Afahana Amin’ny Fandrik’ilay Mpamandri-borona Isika
Afahana Amin’ny Fandrik’ilay Mpamandri-borona Isika
“Hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza [i Jehovah].”—SALAMO 91:3.
1. Iza ilay “mpihaza”, ary nahoana izy io no mampidi-doza?
ENJEHIN’NY mpihaza iray mahira-tsaina sy fetsy noho ny olombelona, ny tena Kristianina rehetra. Miantso azy io hoe “mpihaza”, na “mpamandri-borona” ny Salamo 91:3. Iza izy io? Efa hatramin’ny 1 Jona 1883 ity gazety ity no nampahafantatra fa i Satana Devoly io fahavalo mahery io. Manao hafetsena toy ny ataon’ny mpamandri-borona izy, mba hamitahana sy hamandrihana ny vahoakan’i Jehovah.
2. Nahoana i Satana no ampitovina amin’ny mpamandri-borona?
2 Nihaza vorona ny olona taloha, satria tiany ny hira mahafinaritra ataony sy ny volony marevaka. Nisy koa nataony sakafo na sorona. Mailo sy mora taitra anefa ny vorona, ka sarotra fandrihana. Rehefa nisy olona te hihaza vorona àry, dia nodinihiny tsara aloha ny toetoetran’izy io sy ny fahazarany. Nanamboatra fandrika hahazoana azy izy avy eo. Manampy antsika hahafantatra ny fomba fiasan’i Satana Devoly ny Baiboly, rehefa mampitovy azy amin’ny mpamandri-borona. Mandinika antsika tsirairay izy aloha, ka mijery ny fahazarantsika sy ny toetrantsika. Manamboatra fandrika hisamborana antsika izy avy eo, ary ataony tsy fantatsika ilay izy. (2 Timoty 2:26) Raha azony isika, dia ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ka mety ho ringana tanteraka isika. Mila mamantatra ny tetika ampiasain’io “mpamandri-borona” io àry isika, raha te ho voaro.
3, 4. Nahoana ny tetik’i Satana no azo ampitovina amin’ny fihazan’ny liona sy ny an’ny bibilava?
3 Mampitaha ny tetika fampiasan’i Satana amin’ny fomba fihazan’ny liona tanora sy ny bibilava atao hoe vipera koa ny mpanao salamo. Azo sary an-tsaina tsara izany. (Salamo 91:13) Manafika mivantana toy ny liona mantsy izy indraindray. Mety hampisy fanenjehana izy, ohatra, na hataony izay hanakantsakanan’ny fitondrana ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy) Mety hahatonga olona vitsivitsy hivadika i Satana, rehefa manafika tahaka ny liona toy izany. Matetika anefa no tsy araka ny ieritreretana azy ny vokatr’ireny fanafihana miharihary ireny, ary vao mainka aza mampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra. Ahoana kosa no ataon’i Satana, rehefa manafika an-kolaka toy ny bibilava izy?
4 Mahira-tsaina noho ny olombelona i Satana. Tsy ampoizina sady mahafaty ny famelezany, toy ny ataon’ny bibilava misy poizina izay mamely avy any amin’ny takontakona. Mahavita manapoizina ny sain’ny mpanompon’Andriamanitra sasany izy, noho izany. Voafitany izy ireo, ka lasa manao ny sitrapony fa tsy manao ny sitrapon’i Jehovah, ary loza no vokany. Soa ihany fa fantatsika ny teti-dratsin’i Satana. (2 Korintianina 2:11) Hodinihintsika kosa izao ny efatra amin’ny fandrika mahafaty ampiasain’ilay “mpamandri-borona.”
Tahotra olona
5. Nahoana no fandrika tena mahomby ny “tahotra olona”?
5 Fantatr’ilay “mpamandri-borona” fa efa voajanahary ao amin’ny olona ny faniriana heken’ny hafa sy hahazo sitraka amin’izy ireo. Tsy hoe tsy miraharaha ny fomba fihevitry ny hafa sy ny fihetseham-pony mihitsy akory ny Kristianina. Fantatry ny Devoly fa zava-dehibe amin’izy ireo ny fiheveran’ny olona azy ireo, ka hararaotiny izany. Mamandrika ny mpanompon’Andriamanitra sasany izy, ohatra, rehefa mahatonga azy ireo ‘hatahotra olona.’ (Ohabolana 29:25) Voafandrik’ilay “mpamandri-borona” ny mpanompon’i Jehovah, raha matahotra olona, ka voataonany hanao zavatra raran’Andriamanitra, na lasa tsy manatanteraka ny didy ao amin’ny Teniny.—Ezekiela 33:8; Jakoba 4:17.
