Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nosoratana ho Fianarantsika”

“Nosoratana ho Fianarantsika”

“Nosoratana ho Fianarantsika”

“TSY misy farany ny manao boky maro.” (Mpitoriteny 12:12) Marina mihitsy io teny io, satria be dia be izao ny karazam-boky. Ahoana àry no hisafidianana hoe inona no tsara hovakina?

Maro no mamantatra ny mpanoratra ny boky iray, vao manapa-kevitra raha hamaky azy io na tsia. Mety hisy fanazavana kely àry ao, momba ny fiavian’ilay mpanoratra sy ny diplaomany ary ny boky hafa nosoratany. Zava-dehibe amin’ny olona izany. Nitondra anaran-dehilahy àry ny vehivavy mpanoratra sasany taloha, mba tsy hoheverina hoe tsy dia tsara ny bokiny satria vehivavy no nanoratra azy.

Mampalahelo fa misy tokoa tsy te hamaky ny Soratra Hebreo, satria heveriny fa Andriamanitra lozabe sy mpamono olona tsy misy indrafo no resahina ao. * Andeha hojerentsika hoe avy amin’iza ny Baiboly, araka ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina.

Avy amin’iza ny Baiboly?

Hoy Andriamanitra tamin’ny Israelita, araka ny Soratra Hebreo: “Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6) Hoy koa i Jakoba mpanoratra Baiboly, 500 taona teo ho eo taorian’izay: “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka” Andriamanitra. (Jakoba 1:17) Koa nahoana no mbola misy mihevitra fa samy hafa ilay Andriamanitra ao amin’ny Soratra Hebreo sy ilay ao amin’ny Soratra Grika?

Samy hafa ny toetran’Andriamanitra resahin’ny Baiboly, arakaraka ny hevitra asongadiny. Ao amin’ny Genesisy fotsiny, ohatra, dia lazaina hoe Andriamanitra mety ‘malahelo’ izy, sady ‘Mpahary ny lanitra sy ny tany’, ary “Mpitsara ny tany rehetra.” (Genesisy 6:6; 14:22; 18:25) Andriamanitra iray ihany no resahina, fa lazaina amin’ny fomba samy hafa fotsiny.

Ity misy ohatra: Mpitsara ny lehilahy iray, ka hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna rehefa any amin’ny tribonaly. Be fitiavana sy malala-tanana anefa izy rehefa miaraka amin’ny zanany. Sariaka sy tia vazivazy kosa izy rehefa miaraka amin’ny namany. Olona iray ihany anefa izy fa samy hafa fotsiny ny toetra asehony, arakaraka ny toe-javatra misy azy.

Milaza ny Soratra Hebreo fa “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” i Jehovah. Fantatsika koa anefa fa “tsy mety manamarina ny meloka” izy. (Eksodosy 34:6, 7) Porofoin’izany fa marina ny dikan’ny anaran’Andriamanitra. Ny hoe “Jehovah” mantsy dia midika ara-bakiteny hoe “Manao Izay Hahatonga Izy”, izany hoe afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina izy, mba hanatanterahana ny fikasany. (Eksodosy 3:13-15) Andriamanitra iray ihany anefa izy, na dia manana toetra maro aza. Hoy i Jesosy: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”—Marka 12:29.

Nosoloana ve ny Soratra Hebreo?

Matetika no soloana ny boky, rehefa tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny olona intsony, na misy fanazavana vaovao. Lany andro toy izany koa ve ny Soratra Hebreo, ka nosoloana ny Soratra Grika? Tsia!

Raha ohatra ka hanoloana ny Soratra Hebreo tokoa ny filazantsara sy ny taratasy nosoratan’ny mpianatr’i Jesosy, dia tsy maintsy ho niresaka an’izany izy. Izao anefa no voalazan’i Lioka: “Nohazavainy tsara tamin’ireo [mpianany roa] ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra [ao amin’ny Soratra Hebreo].” Niseho tamin’ireo apostoly nahatoky sy mpianatra hafa i Jesosy, tatỳ aoriana, ary hoy izy: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.” (Lioka 24:27, 44) Raha efa lany andro ny Soratra Hebreo dia tsy ho niresaka momba azy io i Jesosy, talohan’ny niakarany tany an-danitra.

Mbola nampiasa ny Soratra Hebreo ny mpianatr’i Jesosy, rehefa niorina ny fiangonana kristianina. Nasongadin’izy ireo ny toro lalana avy amin’ny Lalàn’i Mosesy, izay mampianatra lesona tena ilaina, sy ireo faminaniana mbola tsy tanteraka. Noresahiny koa ny ohatr’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, izay mandrisika ny Kristianina tsy hivadika. (Asan’ny Apostoly 2:16-21; 1 Korintianina 9:9, 10; Hebreo 11:1–12:1) Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” * (2 Timoty 3:16) Nahoana no mahasoa antsika ankehitriny ny Soratra Hebreo?

Ilaina amin’ny fiainana andavanandro

Anisan’ny olana ankehitriny ny fanavakavaham-bolon-koditra. Nipetraka tany Eoropa Atsinanana, ohatra, ny tovolahy etiopianina 21 taona. Hoy izy: ‘Tsy maintsy miaraka maromaro izahay rehefa mandeha, amin’izay mba tsy misy manafika. Tsy afaka mivoaka ny trano intsony izahay aorian’ny amin’ny enina ora hariva. Any anaty lamasinina no tena ratsy. Vao mijery anay ny olona, dia izahay hoe mainty no manaitra azy voalohany.’ Misy vahaolana momba izany ve ao amin’ny Soratra Hebreo?

