Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Katsaho Foana Aloha ny “Fahamarinany”

Katsaho Foana Aloha ny “Fahamarinany”

Katsaho Foana Aloha ny “Fahamarinany”

“Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—MAT. 6:33.

1, 2. Inona no atao hoe fahamarinan’Andriamanitra, ary inona no mahatonga azy hanao ny marina?

HOY i Jesosy Kristy tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany.” (Mat. 6:33) Mahalala tsara an’io fampirisihana io isika Vavolombelon’i Jehovah. Asehontsika eo amin’ny fiainantsika manontolo fa tiantsika ilay Fanjakana, ary tsy te hivadika amin’izy io isika. Mila mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra koa anefa isika. Inona no atao hoe fahamarinan’Andriamanitra, ary inona no dikan’ny hoe mikatsaka azy io alohan’ny zava-drehetra?

2 Azo adika hoe “rariny” na “hitsiny” ilay teny grika nadika hoe ‘fahamarinana.’ Ny fahamarinan’Andriamanitra àry dia izay marina sy mahitsy araka ny hevitr’Andriamanitra. I Jehovah no Mpamorona, ka izy no manan-jo hamaritra ny atao hoe tsara na ratsy sy ny hoe mety na tsy mety. (Apok. 4:11) Tsy hoe manome lalàna sarotra arahina na fitsipika tsy hita isa anefa Andriamanitra. Hita avy amin’ny fitsipika omeny kosa fa manao ny marina izy, ary ny toetrany no mahatonga azy hanao izany. Toetra mampiavaka azy ny fitiavana, fahendrena, fanaovana ny rariny, ary ny hery. Anisan’ny fahamarinan’Andriamanitra koa ny sitrapony sy ny fikasany ary ny zavatra takiny amin’ny mpanompony.

3. a) Inona no dikan’ny hoe mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra? b) Nahoana isika no manaraka ny fitsipiny?

3 Mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra isika, rehefa manao ny sitrapony mba hampifaliana azy. Mila miezaka manaraka ny fitsipiny tonga lafatra isika, fa tsy manao izay tiantsika fotsiny. (Vakio ny Romanina 12:2.) Tsy hoe matahotra ny ho voasazy anefa isika matoa manao izany. Manaraka ny fitsipiny kosa isika satria mifandray akaiky aminy, izany hoe tia azy. Fantatsika fa tokony hankatò an’i Jehovah isika, satria efa izay mihitsy no namoronana antsika. Tsy maintsy tia ny fahamarinana isika, toa an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Heb. 1:8, 9.

4. Nahoana no tena ilaina ny mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra?

4 Tena ilaina ve ny mikatsaka ny fahamarinan’i Jehovah? Diniho izao: Tamin’i Adama sy Eva mbola tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia tian’i Jehovah ho hita raha eken’izy mivady na tsia ny zony hanome fitsipika. (Gen. 2:17; 3:5) Tsy nanaiky an’io zon’i Jehovah io izy ireo, ka lasa mijaly sy maty ny taranany rehetra. (Rom. 5:12) Raha mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra anefa isika, dia hifandray akaiky aminy, ary ho voavonjy. (Rom. 3:23, 24) Hoy mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Izay mikatsaka fahamarinana sy hatsaram-panahy feno fitiavana dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.”Ohab. 21:21.

Aza mihevi-tena ho marina

5. Inona no tsy tokony hataontsika?

5 Misy zavatra tsy tokony hataontsika raha tiantsika ny hikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra. Hoy ny apostoly Paoly momba ny Jiosy, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina: “Mijoro ho vavolombelona aho fa mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara. Koa satria tsy nahalala ny fahamarinan’Andriamanitra izy fa nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra.” (Rom. 10:2, 3) Milaza i Paoly eo hoe tsy tena azon’ireo mpivavaka ireo ny atao hoe fahamarinan’Andriamanitra, satria variana loatra nanamarina ny tenany izy ireo, izany hoe variana nanaporofo fa izy no tena olo-marina.