6. Ahoana no mety hahatonga ny tanora iray ho voafandrik’ilay “mpamandri-borona”? Manomeza ohatra.
6 Mety tsy hahatohitra ny fitaoman’ny mpiara-mianatra aminy, ohatra, ny tanora iray ka hifoka sigara. Tsy nieritreritra ny hifoka sigara mihitsy angamba izy, rehefa handeha hianatra tamin’io andro io. Vetivety teo anefa dia nanjary nanao zavatra manimba ny fahasalamany sy tsy mampifaly an’Andriamanitra izy. (2 Korintianina 7:1) Inona no nahatonga azy ho voan’ny fakam-panahy? Niarakaraka tamin’ny naman-dratsy angamba izy, ary natahotra sao tsy ho tian’izy ireo. Ry tanora, aza manaiky ho voafitak’ilay “mpamandri-borona”, ka ho azon’ny fandriny! Raha tsy tianao ny ho voasambotra, dia aza manaiky lembenana na dia amin’ny zavatra madinika aza. Araho ny fampitandreman’ny Baiboly hoe aza miaraka amin’ny naman-dratsy.—1 Korintianina 15:33.
7. Inona no mety hataon’i Satana, mba hahatonga ny ray aman-dreny hanao an-tsirambina ny fanompoany an’i Jehovah?
7 Milaza ny Soratra Masina fa andraikitry ny ray aman-dreny ny mamelona ny fianakaviany. Mamita tsara an’izany adidiny izany ny Kristianina. (1 Timoty 5:8) Ny hahatonga azy ho variana be amin’izany anefa no tanjon’i Satana. Zatra manapatapaka fivoriana angamba izy ireo, satria tsy sahy mandà rehefa asain’ny mpampiasa hanao asa fanampiny. Matahotra hangataka andro tsy hiasana koa angamba izy, mba hanatrehana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manontolo, ka hivavaka amin’i Jehovah miaraka amin’ny mpiray finoana aminy. Ny ‘fatokisana an’i Jehovah’ no miaro antsika amin’io fandrika io. (Ohabolana 3:5, 6) Mila tadidina koa fa anisan’ny ankohonan’i Jehovah isika rehetra, ary raisiny ho adidy mihitsy ny mikarakara antsika. Hanampy antsika tsy ho variana be amin’ny fitadiavana izany. Ry ray aman-dreny, matoky ve ianareo fa hahita fomba hikarakarana anareo sy ny fianakavianareo foana i Jehovah, raha manao ny sitrapony ianareo? Sa ianareo ho voafandriky ny Devoly ka hanao ny sitrapony, noho ny tahotra olona? Mampirisika anareo izahay handinika tsara an’ireo fanontaniana ireo sy hivavaka momba izany.
Mamandrika ny fitiavan-karena
8. Ahoana no ataon’i Satana mba hitaomana ny olona ho matimatin-karena?
8 Mitaona ny olona ho matimatin-karena koa i Satana, mba hamandrihana azy ireo. Matetika ity tontolo ity no mampirisika ny olona hanao raharaham-barotra hahazoana vola be haingana. Mety ho sodokan’izany na dia ny mpanompon’Andriamanitra aza. Mety hisy koa hampirisika antsika hoe: “Miasà mafy. Amin’izay rehefa be vola ianao, dia ho afaka hipetrapetraka sy hankafy ny fiainana. Mety ho afaka hanao mpisava lalana mihitsy aza ianao.” Mety ho avy amin’ny Kristianina tsy mahay mandanjalanja izany torohevitra izany. Mahazo tombony avy amin’ny mpiray finoana aminy angamba izy. Diniho tsara anefa ireo teny ireo. Tsy mitovy amin’izany ve ny fomba fihevitr’ilay mpanankarena “tsy misaina” tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?—Lioka 12:16-21.
