny zon’i Jehovah hitondra, izany hoe ny zon’Andriamanitra hitondra amin’ny maha Avo Indrindra azy. (Vakio ny Matio 4:10.) Marihina fa nampiasa andinin-teny nisy ny anaran’i Jehovah i Jesosy tamin’ireo fakam-panahy telo nataon’i Satana.

12. Nahoana i Jesosy no niady saina mafy? Inona anefa no nataony, ary inona no ianarantsika amin’izany?

12 Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra tena sarotra i Jesosy, rehefa nadiva hifarana ny fiainany teto an-tany. Marina fa efa nasehony nandritra ny fanompoany hoe vonona izy hanao sorona ny ainy. (Mat. 20:17-19, 28; Lioka 12:50; Jaona 16:28) Fantany anefa fa ho voaendrikendrika koa izy, homelohin’ny fitsarana jiosy, ary hovonoina toy ny mpanevateva an’Andriamanitra. Tena nampiady saina azy izany, ka nivavaka izy hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia esory amiko ity kaopy ity.” Hoy anefa izy avy eo: “Aoka tsy ny sitrapoko anefa no hatao, fa ny anao.” (Mat. 26:39) Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka voaporofo hoe i Jehovah no tiany kokoa noho ny tenany.

Ahoana no hamalianao an’ilay fiampangana?

13. Inona no lesona raisintsika tamin’ny fandinihana momba an’i Eva sy Joba ary Jesosy Kristy?

13 Inona no lesona raisintsika avy amin’izay nodinihintsika teo? Hitantsika tamin’ny nanjo an’i Eva hoe raha tsy mahafehy ny faniriantsika isika, na mihevi-tena ho ambony, dia midika izany fa ny tenantsika no tiantsika kokoa noho i Jehovah. Hitantsika tamin’ny tsy fivadihan’i Joba kosa fa na isika olona tsy lavorary aza afaka mampiseho hoe i Jehovah no tiantsika mihoatra noho ny tenantsika. Manaporofo izany isika raha miaritra sy tsy mivadika rehefa misy zava-tsarotra, na dia tsy azontsika tsara aza ny mahatonga ny olana mahazo antsika. (Jak. 5:11) Hita amin’ny ohatra navelan’i Jesosy koa fa tokony ho vonona ny halam-baraka isika, ary tsy tokony hieritreritra be loatra momba ny lazantsika. (Heb. 12:2) Ahoana no hampiharantsika an’ireo lesona ireo?

14, 15. Inona no tsy nitovizan’i Eva sy Jesosy rehefa nisy fakam-panahy, ary ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy? (Ampiasao ny sary eo amin’ny pejy 18.)

14 Aza manadino an’i Jehovah mihitsy rehefa misy fakam-panahy. Nifantoka tanteraka tamin’ilay voankazo voarara i Eva, ka nanjary hitany hoe “mahate hihinana ilay hazo sady mahafinaritra ny maso, eny, mahafinaritra ny mijery azy.” (Gen. 3:6) Tena nifanohitra tamin’izany ny nataon’i Jesosy! Nijery lavitra izy, rehefa nisy fakam-panahy. Noeritreretiny foana izay ho vokatry ny fanapahan-keviny. Niantehitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra koa izy ary nampiasa ny anaran’i Jehovah.

15 Ary ianao? Inona no ifantohanao rehefa alaim-panahy hanao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah? Raha mifantoka amin’ilay zavatra miteraka fakam-panahy ianao, dia vao mainka hihamafy ny fanirianao hanao ratsy. (Jak. 1:14, 15) Mila manao zavatra haingana àry isika mba hanesorana an’ilay faniriana ao am-pontsika. Tena ilaina izany, na dia voatery handray fepetra hentitra aza isika, toy ny hoe hanapaka rantsambatana. (Mat. 5:29, 30) Mila manahaka an’i Jesosy isika, ka hieritreritra ny ho vokatry ny fanapahan-kevitsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mitadidy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra koa isika. Amin’izay ihany isika vao ho afaka hanaporofo hoe i Jehovah no tiantsika kokoa mihoatra noho ny tenantsika.

16-18. a) Inona no mety hahatonga antsika ho tototry ny alahelo? b) Inona no hanampy antsika hiatrika toe-javatra mahakivy?

16 Aza tezitra amin’i Jehovah mihitsy na dia misy olana lehibe mahazo anao aza. (Ohab. 19:3) Mihabetsaka ny mpanompon’i Jehovah iharan’ny loza, arakaraka ny hanatonan’ny fandringanana an’ity tontolo ratsy ity. Tsy manantena isika hoe harovan’i Jehovah amin’ny fomba mahagaga. Mety ho tototry ny alahelo toa an’i Joba anefa isika, rehefa mamoy ny havan-tiantsika, na isika mihitsy no manana olana.

