Ankasitrahanao ve Izay Nataon’i Jehovah mba Hanafahana Anao?
Ankasitrahanao ve Izay Nataon’i Jehovah mba Hanafahana Anao?
“Hisaorana anie i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, satria nitsinjo sy nanafaka ny vahoakany izy!”—LIOKA 1:68.
1, 2. Azo oharina amin’ny inona ny manjo antsika? Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?
AOKA hatao hoe any amin’ny hopitaly ianao. Ao amin’ny efitra lehibe iray ianao sy ireo mitovy aretina aminao. Mahafaty ilay aretina ary mbola tsy ahitam-panafana. Renao fa mikaroka ny fanafodin’izy io ny dokotera iray, ka velom-panantenana ianao. Tianao ho araka foana ny fandrosoan’ilay fikarohana. Renao, indray andro, fa hita ny fanafodin’ilay aretina! Tena nanao sorona be ilay dokotera mba hahitana azy io. Ahoana no hataonao? Azo antoka fa hanaja sy hankasitraka azy ianao, satria izy no nanafaka anao sy ny marary hafa mba tsy ho faty.
2 Toy ny hoe manitatra isika raha milaza an’io ohatra io, nefa toy izany mihitsy no manjo antsika rehetra. Mbola mafy kokoa noho izany aza no manjo antsika tsirairay, ka tena mila mpanafaka isika. (Vakio ny Romanina 7:24.) Nanao sorona be i Jehovah sy ny Zanany mba hanafahana antsika. Andeha àry hodinihintsika ireto fanontaniana lehibe efatra ireto: Nahoana isika no mila fanafahana? Inona no tsy maintsy nafoin’i Jesosy sy niaretany mba hanafahana antsika? Inona kosa no tsy maintsy nafoin’i Jehovah sy niaretany? Ahoana no ampisehoantsika fa ankasitrahantsika ny nanafahan’Andriamanitra antsika?
Nahoana isika no mila fanafahana?
3. Nahoana no azo oharina amin’ny areti-mifindra ny fahotana?
3 Araka ny tombantombana natao vao haingana, dia iray amin’ireo areti-mifindra nahafaty olona be indrindra ny gripa espaniola, satria am-polony tapitrisa no matin’izy io tamin’ny 1918 sy 1919. Misy aretina hafa mahafaty kokoa noho io anefa. Mety ho vitsy kokoa ny olona voany, nefa maty ny ankamaroan’izay tratrany. * Azo oharina amin’ny areti-mifindra toy izany ny fahotana. Tsarovy ity voalazan’ny Romanina 5:12 ity: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ Ny olon-drehetra no azon’io aretina io, satria mpanota daholo ny olombelona tsy lavorary. (Vakio ny Romanina 3:23.) Betsaka ve no matin’izy io? Nilaza i Paoly fa ny fahotana no mahatonga ny “olona rehetra” ho faty.
4. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny androm-piainantsika, ary nahoana izany no samy hafa amin’ny fomba fihevitry ny olona maro?
4 Maro no mihevitra ny fahotana sy ny fahafatesana ho ara-dalàna. Ny ho faty aloha loatra no mampanahy azy ireo, fa heveriny ho “lalam-piainana” kosa ny fahafatesana vokatry ny fahanterana. Mora manadino ny fomba fihevitry ny Mpamorona tokoa ny olombelona! Fohy dia fohy ny fiainantsika, fa tsy araka ny nikasany azy. Tsy misy olona velona “iray andro” akory raha eo imason’i Jehovah. (2 Pet. 3:8) Milaza àry ny Baiboly fa mihelina toy ny ahitra sy ny fofonaina ny androm-piainantsika. (Sal. 39:5; 1 Pet. 1:24) Mila mitadidy izany isika. Nahoana? Raha tsapantsika fa tena mafy ilay ‘aretintsika’ olombelona, dia vao mainka isika hankasitraka an’ilay “fanafody”, izany hoe ny fanafahana antsika.
5. Inona no nafointsika noho ny fahotana?
5 Tsy maintsy takatsika tsara hoe inona no nafointsika noho ny fahotana, raha tiantsika ny hahatsapa fa zava-doza ny fahotana sy ny vokany. Mety ho sarotra amintsika ny hahatakatra izany amin’ny voalohany, satria zavatra mbola tsy nananantsika no nafointsika. Tonga lafatra ny fiainan’i Adama sy Eva tamin’ny voalohany. Lavorary ny sainy sy ny vatany, ka afaka nifehy ny fisainany sy ny fihetseham-pony ary ny zavatra ataony izy mivady, raha tiany. Afaka nampitombo foana an’ireo toetra tsara tao aminy izy ireo, teo am-panompoany an’i Jehovah. Nariany anefa izany fanomezana sarobidy izany, fa naleony nanota tamin’i Jehovah. Nafoin’izy mivady sy ny taranany àry ilay fiainana nokasain’i Jehovah ho azy ireo. (Gen. 3:16-19) Nahazo an’ilay ‘areti-mandoza’ noresahintsika terỳ aloha izy mivady sy isika taranany. Rariny raha nanameloka azy ireo i Jehovah. Nampanantena ny hanafaka antsika kosa anefa izy.—Sal. 103:10.
