Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’

‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’

‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’

“Feno fanahy masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.”—ASA. 4:31.

1, 2. Nahoana no tokony hataontsika tsara ny fanompoantsika?

HOY i Jesosy tamin’ny mpianany, telo andro talohan’ny nahafatesany: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” Nandidy azy ireo toy izao koa izy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’ Nampanantena i Jesosy fa homba azy ireo foana “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Mat. 24:14; 26:1, 2; 28:19, 20.

2 Mazoto mandray anjara amin’io asa natomboka tamin’ny taonjato voalohany io isika Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitoriana sy fampianarana no asa lehibe indrindra, satria mamonjy aina. Tokony hataontsika tsara àry io asa io! Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity, fa afaka manampy antsika ho sahy hitory ny fanahy masina. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka, fa afaka manampy antsika hahay hampianatra sy hitory tsy tapaka koa izy io.

Mila fahasahiana isika

3. Nahoana no ilana fahasahiana ny mitory?

3 Voninahitra lehibe ny mitory ilay Fanjakana satria asa avy amin’Andriamanitra. Sarotra anefa ny manao azy io indraindray. Mandray tsara ny hafatra torintsika ny olona sasany, nefa maro koa no toa an’ireo olona tamin’ny andron’i Noa. Nilaza i Jesosy fa “tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.” (Mat. 24:38, 39) Misy koa maneso na manohitra antsika. (2 Pet. 3:3) Mety ho manam-pahefana, mpiara-mianatra, mpiara-miasa, na havana akaiky mihitsy aza no manao izany. Tsy lavorary koa isika, ka mety ho menatra na hatahotra olona. Be dia be àry ny antony mahatonga antsika tsy ho “sahy” hitory ny tenin’Andriamanitra. (Efes. 6:19, 20) Mila fahasahiana isika raha te hitory hatrany. Inona no hanampy antsika?

4. a) Inona no atao hoe fahasahiana? b) Inona no nanampy ny apostoly Paoly hanana herim-po hitoriana tany Tesalonika?

4 Midika hoe “sahy miteny, tsy miolakolaka, mahitsy” ilay teny grika nadika hoe “sahy.” Be herim-po sy matoky tena ary tsy matahotra koa ny olona sahy. Tsy mivantambantam-piteny na hoe tsy mahalala fomba anefa izy. (Kol. 4:6) Mila mitandro fihavanana mantsy isika, na dia manana fahasahiana aza. (Rom. 12:18) Mila mahay mandanjalanja koa isika, mba tsy hanafintohina olona. Tsy maintsy miezaka mafy hanana an’ireo toetra hafa ireo àry isika, raha te ho sahy hitory. Tsy mety anefa raha miantehitra amin’ny fahaizantsika na ny herintsika fotsiny isika. Inona no nanampy ny apostoly Paoly sy ny namany ‘hisikina herim-po’, ka hitory tany Tesalonika, rehefa avy “nalam-baraka tany Filipy”? ‘Tamin’ny alalan’Andriamanitra’, hoy i Paoly. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:2.) Afaka manampy antsika tsy hatahotra sy ho sahy àry i Jehovah Andriamanitra.

5. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Petera sy Jaona ary ny mpianatra hafa ho be herim-po?

5 Rehefa notoherin’ny ‘mpitondra mbamin’ny anti-panahy sy ny mpanora-dalàna’ ny apostoly Petera sy Jaona, dia namaly hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” Tsy niangavy an’Andriamanitra hampitsahatra an’ilay fanenjehana izy ireo, fa niara-nivavaka tamin’ny mpiray finoana kosa hoe: “Jehovah ô, henoy ny fandrahonany, ary ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana be.” (Asa. 4:5, 19, 20, 29) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’izy ireo? (Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:31.) Nampiany tamin’ny alalan’ny fanahiny izy ireo mba ho be herim-po. Afaka manampy antsika koa io fanahy io. Ahoana àry no hahazoantsika azy io, ary ahoana no itarihan’izy io antsika rehefa manompo?

Inona no hanampy antsika ho sahy?

6, 7. Inona no fomba tsotra indrindra hahazoana ny fanahin’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

6 Ny vavaka no fomba tsotra indrindra hahazoana ny fanahy masina. Hoy i Jesosy: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!” (Lioka 11:13) Mila mangataka ny fanahy masina foana àry isika. Mampatahotra anao ve ny mitory tsy ara-potoana na mitory eny an-dalana na eny amin’ireo orinasa? Mangataha ny fanahin’i Jehovah, ary iangavio izy hanampy anao ho be herim-po.—1 Tes. 5:17.