17 Tsy azon’i Joba hoe nahoana i Jehovah no namela ny zavatra sasany hitranga. Mety tsy ho azontsika koa indraindray hoe nahoana no mitranga ny zava-dratsy sasany. Angamba ianao efa naheno hoe nisy rahalahy tsy mivadika maty noho ny hetraketraky ny natiora, toy ilay horohoron-tany tany Haïti. Angamba koa ianao mahalala rahalahy na anabavy tsy mivadika, naratra na maty noho ny herisetra na loza nahatsiravina. Mety ho ianao mihitsy koa no miatrika toe-javatra mahakivy na heverinao hoe tsy rariny. Mety halahelo mafy ianao, ka hitaraina hoe: ‘Fa nahoana Jehovah ô? Nahoana no izaho no tratran’izao? Fa inona no tsy nety nataoko?’ (Hab. 1:2, 3) Inona no hanampy antsika hiatrika an’izany?

18 Tsy tokony hieritreritra isika hoe matoa mitranga ny zavatra toy izany dia satria tsy ankasitrahan’i Jehovah isika. Nanamafy an’izany i Jesosy, rehefa niresaka momba ny loza roa nitranga tamin’ny androny. (Vakio ny Lioka 13:1-5.) Maro ny loza mitranga noho ny ‘sampona.’ (Mpito. 9:11) Na inona na inona anefa mety hahakivy antsika, dia afaka miatrika an’izany isika raha miantehitra amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Homeny hery isika mba hanampiana antsika tsy hivadika mihitsy.—2 Kor. 1:3-6.

19, 20. Inona no nanampy an’i Jesosy hiatrika toe-javatra nanala baraka? Inona koa no hanampy antsika rehefa tojo toe-javatra toy izany?

19 Aza manaiky ho resin’ny hambom-po na ny fahatahorana ho afa-baraka. Nanetry tena i Jesosy, ka nahavita ‘namoy ny zava-drehetra sy naka ny endriky ny mpanompo.’ (Fil. 2:5-8) Afaka niatrika toe-javatra maro nanala baraka izy, satria niantehitra tamin’i Jehovah. (1 Pet. 2:23, 24) Nasehony tamin’izany fa ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe indrindra taminy. Vokatr’izany, dia nasandratra ho amin’ny toerana ambony kokoa izy. (Fil. 2:9) Nampirisika ny mpanara-dia azy koa i Jesosy mba hanahaka azy.—Mat. 23:11, 12; Lioka 9:26.

20 Mety hahamenatra ny fitsapam-pinoana sasany. Tokony hanana herim-po hiatrehana an’izany anefa isika, toy ny apostoly Paoly izay nilaza hoe: “Izany indrindra koa no iaretako ireny zavatra ireny. Tsy menatra anefa aho. Fantatro mantsy ilay inoako, ary matoky aho fa vitany ny miaro an’izay nankiniko taminy mandra-pahatongan’izany andro izany.”—2 Tim. 1:12.

21. Tapa-kevitra ny hanao inona isika, na dia tia tena aza ny ankamaroan’ny olona?

21 Milaza ny Baiboly fa “ho tia tena” ny olona amin’ny androntsika. (2 Tim. 3:2) Tsy mahagaga àry raha tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany ny olona manodidina antsika. Enga anie ka tsy hifindra amintsika izany toe-tsaina izany! Aoka isika tsirairay ho tapa-kevitra hampiseho hoe tiantsika mihoatra noho ny tenantsika i Jehovah, na rehefa misy fakam-panahy izany, na loza, na rehefa misy olona manao izay hahamenatra antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Inona no dikan’ny hoe “hoditra solon’ny hoditra”? Mihevitra ny manam-pahaizana sasany momba ny Baiboly hoe “aina” no dikan’ilay hoe “hoditra.” Mihevitra izy ireo fa te hilaza i Satana hoe tia tena i Joba, ka raha mbola velona ny ainy, dia tsy hampaninona azy raha toa ny zanany sy ny bibiny ka mamoy ny ainy. Toy izao kosa no fahazoan’ny hafa azy io: Ho vonona hamoy ny ampahany amin’ny hodiny ny olona iray, raha izay no hahavoavonjy ny ainy (na ny “hodiny”). Raha misy mitady hamely eo amin’ny lohany, ohatra, ny olona iray, dia mety hampiakatra ny tanany izy mba hiarovan-tena. Mety hiendaka kely ny hodiny amin’izay, fa ho avotra kosa ny ainy. Na ahoana na ahoana, dia azo inoana fa te hilaza io tenin’i Satana io hoe tsy hampaninona an’i Joba ny hamoy ny zava-drehetra raha mbola avotra ny ainy.

Inona no Lesona Raisintsika Rehefa Mandinika...

• ny fomba namitahan’i Satana an’i Eva?

• izay nataon’i Joba rehefa nanana olana lehibe izy?

• ny zavatra tena nifantohan’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Tsy nifantoka tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah i Eva

[Sary, pejy 18]

Nanohitra ny fakam-panahy nataon’i Satana i Jesosy, ary nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah

[Sary, pejy 20]

Mitety tranolay mitory ny vaovao tsara, taorian’ilay horohoron-tany tany Haïti

Afaka miantehitra amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” isika amin’ny fotoam-pahoriana