“Ity mba Misy Fanomezana Kely”
“Ity mba Misy Fanomezana Kely”
IZANY no tao amin’ny taratasy iray voarain’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Baoritra be feno ban-kiraro matevina no niaraka tamin’ilay izy.
Vehivavy 67 taona atao hoe Alla no nandefa ilay fanomezana. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary mipetraka any amin’ny Faritra Atsinanan’i Rosia. Efa maherin’ny folo taona izy no nanompo an’i Jehovah, ary mazoto mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tapaka lalan-dra tampoka anefa izy, ka nalemy ny tongony. Na izany aza, dia be fitiavana izy ka nanahaka an’i Dorkasy. Nanjaitra akanjo ho an’ny mpiray finoana taminy mantsy io vehivavy kristianina tamin’ny taonjato voalohany io.—Asan’ny Apostoly 9:36, 39.
Hoy i Alla tao amin’ilay taratasiny: “Tsy afa-mihetsika intsony ny tongotro. Mbola afaka mampiasa ny tanako anefa aho, ka mitory an-taratasy. ... Nanamboatra ban-kiraro mafana vitsivitsy aho, dieny mbola afaka mampiasa ny tanako. Nataoko izy ireto mba ho an’ireo anadahy sy rahavavy hanorina Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mangatsiaka, toa an’i Siberia sy ny Faritra Atsinanan’i Rosia.”
Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny tena mpanara-dia azy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Fitiavana toy ny nasehon’i Alla no amantarana ny tena mpianatr’i Jesosy.