7 Izany no nataon’ny anabavy iray atao hoe Rosa. * Mpampianatra izy. Namaky lahatsoratra momba ny fampijaliana ankizy ny vehivavy iray mpiara-miasa taminy, indray andro. Nalahelo be ilay vehivavy, ka niteny hoe: “Efa tsy rariny intsony kosa izany e!” Hitan’i Rosa fa tsy tokony hangina fotsiny izy. Inona no nanampy azy ho sahy hitory? Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ka nangataka ny fanahiny.” Nahavita nitory tamin’ilay vehivavy izy, sady afaka nifanao fotoana taminy mba hanohizana ilay resaka. Diniho koa ny tantaran’i Milane, ankizivavy dimy taona, any New York. Hoy izy: “Mivavaka amin’i Jehovah foana izahay sy Neny, alohan’ny handehanako mianatra.” Inona no vavaka ataon’izy mianaka? Miangavy an’i Jehovah izy ireo mba hanampy an’i Milane tsy hivadika sy ho sahy hitory! Inona no vokany? Hoy ny reniny: “Sahy manazava izy fa tsy manao aniversera sy fety. Tsy mety mandray anjara amin’ireny fanao ireny koa izy.” Tena manampy antsika ho sahy àry ny vavaka.

8. Inona no nanampy an’i Jeremia ho sahy?

8 Misy zavatra hafa koa manampy antsika ho sahy. Diniho ny tantaran’i Jeremia. Hoy izy rehefa notendren’i Jehovah ho mpaminany ho an’ireo firenena: “Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza ihany.” (Jer. 1:4-6) Lasa nafana fo sy nahay nandresy lahatra anefa izy tatỳ aoriana, ka nalaza ho mpilaza loza. (Jer. 38:4) Sahy nitory ny didim-pitsaran’i Jehovah foana izy, nandritra ny 65 taona mahery. Tena nalaza ho tsy natahotra sy be herim-po izy. Rehefa tonga teto an-tany àry i Jesosy, 600 taona tatỳ aoriana, dia noheverin’ny olona fa Jeremia natsangana tamin’ny maty, satria tena sahy nitory. (Mat. 16:13, 14) Inona no nanampy an’i Jeremia tsy ho saro-kenatra intsony? Hoy izy: ‘Toy ny afo mirehitra ato am-poko ny teniny, eny, toy ny afo mirehitra voahidy ao amin’ny taolako. Sasatry ny mihazona izany aho.’ (Jer. 20:9) Nisy vokany teo amin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, ka tiany hotorina.

9. Nahoana no afaka ny hisy vokany eo amintsika ny tenin’Andriamanitra?

9 Hoy ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Heb. 4:12) Afaka ny hisy vokany eo amintsika ny tenin’Andriamanitra, toy izay nitranga tamin’i Jeremia. Tadidio fa tsy fahendren’olombelona no ao anatin’ny Baiboly, na dia olona aza no nasaina nanoratra azy io. Avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra kosa izy io. Hoy ny 2 Petera 1:21: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” Mila manokana fotoana hianarana tsara ny Baiboly àry isika, mba hameno ny saintsika ny hafatra avy amin’ny fanahy masina. (Vakio ny 1 Korintianina 2:10.) Hanjary ho “toy ny afo mirehitra” ao anatintsika izany, ka tsy ho voatanantsika, fa tiantsika hambara.

10, 11. a) Ahoana no tokony ho fianarantsika ny Baiboly, raha te ho sahy hitory isika? b) Inona no zavatra tianao hatao mba hanatsarana ny fianaranao samirery?

10 Tianao hisy vokany lalina eo aminao àry ve izay ianaranao? Ataovy izay hahatonga izany hanohina ny fonao. Nasaina nihinana horonan-taratasy nisy hafatra mafonja, ohatra, i Ezekiela mpaminany, tao amin’ny fahitana iray. Natao ho an’ny vahoaka mafy loha ilay hafatra. Tsy maintsy nohaniny izy io, izany hoe nataony izay hahatakarana tsara azy, ka ho vonton’ilay izy ny fony sy ny sainy. Hahafinaritra azy toy ny mihinana tantely amin’izay ny manambara ilay hafatra.—Vakio ny Ezekiela 2:8–3:4, 7-9.

11 Mitovy amin’ny an’i Ezekiela ny zavatra iainantsika. Maro no tsy te hihaino antsika. Tsy maintsy manao izay hahatakarana tsara sy hinoana ny Soratra Masina àry isika, raha te hazoto hitory foana. Tokony hianatra tsy tapaka isika, fa tsy hoe indraindray fotsiny. Tokony hanahaka ny mpanao salamo koa isika. Nihira izy hoe: “Enga anie ny tenin’ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko ka hankasitrahanao Jehovah ô, ry Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!” (Sal. 19:14) Tena mila manokana fotoana hisaintsainana izay ianarantsika isika, mba hilatsaka any am-pontsika lalina any ny fahamarinana! Mila hatsaraintsika àry ny fianarantsika samirery. *

12. Nahoana isika no mila mivory raha te hotarihin’ny fanahy masina?

12 Hahazo ny fanahy masin’i Jehovah koa isika raha ‘mifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy mahafoy ny fiarahantsika mivory.’ (Heb. 10:24, 25) Miezaha àry mivory tsy tapaka, ary mihainoa tsara. Ampiharo koa izay renao. Hotarihin’ny fanahy ianao amin’izay. Amin’ny alalan’ny fiangonana mantsy no ahazoantsika ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah.—Vakio ny Apokalypsy 3:6.