6. Inona no tsy tokony hataontsika mba tsy hihevi-tena ho marina isika, ary nahoana?

6 Mety hanjary hihevi-tena ho marina isika, raha mampitaha ny fanompoana vitantsika amin’ny an’ny hafa ary mifaninana aminy. Nahoana? Mety hihevitra isika hoe isika no tena mahay sy mahavita be. Lasa tsy mikatsaka ny fahamarinan’i Jehovah intsony anefa isika amin’izay. (Gal. 6:3, 4) Ny fitiavana an’i Jehovah no tokony ho antony anompoantsika azy. Tsy tena tia azy isika raha miseho ho marina.—Vakio ny Lioka 16:15.

7. Inona no nataon’i Jesosy mba hanitsiana an’ireo nihevi-tena ho marina?

7 Hitan’i Jesosy fa nisy olona “nihevi-tena ho marina ka nanao tsinontsinona ny hafa.” Nanao an’ity fanoharana ity izy mba hanitsiana azy ireo: “Nisy roa lahy niakatra nankao amin’ny tempoly mba hivavaka. Ny anankiray Fariseo ary ny anankiray mpamory hetra. Dia nitsangana ilay Fariseo ka nivavaka anakampo hoe: ‘Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba toy ny olon-kafa rehetra izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpanitsakitsa-bady, na toa an’itsy mpamory hetra itsy akory aza. Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary manome ny ampahafolon’ny zava-drehetra azoko.’ Nijoro lavidavitra kosa ilay mpamory hetra, ary tsy sahy niandrandra ny lanitra, fa nikapo-tratra foana ka nanao hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.’ Lazaiko aminareo fa izany lehilahy izany no hita fa marina noho ilay anankiray, rehefa nidina tany an-tranony. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Lioka 18:9-14.

“Aza marina loatra”

8, 9. Inona no dikan’ny hoe “marina loatra”, ary mety hanao inona ny olona toy izany?

8 Mbola misy zavatra hafa koa tsy tokony hataontsika. Hoy ny Mpitoriteny 7:16: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra. Fa nahoana no dia hanimba tena ianao?” Nahoana isika no tsy tokony ho “marina loatra”? Hoy ny andininy faha-20: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” Mamorona fitsipika momba izay mety sy tsy mety ny olona “marina loatra”, ary manakiana an’izay tsy manaraka izany. Tsy fantany anefa fa raha manao izany izy, dia toy ny milaza fa tsara noho ny an’Andriamanitra ny fitsipika noforoniny. Lasa tsy marina eo anatrehan’Andriamanitra àry izy.

9 Raha “marina loatra” koa isika, dia mety hisalasala raha ara-drariny na tsia ny zavatra ataon’i Jehovah. Tsy tokony hohadinointsika anefa fa lasa mihevitra ny tenantsika ho marina kokoa noho izy isika, raha manakiana ny fanapahan-keviny. Toy ny hoe mitsara an’i Jehovah isika, satria tsy mifanaraka amin’izay heverintsika fa mety ny zavatra ataony. I Jehovah anefa no manan-jo hilaza hoe inona no marina sy ara-drariny, fa tsy isika!—Rom. 14:10.

10. Inona no mety hahatonga antsika hitsara an’Andriamanitra?

10 Marina aloha fa tsy misy amintsika te hitsara an’Andriamanitra. Tsy lavorary anefa isika, ka mety hanao izany ihany, indrindra rehefa mahita zavatra heverintsika fa tsy rariny, na rehefa mafy ny mahazo antsika. Nitsara an’i Jehovah, ohatra, i Joba, na dia lehilahy tsy nivadika aza. Milaza ny Baiboly fa “tsy nanan-tsiny izy, sady marina sy natahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.” (Joba 1:1) Nisy loza nisesisesy anefa nihatra taminy, ary hitany hoe tsy rariny ny nahazo azy. Nahateny àry i Joba hoe “ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.” (Joba 32:1, 2) Tsy maintsy nahitsin’i Jehovah izy. Toa an’i Joba, dia mety hitsara an’i Jehovah koa isika indraindray. Inona no tokony hataontsika amin’izay?