9. Nahoana no misy Kristianina voafandriky ny faniriana hanan-javatra?
9 Mampiasa an’ity tontolony ratsy ity i Satana, mba hampirisihana ny olona haniry hanan-javatra. Mety hibahan-toerana tsikelikely eo amin’ny fiainan’ny Kristianina izany faniriana izany, ka ho voageja ny tenin’Andriamanitra ary ‘tsy hamoa.’ (Marka 4:19) Mampirisika antsika hianina amin’ny sakafo sy ny fitafiana ny Baiboly. (1 Timoty 6:8) Maro anefa no voafandrik’ilay “mpamandri-borona”, satria tsy mampihatra an’io torohevitra io. Inona no antony? Sao dia noho ny fiheverany fa tsy maintsy ambonimbony foana ny fari-piainany, satria mba manana ny hajany ihany izy? Ahoana ny amintsika tsirairay? Lasa tsy dia zava-dehibe loatra amintsika intsony ve ny fivavahana marina, noho ny faniriantsika hanan-javatra? (Hagay 1:2-8) Mampalahelo fa rehefa mitranga ny fahasahiranana ara-bola, dia aleon’ny sasany ny fifandraisany amin’i Jehovah no afoy, mba hahafahany hihazona ny fari-piainana mahazatra azy. Faly erỳ ilay “mpamandri-borona”, rehefa lasa tia harena toy izany ny olona!
Mamandrika ny fialam-boly ratsy
10. Inona no tokony hodinihin’ny Kristianina tsirairay?
10 Mbola misy fandrika hafa ampiasain’ilay “mpamandri-borona.” Ataony izay tsy hahaizan’ny olona manavaka ny tsara sy ny ratsy. Lasa manjaka eo amin’ny ankamaroan’ny zavatra vokarin’ny mpanao filma sy boky ary mozika, ny toe-tsaina mitovy amin’ny tany Sodoma sy Gomora. Na ny vaovao amin’ny tele sy gazety aza dia manasongadina herisetra. Manome fahafaham-po an’ireo olona liana be amin’ny resaka vetaveta mihitsy aza izy ireny, any amin’ny firenena sasany. Mahatonga ny olona tsy hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ny ankamaroan’ny fialam-boly ao amin’ny radio sy tele ary gazety. (Hebreo 5:14) Tadidio anefa ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy!” (Isaia 5:20) Mety tsy ho hitahitanao akory ve fa efa nanimba ny fisainanao tamin’ny alalan’ny fialam-boly ratsy toy izany ilay “mpamandri-borona”? Tena ilaina àry ny mandini-tena.—2 Korintianina 13:5.
11. Inona no fanazavana nomen’ny Tilikambo Fiambenana, mba hampitandremana ny olona momba ny tantara mitohy amin’ny tele?
11 Nanome fampitandremana feno fitiavana momba ny tantara mitohy amin’ny tele Ny Tilikambo Fiambenana, efa ho 25 taona lasa izay. * Misy vokany ratsy izy ireny, nefa tsy hita avy hatrany. Izao no voalaza tao amin’ilay gazety: ‘Asehon’ireny tantara be mpitia ireny fa mety daholo izay ataonao, raha mitady fitiavana ianao. Tao amin’ny tantara iray, ohatra, dia nilaza toy izao tamin’ny namany ny ankizivavy iray bevohoka tsy manambady: “Ka tiako ange i Victor e! Izaho indray dia tsy miraharaha. Ny hanan-janaka aminy no zava-dehibe indrindra amiko!” Misy mozika malefaka ampiarahina amin’izany teniny izany, ka lasa mieritreritra ianao fa tsy ratsy loatra ny zavatra ataony. Lasa mahafinaritra anao koa i Victor, ary miombom-pihetseham-po amin’ilay ankizivavy ianao. “Takatrao” ny mahazo azy. Tonga saina ny olona iray mpijery tantara toy ireny, ary nilaza hoe: “Mahagaga fa lasa manala tsiny ny zavatra tsy mety ianao. Fantatro fa fahotana ny hoe maloto fitondran-tena. Kanefa tsapako fa nanaiky an’ilay izy aho tao an-tsaiko tao.” ’
12. Nahoana no mety ny hampitandremana antsika momba ny fandaharana sasany amin’ny tele?
12 Vao mainka nihabetsaka ny fandaharana
manimba fo toy ireny tatỳ aoriana. Mandeha tsy an-kiato andro aman’alina izy ireny any amin’ny tany maro. Lehilahy sy vehivavy ary tanora maro no mijery tsy tapaka an’ireny tantara ireny, ka mameno ny fony sy ny sainy amin’izany. Tsy tokony hamita-tena amin’ny fiheveran-diso anefa isika. Tsy mety ny hieritreretana fa tsy ratsy noho ny fahita andavanandro ireny aseho amin’ny tantara maloto ireny. Azo alan-tsiny ve ny Kristianina iray, raha karazan’olona tsy hampidiriny ao an-tranony mihitsy no fidiny hampiala voly azy?13, 14. Inona no nolazain’ireo nandray soa avy tamin’ireo fampitandremana momba ny fandaharana amin’ny tele?