Izay nafoin’i Jesosy sy niaretany
6, 7. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa hitaky sorona be ny fanafahana antsika? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny sorona nataon’i Abela sy ny an’ny olon-kafa talohan’ny nisian’ny Lalàna?
6 Fantatr’i Jehovah fa hitaky sorona be ny fanafahana ny taranak’i Adama sy Eva. Fantatsika izay ilaina mba hanafahana antsika, rehefa jerena ny Genesisy 3:15. Hisy ‘taranaka’, na mpanafaka, homen’i Jehovah ka io no hanorotoro an’i Satana, indray andro any. Hijaly anefa io mpanafaka io, ka toy ny hoe haratra ny voditongony. Hanaintaina izy, ary ho voafetra vetivety ny zavatra azony atao. Inona anefa no tena dikan’izany? Inona no tsy maintsy hiaretan’ilay Nofidin’i Jehovah?
7 Tsy ho voavonjy amin’ny ota ny olombelona, raha tsy ilay mpanafaka no mahita fomba handrakofana ny fahotana, izany hoe fomba Gen. 4:4; 8:20, 21; 22:13; 31:54; Joba 1:5) Tatỳ aoriana, dia nanazava bebe kokoa momba ny sorona ny Lalàn’i Mosesy.
hampihavanana ny olombelona amin’Andriamanitra, amin’ny fanafoanana ny vokatry ny ota. Inona no ilaina amin’izany? Efa hita hatrany am-boalohany fa ilaina ny sorona. Nankasitrahan’Andriamanitra i Abela, ilay olona voalohany tsy nivadika, rehefa nanao sorona biby ho an’i Jehovah. Nanao sorona toy izany koa ny olona natahotra an’Andriamanitra toa an-dry Noa, Abrahama, Jakoba, ary Joba, ka nankasitrahan’Andriamanitra. (8. Inona no nataon’ny mpisoronabe, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana?
8 Ireo sorona natao tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana no anisan’ny sorona lehibe indrindra notakin’ny Lalàna. Maromaro ny zavatra nataon’ny mpisoronabe tamin’io andro io, ary misy heviny an’ohatra izy ireny. Nanao sorona ho an’i Jehovah izy mba handrakofana ny fahotan’ny mpisorona aloha, ary avy eo ny an’ireo foko tsy mpisorona. Niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay na ny tempoly izy. Izy irery no afaka nankao, ary tamin’io andro io ihany, tao anatin’ny taona. Nafafiny teo anoloan’ny vata misy ny fifanekena ny ran’ireo sorona. Indraindray dia nisy rahona namirapiratra teo ambonin’io vata masina io, mba hampisehoana fa nanatrika teo i Jehovah.—Eks. 25:22; Lev. 16:1-30.
9. Inona no mifanitsy amin’ireto: a) Ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, sy ny sorona nataony, b) ny nidirany tao amin’ny Masina Indrindra?
9 Notarihin’ny fanahy masina hampiharihary ny hevitr’izany rehetra izany ny apostoly Paoly. Nasehony fa ny Mesia, izany hoe i Jesosy Kristy, no mifanitsy amin’ny mpisoronabe. Ny nahafatesan’i Kristy ho sorona kosa no mifanitsy amin’ny fanolorana sorona. (Heb. 9:11-14) Lavorary ny soron’i Kristy ka tena handrakotra ny fahotan’ny antokon’olona roa, dia ny mpisorona 144 000 voahosotry ny fanahy sady rahalahin’i Kristy, sy ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe fahiny. Toy izany koa fa niditra tany an-danitra i Jesosy, mba hanolotra amin’i Jehovah ny vidin’ilay sorom-panavotana.—Heb. 9:24, 25.
10. Inona no nambaran’ny faminanian’ny Baiboly fa hanjo ny Mesia?
10 Mitaky sorona be ny fanafahana ny taranak’i Adama sy Eva. Tsy maintsy manao sorona ny ainy ilay Mesia! Miresaka momba izany ireo mpaminany ao amin’ny Soratra Hebreo, ary manome tsipiriany fanampiny. Nilaza mazava, ohatra, i Daniela mpaminany fa “hovonoina” ilay “Mesia Mpitarika” mba “handrakofana ny fahotana.” (Dan. 9:24-26) Efa nilaza koa i Isaia fa holavin’ny olona ny Mesia, ary henjehina sy hovonoina na hotrobarana, mba hitondra ny fahotan’ny olombelona tsy lavorary.—Isaia 53:4, 5, 7.