Tsy mahalala ny zava-drehetra isika

11, 12. a) Inona no tokony hotadidintsika rehefa misy zava-mitranga heverintsika fa tsy rariny? b) Nahoana isika no mety hieritreritra fa tsy rariny ny nataon’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

11 Misy zavatra roa tokony hotadidina. Voalohany, tsy voatery hahalala ny zava-drehetra foana isika. Maro, ohatra, ny zavatra tsy fantatr’i Joba. Tsy fantany fa nivory imbetsaka ny anjely tany an-danitra, ary nanendrikendrika azy i Satana tamin’izany. (Joba 1:7-12; 2:1-6) Tsy hain’i Joba koa fa avy tamin’i Satana ny loza nanjo azy. Angamba aza tsy fantany akory i Satana! Nihevitra àry izy fa Andriamanitra no nampijaly azy. Mora diso hevitra tokoa ny olona rehefa tsy mahalala ny zava-misy rehetra.

12 Diniho, ohatra, ny fanoharana iray nataon’i Jesosy. Nohariny tamin’ny lehilahy nanana tanimboaloboka i Jehovah ao amin’izy io. (Vakio ny Matio 20:8-16.) Nataon’ilay lehilahy nitovy daholo ny karaman’ny mpiasany, na niasa tontolon’ny andro izy ireo, na adiny iray monja. Rariny ve izany? Mampalahelo anao angamba ireo niasa tontolon’ny andro sy niaritra hafanam-be. Mety hiteny ianao hoe: ‘Tokony ho nampitomboina kosa ny karamany e!’ Mety hihevitra ianao fa ratsy fanahy sy nanao ny tsy rariny ilay lehilahy. Hoatran’ny hoe nanararaotra ny fahefany koa izy, rehefa jerena ny valin-teniny tamin’ireo nitaraina. Tsy mahalala ny zava-drehetra tao an-tsain’ilay lehilahy anefa isika.

13. Inona no nety ho nahatonga an’ilay lehilahy hanome karama iray andro an’ireo tsy niasa afa-tsy adiny iray?

13 Sao dia mba nalahelo an’ireo mpiasa niditra farany kosa ilay lehilahy? Azo inoana fa fantany hoe mamelom-bady aman-janaka daholo ny mpiasany. Nomena karama isan’andro ny mpiasa, tamin’ny andron’i Jesosy. Niandry ny vola azony tamin’iny andro iny ny vady aman-janany vao afaka nividy sakafo. Eritrereto àry ny olana nahazo an’ireo mpiasa niditra farany. Efa tara be izy ireo vao nahita asa, ka nanjary tsy niasa afa-tsy adiny iray. Tsy hahavidy sakafo ampy ho an’ny vady aman-janany akory angamba, raha karama adiny iray monja. Vonona ny hiasa anefa izy ireo, ka niandry tontolon’ny andro sao mba hisy hanakarama ihany. (Mat. 20:1-7) Tsy fidiny azy ny tsy nahazo asa nandritra ny andro. Tsy voalaza koa hoe kamo hiasa izy ireo. Ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany? Efa ho hariva ny andro nefa ianao mbola tsy mahita asa foana. Ny vady aman-janakao anefa miandry anao vao afaka mividy sakafo. Faly erỳ ianao rehefa nahita asa, sady amin’izay indray ampy hividianan’ny ankohonanao sakafo ny vola azonao!

14. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny tanimboaloboka?

14 Tena tsy rariny ve ny zavatra nataon’ilay lehilahy? Tsia. Tsy nanambaka na iza na iza izy. Nomeny karama ampy tsara ny mpiasa rehetra, mba hameloman’izy ireo ny tenany sy ny fianakaviany. Ataon’ny mpampiasa kely karama mazàna ny mpiasa, rehefa be dia be ny olona mitady asa. Tsy nanao izany anefa ilay lehilahy. Ampy tsara ny vola nentin’ireo mpiasany nody. Mety tsy hanome tsiny an’ilay lehilahy intsony ianao, rehefa misaintsaina an’izany rehetra izany. Hita hoe tsara fanahy izy, ary tsy nanararaotra ny fahefany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety ho diso hevitra isika, raha tsy mandinika afa-tsy lafiny sasany amin’ny toe-javatra iray. Misongadina amin’iny fanoharana iny fa tonga lafatra ny fahamarinan’Andriamanitra. Tsy voatery hifanaraka amin’ny fitsipika efa misy ny zavatra ataony. Na be koa na kely ny zava-bitan’ny olona iray, dia tsy miankina amin’izany no amaliany soa azy.