13 Maro no nandray soa, rehefa nanaraka an’ireny fampitandremana nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ireny. (Matio 24:45-47) Nitantara ny vokany teo aminy ny sasany, rehefa avy namaky ny torohevitra mivantana sy ara-baiboly tao amin’ireny lahatsoratra ireny. * Niaiky ny anankiray hoe: ‘Nandevozin’ny tantara mitohy aho nandritra ny 13 taona. Noheveriko fa tsy hisy fiantraikany eo amiko ilay izy, satria nanatrika fivoriana aho sady nanompo tsindraindray. Lasa nanana ny fomba fihevitr’izao tontolo izao hita taratra ao amin’ireny tantara ireny anefa aho. Aseho ao amin’izy ireny mantsy fa raha mampijaly anao ny vadinao, na mahatsiaro ho tsy tiany ianao, dia tsy maninona na manitsakitsaka azy aza ianao, satria misy antony ilay izy. Izy no diso. Rehefa nihevitra àry aho fa “nanana antony” hanitsakitsahana ny vadiko, dia nanao an’izany zava-dratsy izany, ka nanota tamin’i Jehovah sy ny vadiko.’ Voaroaka io anabavy io. Tonga saina anefa izy tatỳ aoriana, ka nibebaka ary voaray indray. Namaky an’ireo lahatsoratra mampitandrina momba ny tantara mitohy izy, ka nahazo hery mba tsy ho voasarika hijery zavatra halan’i Jehovah intsony.—Amosa 5:14, 15.
14 Nanova ny fiainan’ny mpamaky iray hafa koa ilay gazety. Hoy izy: ‘Nitomany aho rehefa namaky an’ireo lahatsoratra ireo, satria tsapako fa tsy nanompo an’i Jehovah tamin’ny foko manontolo intsony aho. Nivoady taminy aho fa tsy handevozin’ireny tantara ireny intsony.’ Nankasitraka an’ilay lahatsoratra koa ny anabavy iray, ary niaiky fa nandevozin’ireny tantara ireny izy. Nanoratra izy hoe: ‘Nieritreritra aho hoe sao dia efa nanimba ny fifandraisako tamin’i Jehovah ilay izy. Ahoana moa no hahafahako hinamana amin’ireny “olona ireny”, no sady ho naman’i Jehovah?’ Raha efa nanimba ny fon’ny olona ireny fandaharana ireny, 25 taona lasa izay, tsy vao mainka ve ho ratsy ny vokany ankehitriny? (2 Timoty 3:13) Tsy maintsy mitadidy isika fa fandrika ampiasain’i Satana ny fialam-boly ratsy rehetra, na tantara mitohy amin’ny tele izany, na lalao video misy herisetra, na hirahira ahitana sary maloto ao amin’ny tele.
Mamandrika ny tsy fifankahazoana
15. Inona no amandrihan’ny Devoly ny olona sasany?
15 Mamandrika ny vahoakan’i Jehovah amin’ny alalan’ny tsy fifankahazoana koa i Satana, mba hahatonga azy ireo hisara-bazana. Mety ho voan’io fandrika io isika, na inona na inona tombontsoam-panompoana ananantsika. Salamo 133:1-3.
Voafandriky ny Devoly ny sasany, satria avelany hanimba ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina ary ny paradisa ara-panahy nataon’i Jehovah, ny tsy fifankahazoana.—16. Inona no hafetsena ataon’i Satana mba handravana ny firaisan-tsaintsika?
16 Nanandrana namongotra ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany i Satana tamin’ny Ady Lehibe I, ka nanafika mivantana. Tsy nahomby anefa izy. (Apokalypsy 11:7-13) Manao hafetsena handravana ny firaisan-tsaintsika izy nanomboka tamin’izay. Manome hirika ho an’ilay “mpamandri-borona” isika, rehefa mamela ny tsy fifankahazoana hampisaratsaraka antsika. Mety hisakana ny fanahy masina tsy hirotsaka amintsika sy ny fiangonana isika, raha manao izany. Ho faly i Satana raha izany no mitranga, satria tsy mandeha tsara ny fitoriana rehefa tsy misy ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina.—Efesianina 4:27, 30-32.