11. Ahoana avy no nampisehoan’ilay Zanak’i Jehovah fa vonona hanao sorona ny ainy izy mba hanafahana antsika?
11 Talohan’ny nahatongavany teto an-tany dia efa fantatr’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra hoe inona no hotakina aminy mba hanafahana antsika. Tsy maintsy hijaly be izy ary hovonoina. Nihemotra ve izy na nikomy Isaia 50:4-6) Nankatò koa izy tetỳ an-tany ka nanao ny sitrapon’ny Rainy. Nahoana? Izao no antony iray nolazainy: “Tiako ny Ray.” Intỳ koa ny antony iray: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 14:31; 15:13) Ny fitiavana àry no tena nahatonga an’ilay Zanak’i Jehovah hanafaka antsika. Tsy maintsy namoy an’ilay ain’olombelona lavorary nananany izy, nefa nahafaly azy ny nanao izany mba hanafahana antsika.
rehefa nampahafantarin’ny Rainy azy izany? Tsia! Nanaiky an-tsitrapo izy. (Izay nafoin’i Jehovah sy niaretany
12. Sitrapon’iza no nanomezana ny vidim-panavotana, ary nahoana izy no nanome azy io?
12 Tsy hevitra avy tamin’i Jesosy na fikasany ny sorom-panavotana. Lafiny lehibe iray amin’ny sitrapon’i Jehovah kosa io fomba nanafahana antsika io. Nilaza ny apostoly Paoly fa manondro ny sitrapon’i Jehovah ilay alitara nanaovana sorona tao amin’ny tempoly. (Heb. 10:10) I Jehovah àry no tena fototr’ilay fanafahana azontsika tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy. (Lioka 1:68) Io sorona io no fomba nampisehoan’i Jehovah ny sitrapony tonga lafatra sy ny tena fitiavany ny olombelona.—Vakio ny Jaona 3:16.
13, 14. Nahoana no manampy antsika hahatakatra sy hankasitraka an’izay nataon’i Jehovah ho antsika ny ohatr’i Abrahama?
13 Inona no nafoin’i Jehovah sy niaretany, mba hampisehoana ny fitiavany antsika? Sarotra amintsika ny hahatakatra izany. Manampy antsika hahatakatra kokoa izany anefa ny tantara iray ao amin’ny Baiboly. Nampanaovina zavatra tena sarotra i Abrahama, lehilahy tsy nivadika, tamin’izy nasain’i Jehovah nanolotra an’i Isaka zanany ho sorona. Ray be fitiavana i Abrahama. Rehefa niresaka taminy i Jehovah, dia niantso an’i Isaka hoe: “Ilay lahitokanao izay tena tianao.” (Gen. 22:2) Fantatr’i Abrahama fa zava-dehibe noho ny fitiavany an’i Isaka ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Nankatò àry izy. Tsy navelan’i Jehovah hanao sorona an-janany anefa izy, fa i Jehovah kosa mbola hanao sorona ny Zanany, indray andro any. Naniraka anjely Andriamanitra mba hisakana an’i Abrahama, taloha kelin’ny hanaovany sorona an-janany. Tena tapa-kevitra ny hankatò i Abrahama, tamin’iny fitsapana nivaivay iny. Natoky izy fa ny fitsanganana amin’ny maty no hany fanantenany hihaonana indray amin-janany. Nino tanteraka izy fa hanangana an’i Isaka amin’ny maty Andriamanitra. Nilaza tokoa i Paoly fa toy ny hoe natsangana tamin’ny maty i Isaka rehefa nandray azy indray i Abrahama.—Heb. 11:19.
14 Eritrereto ange ny fahorian’i Abrahama rehefa niomana hanao sorona an-janany izy e! Manampy antsika hahatakatra izay tsapan’i Jehovah izany, tamin’izy nanao sorona an’ilay nantsoiny hoe “Zanako malalako.” (Mat. 3:17) Tadidio anefa fa mbola mafy noho ny an’i Abrahama ny fahorian’i Jehovah. Efa niaraka nandritra ny taona maro tsy hita isa mantsy izy mianaka, ary faly niara-niasa tamin’ny Rainy io Zanany io, izay “mpiasa tena mahay” sady tiany, ary koa Mpitondra teniny, izany hoe “ny Teny.” (Ohab. 8:22, 30, 31; Jaona 1:1) Tsy ho takatry ny saintsika ny fahorian’i Jehovah rehefa nampijalina ilay Zanany, ary natao tsinontsinona sy novonoina toy ny mpanao heloka bevava. Tena mafy tamin’i Jehovah ny nanafaka antsika! Ahoana àry no ampisehoantsika fa ankasitrahantsika izany?
Ahoana no ampisehoanao fa ankasitrahanao ny nanafahana anao?