Mety ho diso hevitra isika

15. Nahoana isika no diso hevitra indraindray? Nahoana koa no voafetra ny zavatra fantatsika?

15 Inona no lafin-javatra faharoa tokony hotadidina rehefa misy zava-mitranga heverintsika hoe tsy rariny? Mety ho diso hevitra isika, na koa voafetra ny zavatra fantatsika. Mety ho diso hevitra isika satria tsy lavorary, na mitsara an-tendrony. Mety hisy vokany eo amin’ny toe-tsaintsika koa ny kolontsaintsika. Voafetra ny zavatra fantatsika, satria tsy mahalala ny any an-tsain’ny olona sy ny any am-pony isika. Tsy mba toy izany kosa i Jehovah sy Jesosy.—Ohab. 24:12; Mat. 9:4; Lioka 5:22.

16, 17. Inona no nety ho nahatonga an’i Jehovah tsy hampihatra ny lalàny tamin’i Davida sy Batseba?

16 Andeha hodinihintsika ny tantaran’i Davida sy Batseba. (2 Sam. 11:2-5) Tokony ho novonoina ho faty izy ireo, raha ny Lalàn’i Mosesy no jerena. (Lev. 20:10; Deot. 22:22) Tsy nampihatra an’io lalàna io anefa i Jehovah, na dia nanasazy azy ireo ihany aza. Tsy rariny ve ny nataon’i Jehovah? Niangatra tamin’i Davida ve izy? Misy miteny an’izany rehefa mamaky an’ilay fitantarana.

17 Fantaro fa natao hampiasain’ny mpitsara tsy lavorary ilay lalàna momba ny fijangajangana. Tsy nahalala ny tany am-pon’ny olona mantsy izy ireo, ka nomena azy ilay lalàna mba tsy hiovaova ny didim-pitsarana avoakany. I Jehovah kosa mahalala ny any am-pon’ny olona. (Gen. 18:25; 1 Tan. 29:17) Tsy voatery hanaraka lalàna natao ho an’ny mpitsara tsy lavorary àry izy. Toy ny hoe manery olona tsy marary maso hanao solomaso izay mihevitra fa tokony hanaraka izany i Jehovah. Nahita ny tany am-pon’i Davida sy Batseba izy, ka fantany fa tena nibebaka izy ireo. Namindra fo sy tsara fanahy tamin’izy ireo àry izy, ka tsy namono azy ireo.

Katsaho foana ny fahamarinan’i Jehovah

18, 19. Inona no hanampy antsika tsy hitsara an’i Jehovah?

18 Ahoana àry raha mamaky tantara ao amin’ny Baiboly ianao, ka mihevitra hoe tsy rariny ny zavatra nataon’i Jehovah? Ahoana koa raha mieritreritra ianao fa tsy rariny ny nataony taminao? Tsy voatery hifanaraka foana amin’izay heverinao fa mety ny zavatra ataon’i Jehovah, ka tsy tokony hitsara azy ianao. Tadidio fa tsy voatery hahalala ny zava-drehetra foana ianao. Mety ho diso hevitra koa ianao, na voafetra ny zavatra fantatrao. Aza hadinoina mihitsy fa “ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra.” (Jak. 1:19, 20) Tsy ho ‘tezitra amin’i Jehovah’ ny fonao amin’izay.—Ohab. 19:3.

19 Aoka ianao hiaiky foana, toa an’i Jesosy, fa i Jehovah irery no manan-jo hamaritra ny atao hoe tsara sy marina. (Mar. 10:17, 18) Miezaha ‘hahalala tsara’ ny fitsipiny, ka araho izany. (Rom. 10:2; 2 Tim. 3:7) Manaova ny sitrapon’i Jehovah. Ho hita amin’izay fa mikatsaka ny “fahamarinany” alohan’ny zava-drehetra ianao.—Mat. 6:33.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no tena ilaina ny mikatsaka ny fahamarinan’i Jehovah?

• Inona ireo zavatra roa tsy tokony hataontsika?

• Inona no hataontsika raha mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ireo lehilahy nivavaka tao amin’ny tempoly?

[Sary, pejy 10]

Samy nomena karama nitovy na ireo niasa tontolon’ny andro na ireo niasa adiny iray. Tsy rariny ve izany?