17. Inona no azon’ny Kristianina atao, raha tsy mifankahazo amin’ny mpiray finoana aminy izy?
17 Inona no azonao atao raha tsy mifankahazo amin’ny Kristianina iray ianao? Marina fa tsy mitovy ny olana mitranga. Kanefa na misy antony maro samihafa aza mahatonga tsy fifankahazoana, dia tsy misy antony tokony hamelana azy ireny hitohy. (Matio 5:23, 24; 18:15-17) Avy amin’Andriamanitra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, ary tonga lafatra. Misy vokany tsara foana ny fampiharana ny toro lalana omeny!
18. Nahoana no manampy antsika handamina olana ny fanahafana an’i Jehovah?
18 Tena “mamela heloka” i Jehovah. (Salamo 86:5; 130:4) Asehontsika fa zanany malala isika, raha manahaka azy. (Efesianina 5:1) Mpanota daholo isika, ary tena mila famelan-keloka avy amin’i Jehovah. Noho izany, dia tsy maintsy mitandrina isika sao mitady tsy hamela ny heloky ny olona sasany. Mety ho lasa tahaka an’ilay mpanompo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy isika amin’izay. Tsy nety namoy ny trosany tany amin’ny mpanompo namany izy, nefa kely dia kely izany raha ampitahaina amin’ilay trosa nafoin’ny tompony ho azy. Rehefa nampahafantarina an’izany ny tompony, dia nalefany tany am-ponja ilay mpanompo tsy nety namindra fo. Hoy i Jesosy rehefa namarana an’ilay fanoharana: “Toy izany koa no hitondran’ny Raiko any an-danitra anareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.” (Matio 18:21-35) Mila misaintsaina an’io fanoharana io isika, ary mitadidy fa efa imbetsaka i Jehovah no namela tanteraka ny helotsika. Azo antoka fa hanampy antsika izany, rehefa miezaka handamina olana misy eo amintsika samy isika isika!—Salamo 19:14.
Voaro ao amin’ny “fierena izay an’ny Avo Indrindra”
19, 20. Inona no tokony hotadidintsika momba ny “fierena” sy ny ‘alok’i’ Jehovah, amin’izao fotoana mampidi-doza izao?
19 Mampidi-doza ny fotoana iainantsika. Azo antoka fa ho efa naripak’i Satana isika rehetra, raha tsy narovan’i Jehovah tamim-pitiavana. Tsy maintsy mijanona ao amin’ny toeram-piarovana an’ohatra iray àry isika, mba tsy ho voafandrik’ilay “mpamandri-borona.” Tsy inona izany fa ilay “fierena izay an’ny Avo Indrindra.” ‘Honina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha’ isika, raha mankao amin’io toerana io.—Salamo 91:1.
20 Enga anie isika hitadidy foana fa natao hiarovana antsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah sy ny tari-dalany, fa tsy natao haneritery ny fiainantsika. Enjehin’ny mpihaza iray mahira-tsaina noho ny olombelona isika rehetra. Tsy misy ho afaka hiala amin’ny fandriny isika, raha tsy manampy antsika amim-pitiavana i Jehovah. (Salamo 124:7, 8) Aoka àry isika hivavaka aminy mba hanafahany antsika amin’ny fandrik’ilay “mpamandri-borona”!—Matio 6:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1983, pejy 3-7.
^ feh. 13 Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1984, pejy 23.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no fandrika mahafaty ny ‘tahotra olona’?
• Ahoana no ataon’i Satana mba hitaomana ny olona ho matimatin-karena?
• Ahoana no nampiasan’i Satana ny fialam-boly ratsy, ka nahatonga ny sasany ho voafandrika?
• Inona no fandrika ampiasain’ny Devoly mba handravana ny firaisan-tsaintsika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 27]
Voafandrika ny sasany satria ‘matahotra olona’
[Sary, pejy 28]
Zavatra halan’i Jehovah ve no mahasarika anao?
[Sary, pejy 29]
Inona no azonao atao raha tsy mifankahazo amin’ny mpiray finoana aminao ianao?