15. Inona no nataon’i Jesosy mba hamitana tanteraka ny fandrakofana ny fahotantsika, ary inona no fitahiana mety ho azontsika noho izany?
15 Nandrakotra ny fahotantsika i Jesosy ary namita tanteraka an’izany asa goavana izany, taorian’ny nananganana azy ho any an-danitra. Nihaona indray tamin’ilay Rainy malalany izy, ka natolony azy ny vidin’ilay sorona nataony. Fitahiana lehibe no vokatr’izany. Afaka ny ho voavela tanteraka ny fahotana, izany hoe ny fahotan’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy aloha, ary avy eo “ny an’izao tontolo izao manontolo.” Noho iny sorona iny, dia afaka ny ho madio eo imason’i Jehovah izay rehetra mibebaka marina amin’ny fahotany ka tena mpanara-dia an’i Kristy. (1 Jaona 2:2) Nahoana izany no mahakasika anao?
16. Hazavao amin’ny ohatra ny antony tokony hankasitrahantsika ny nanafahan’i Jehovah antsika.
16 Andeha hiverenantsika ilay ohatra terỳ am-piandohana. Eritrereto hoe miditra ao amin’ilay efitrano lehibe misy anao ilay dokotera nahita an’ilay fanafody, ka miteny amin’ireo marary fa ho sitrana izay marary manaiky hotsaboina sy mitandrina tsara an’izay sakafo asaina tandremany. Ahoana anefa raha tsy manaiky ny tenin’ilay dokotera ny ankamaroan’ny marary, ka milaza fa tsy ho vitany ny hihinana an’ilay fanafody na ny hitandrintandrina sakafo? Hanao toa azy ireo ve ianao, na dia eo aza ireo porofo mampiaiky fa tena mandaitra ilay fanafody? Tsia! Azo antoka kosa fa hisaotra an’ilay dokotera ianao noho ilay fanafody, ary harahinao tsara izay toromarika omeny. Horesahinao amin’ny hafa mihitsy angamba ny safidy nataonao. Tokony ho tsy andrintsika àry ny hampiseho amin’i Jehovah fa tena ankasitrahantsika ny nanafahany antsika tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’ny Zanany.—Vakio ny Romanina 6:17, 18.
17. Amin’ny fomba ahoana avy no azonao ampisehoana ny fankasitrahanao an’izay nataon’i Jehovah mba hanafahana anao?
17 Raha ankasitrahantsika izay nataon’i Jehovah sy ny Zanany mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana, dia aoka hasehontsika izany. (1 Jaona 5:3) Hiady mafy àry isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanota. Tsy hinia hanota koa isika na ho zatra manota. Matetika no mihatsaravelatsihy ny olona manao toy izany ka mody miseho ho Kristianina. Raha izany no ataontsika, dia toy ny milaza isika hoe tsy ankasitrahantsika mihitsy ny vidim-panavotana. Hampiseho ny fankasitrahantsika kosa isika ka hiezaka mafy mba hadio foana eo imason’Andriamanitra. (2 Pet. 3:14) Horesahintsika amin’ny hafa koa ny amin’ilay fanantenana kanto ananantsika, dia ny fanafahana. Ho afaka ny hadio eo imason’i Jehovah koa izy ireny amin’izay, ary hanantena ny hiaina mandrakizay. (1 Tim. 4:16) Rariny loatra àry raha atokantsika hiderana an’i Jehovah sy ny Zanany ny fotoana sy ny hery rehetra ananantsika! (Mar. 12:28-30) Eritrereto ange e! Tsy andrintsika ilay fotoana hahasitrana tanteraka antsika amin’ny fahotana. Ho lavorary sy hiaina mandrakizay isika amin’izay, araka ny efa nikasan’Andriamanitra azy. Ho tanteraka izany, noho izay nataon’i Jehovah mba hanafahana antsika!—Rom. 8:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Maro tamin’ny mponina eran-tany no tratran’ny gripa espaniola tamin’izany, satria voalaza fa ny ampahadiminy ka hatramin’ny antsasany mahery no voa. Iray ka hatramin’ny folo isan-jaton’ireo olona voa angamba no maty. Ny aretin’i Ebola kosa tsy mateti-pitranga, nefa maty daholo ny ankamaroan’ireo voany.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana ianao no tena mila fanafahana?
• Nanao sorona ny ainy i Jesosy. Inona no vokatr’izany eo aminao?
• Inona no tsapanao noho ny nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana?
• Mandrisika anao hanao inona ny nanafahan’i Jehovah anao?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 27]
Mifanitsy amin’izay hataon’ny Mesia ny zavatra nataon’ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana
[Sary, pejy 28]
Vonona hanolotra ny zanany i Abrahama, ka vao mainka takatsika ny halehiben’ny sorona nataon’i Jehovah