Nilazana toy izao ny Israelita: “Raha misy mivahiny aminao eo amin’ny taninareo, aza manao sarotra aminy. Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo.” (Levitikosy 19:33, 34) Tsy maintsy nanaja ny mpifindra monina na “vahiny” tokoa ny Israelita fahiny, ary mbola ao amin’ny Soratra Hebreo io lalàna io. Tsy miaiky ve ianao fa ho foana ny fanavakavaham-bolon-koditra, raha ampiharina ny toro lalana avy amin’io lalàna io?

Misy torohevitra momba ny fitantanam-bola koa ao amin’ny Soratra Hebreo, na dia tsy amin’ny an-tsipiriany aza. Azo ampiharina sy feno fahendrena izy ireny. Izao, ohatra, no voalazan’ny Ohabolana 22:7: “Izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” Manam-pahaizana maro no miaiky fa vao mainka mampahantra ny mividy zavatra aloa tsikelikely.

Maro koa ny olona mitady vola be loatra, na dia misy voka-dratsiny aza izany. Niresaka momba izany i Solomona Mpanjaka, izay anisan’ny nanankarena indrindra teto an-tany. Hoy izy: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.” (Mpitoriteny 5:9) Hendry izay manaraka io fampitandremana io!

Fanantenana momba ny hoavy

Iray ihany ny foto-kevitry ny Baiboly dia ny hoe: Hanamarina ny zony hitondra sy hanamasina ny anarany Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy.—Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15.

Resahin’ny Soratra Hebreo ny fiaimpiainana hisy, rehefa ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampionona antsika izany, ary mampifandray antsika kokoa amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fampiononana. Naminany, ohatra, i Isaia fa hihavana ny olona sy ny biby. Hoy izy: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.” (Isaia 11:6-8) Fanantenana kanto re izany!

Inona kosa no lazain’ny Soratra Hebreo momba an’ireo mijaly noho ny fanavakavaham-bolon-koditra, aretina, ary fahantrana? Izao no voalaza momba an’i Kristy Jesosy: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.” (Salamo 72:12, 13) Tsy hatahotra hiatrika ny hoavy isika, raha mino an’izany fampanantenana izany.—Hebreo 11:6.

Marina tokoa ilay nasaina nosoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Mbola anisan’ny Tenin’Andriamanitra àry ny Soratra Hebreo. Tena ilaintsika ankehitriny izy io. Manantena izahay fa hiezaka ianao mba hianatra izay tena lazain’ny Baiboly manontolo. Hifandray kokoa amin’i Jehovah Andriamanitra ianao amin’izay, satria avy aminy ny Baiboly.—Salamo 119:111, 112.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Soratra Hebreo no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Testamenta Taloha. (Jereo ny efajoro hoe “Testamenta Taloha sa Soratra Hebreo?”, pejy 6.) Soratra Grika Kristianina kosa no iantsoany ny Testamenta Vaovao.

^ feh. 13 Misy toro lalana maro azo ampiharina ankehitriny, ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy mihatra amin’ny Kristianina intsony anefa ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita, tamin’ny alalan’i Mosesy.

[Efajoro, pejy 6]

TESTAMENTA TALOHA SA SORATRA HEBREO?

Ny hoe “testamenta taloha” dia hita ao amin’ny 2 Korintianina 3:14, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy). Ilay teny grika hoe di·a·theʹke no nadikany hoe “testamenta.” Fandikan-teny maro anefa no mandika azy io hoe “fifanekena”, anisan’izany ny Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena (anglisy). Nahoana?

Hoy i Edward Robinson, mpanao diksionera: “Ao amin’ny bokin’i Mosesy no misy ny fifanekena taloha. Noho izany, ny [di·a·theʹke] dia manondro ny bokin’ny fifanekena, na ny asa soratr’i Mosesy, izany hoe ny lalàna.” Ny Lalàn’i Mosesy àry no resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 3:14. Ampahany amin’ny Soratra Masina talohan’ny andro kristianina fotsiny anefa ilay Lalàna.

Inona àry no teny mety tsara hiantsoana an’ireo boky 39 voalohany ao amin’ny Baiboly Masina? Tsy noheverin’i Jesosy Kristy sy ny mpianany ho lany andro na efa taloha, io ampahany amin’ny Baiboly io. Nantsoiny hoe “Soratra Masina” kosa izy io. (Matio 21:42; Romanina 1:2) Izany no antony iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Testamenta Taloha hoe Soratra Hebreo. Nosoratana tamin’ny teny hebreo mantsy ny ankamaroan’ireo boky ireo, tamin’ny voalohany. Toy izany koa fa antsoin’izy ireo hoe Soratra Grika ny Testamenta Vaovao. Teny grika mantsy no nampiasain’ireo lehilahy nahazo herin’ny fanahy masina, rehefa nanoratra azy io.

[Sary, pejy 4]

Mety ho sady mpitsara hentitra ny lehilahy iray, no ray be fitiavana, ary namana tsara

[Sary, pejy 5]

Nampiasa ny Soratra Hebreo i Jesosy nandritra ny fanompoany

[Sary, pejy 7]

Inona no toro lalan’ny Baiboly afaka manampy ny olona hanapa-kevitra tsara?