Soa azo avy amin’ny fahasahiana

13. Nahoana no nahavita asa fitoriana goavana ny Kristianina voalohany?

13 Ny fanahy masina no hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, ary afaka manampy ny olona hanao ny sitrapon’i Jehovah. Nahavita asa fitoriana goavana ireo Kristianina voalohany, rehefa notarihin’izy io. Vitany ny nitory “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra.” (Kol. 1:23) ‘Tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ izy ireo, ka hita fa nisy hery matanjaka kokoa nanampy azy.—Asa. 4:13.

14. Inona no tokony hataontsika mba “harehitry ny fanahy”?

14 Ho be herim-po amin’ny fanompoana isika, raha manao izay hiasan’ny fanahy masina eo amintsika. “Harehitry ny fanahy” isika raha mangataka azy io foana, mazoto mianatra samirery, misaintsaina sy mivavaka momba izay vakintsika, ary mivory tsy tapaka. (Rom. 12:11) Hoy ny Baiboly momba an’i Apolosy, Jiosy nahay nandaha-teny: ‘Narehitry ny fanahy izy ka marina ny fitoriany sy ny fampianarany momba an’i Jesosy.’ (Asa. 18:24, 25) Raha “harehitry ny fanahy” koa àry isika, dia ho sahy kokoa rehefa mitory isan-trano sy mitory tsy ara-potoana.

15. Inona no soa azontsika rehefa mihasahy mitory isika?

15 Mandray soa isika rehefa mihasahy mitory. Lasa manana toe-tsaina tsara kokoa isika. Rehefa mitory amin’ny hafa mantsy isika, dia miharihary kokoa amintsika fa zava-dehibe sy mahasoa ny fanompoantsika. Lasa mahita vokatra koa isika ka faly, ary manjary mafana fo amin’ny fanompoana. Vao mainka hitantsika fa maika ny asa fitoriana, ka mazoto kokoa manao azy io isika.

16. Inona no tokony hataontsika raha lasa kamokamo manompo isika?

16 Ahoana raha lasa kamokamo manompo isika, na tsy mazoto intsony? Mila mandini-tena isika. Hoy i Paoly: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Kor. 13:5) Mieritrereta hoe: ‘Mbola arehitry ny fanahy ve aho? Mangataka ny fanahin’i Jehovah ve aho? Hita amin’ny vavaka ataoko ve fa miantehitra aminy aho mba hahafahako manao ny sitrapony? Mankasitraka azy ve aho noho ny fanompoana nankininy tamiko? Mianatra samirery tsy tapaka ve aho? Toy inona ny habetsahan’ny fotoana atokako hisaintsainana izay reko sy vakiko? Mazoto mandray anjara amin’ny fivoriana ve aho?’ Raha mandini-tena toy izany ianao, dia hahita izay zavatra mila ahitsy.

Avelao hanampy anao ny fanahin’Andriamanitra

17, 18. a) Manao ahoana ny asa fitoriana ankehitriny? b) Inona no hanampy antsika hitory ‘amim-pahasahiana’ ny vaovao tsara?

17 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Mandroso mbola tsy nisy toy izany io asa io ankehitriny. Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa eo ho eo no mitory momba ilay Fanjakana any amin’ny tany 230 mahery. Efa ho 1 500 tapitrisa ora isan-taona no lanin’izy ireo. Tena faly isika mandray anjara amin’io asa tsy hiverina intsony io!

18 Ny fanahin’Andriamanitra no mitarika ny asa fitoriana ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Hahavita hitory ‘amim-pahasahiana’ isika, raha manaiky hotarihin’izy io. (Asa. 28:31) Ekeo àry ny fitarihan’ny fanahy, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Novana ireo anarana.

^ feh. 11 Raha te handray soa faran’izay betsaka ianao, rehefa mamaky Baiboly sy mianatra samirery, dia vakio ireo toko hoe “Milofosa Amin’ny Famakian-teny” sy “Mitondra Valisoa ny Fianarana”, ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 21-32.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana no ilana fahasahiana ny mitory ny tenin’Andriamanitra?

• Inona no nanampy ny mpianatra voalohany ho sahy hitory?

• Inona no hanampy antsika ho sahy?

• Inona no soa ho azontsika rehefa sahy mitory isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho sahy hitory?

[Sary, pejy 8]

Mivavaha vetivety, rehefa mitady tsy ho sahy hitory ianao