Ebla Tanàna efa Hadino Tanteraka fa Hita Indray
Ebla Tanàna efa Hadino Tanteraka fa Hita Indray
Nandinika ny lemaka tany avaratrandrefan’i Syria i Paolo Matthiae, tany antenatenan’ny taona 1962. Tovolahy italianina mpanao fikarohana ambanin’ny tany izy. Tsy fantany izay ho hitany, ary tsy azony antoka raha hahita zavatra izy. Noheverina ho tsy ahitan-javatra firy mantsy ny fikarohana toy izany tany afovoan-tanin’i Syria. Nisy vokany anefa ilay fikarohana natomboka roa taona tatỳ aoriana, tao Tell Mardikh, tanàna 60 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Aleppo. Ny zavatra hita tao no heverin’ny maro ho ‘ny zava-dehibe indrindra hitan’ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, tamin’ny taonjato faha-20.’
POROFOIN’IREO soratra vita sokitra fahiny fa tena nisy ny tanànan’i Ebla. Tsy nisy nahalala anefa hoe taiza ho aiza tao ambanin’ireo dongon-tany maro, tany amin’ireo tany manodidina an’i Israely no nisy an’ilay tanàna. Voalaza tao amin’ny soratra iray, ohatra, fa nandresy ny tanànan’i “Mari sy Yarmuti ary Ebla” i Sargona mpanjakan’i Akada. Ny soratra iray hafa dia nahitana ny tenin’i Goudéa mpanjaka somerianina, izay niresaka momba ireo hazo lafo vidy azony avy “tany an-tendrombohitr’i Ibla [Ebla].” Nisy lisitra iray koa tao Karnak, any Ejipta, nitanisa ny anaran’ireo tanàna fahiny resin’i Thoutmosis III mpanjakan’i Ejipta, ary voatonona tao i Ebla. Tsy mahagaga àry raha niezaka nitady an’i Ebla ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany.
Nisy vokany ny fikarohana fanampiny. Hita tamin’ny 1968, ohatra, ny ampahan’ny tsangambaton’i Ibbit-Lim, mpanjakan’i Ebla. Misy voady amin’ny teny akadianina eo amin’izy io. Asehon’ilay izy fa voatokana ho an’i Ishtar, andriamanibavy “nomena voninahitra tany Ebla”, ilay tsangambato. Nanomboka nampiharihary “fiteny sy zava-nitranga ary kolontsaina vaovao [izany hoe mbola tsy fantatry ny mpanao fikarohana teo aloha mihitsy]” ny zavatra hitan’izy ireo.
Voaporofo tamin’ny 1974 sy 1975 fa i Tell Mardikh no mifanitsy amin’i Ebla fahiny. Nisy takelaka tanimanga hita mantsy tamin’izay, ary voatonona matetika tao ny anaran’io tanàna fahiny io. Hita tamin’ireny fikarohana ireny koa fa indroa, fara fahakeliny, no nisy tanàna niorina teo amin’ilay toerana. Tanàna natanjaka be aloha i Ebla, ary rava avy eo. Naorina indray izy io, nefa mbola rava ihany, sady hadino nandritra ny taonjato maro.
Tanàna manan-tantara
Naorina teo amin’ny tany lemaka azo nambolena zavatra betsaka ireo tanàna tranainy indrindra. Teo anelanelan’ny reniranon’i Tigra sy Eofrata, ohatra, ny sasany. Teo amin’ny lemaka toy ireny, tany Mezopotamia, no nisy an’ireo tanàna voalohany resahin’ny Baiboly. (Genesisy 10:10) Naorina teo amin’ny vatosokay kosa i Ebla, ary izany angamba no nahatonga ilay anarany, izay midika hoe “Vato Fotsy.” Nahazoana tahirin-drano voajanahary ny fisian’ireo vatosokay ireo, ka mety ho izay no nifidianana ilay toerana. Tena ilaina mantsy ny tahirin-drano toy izany any amin’ny faritra toa an’i Ebla, izay lavitra ny renirano lehibe.
Kely ny rotsakorana tao amin’ny faritr’i Ebla, ka voamadinika sy voaloboka ary oliva ihany no nambolena be dia be tao. Nety tsara tamin’ny fiompiana koa ilay toerana, indrindra fa ny fiompiana ondry. Ankoatra izany, dia nety tsara mba hanaovana raharaham-barotra ilay faritra, izay teo anelanelan’ny Lemak’i Mezopotamia sy ny Morontsirak’i Mediterane. Nandeha be àry ny fivarotana hazo sy vatosoa ary metaly isan-karazany. Nanana vahoaka 200 000 teo ho eo ilay fanjakana tao Ebla, ary efa ho ny ampahafolon’izy ireo no tao an-drenivohitra.
Hita teo amin’ny toerana nisy an’i Ebla ny sisa tavela tamin’ny lapa lehibe iray. Porofoin’izy io fa efa nandroso be ny faritr’i Ebla tamin’izany andro izany. Nahatratra 12 ka hatramin’ny 15 metatra ny haavon’ny vavahady fidirana tao amin’io lapa io. Nohalehibeazina ilay lapa tatỳ aoriana. Nihamaro mantsy ny zavatra nilain’ilay fitondrana, rehefa lasa nahery kokoa izy io. Niasa teo ambanin’ny fifehezan’ny manam-pahefana isan-tsokajiny avy ny tandapa. Teo ny mpanjaka sy ny vadiny, ary nanarakaraka azy ireo ny “andriana” sy ny “governora.”
Takelaka tanimanga na sombiny miisa 17 000 mahery no hita tany Ebla. Nisy 4 000 mahery angamba izy ireo tamin’ny voalohany, ary voampirina tsara teo amin’ny talantalana hazo. Porofoin’izy ireny fa nanao raharaham-barotra tamin’ny firenena lavitra be toa an’i Ejipta i Ebla, satria nisy marika famantarana ny mpanjaka roa tao Ejipta teo amin’ny takelaka sasany. Tarehin-tsoratra miendri-pantsika amin’ny teny somerianina no hita teo amin’ny ankamaroan’izy ireny. Nisy ihany anefa ireo nosoratana tamin’ny teny eblaita, fiteny efa tena tranainy tany amin’iny faritra iny, izay nanjary hay vakina indray noho ireo takelaka ireo. Variana ireo manam-pahaizana momba ny kolontsaina tatsinanana, rehefa nahita fiteny efa tranainy toy izany. Mety ho liana ianao hahafantatra fa misy lisitra amin’ny teny somerianina sy eblaita ny takelaka sasany. Ireo lisitra ireo no “diksionera tranainy indrindra fantatsika”, hoy ny boky iray momba an’i Ebla.
Nanana tafika mahery i Ebla. Miharihary izany rehefa jerena ireo sary sokitra sasany, izay ahitana miaramila eblaita mamono ny fahavalony na mitondra lohan’olona avy notapahiny. Tsy nalaza intsony anefa i Ebla, rehefa nihanahery ny fanjakan’i Asyria sy Babylona. Tsy mora ny mamantatra ny fizotran’ny zava-nitranga tamin’izany. Toa i Sargona I (tsy ilay Sargona ao amin’ny Isaia 20:1) anefa no nanafika an’i Ebla. Nanafika azy io koa i Naram-Sin zafikeliny tatỳ aoriana. Hamarinin’ireo porofo hita tany ambanin’ny tany fa nahery setra sady tsy nifaditrovana ireo mpanafika ireo.
Voalaza terỳ aloha anefa fa voaorina indray ilay tanàna, ary nihanahazo laka tao amin’ilay faritra mihitsy aza. Naorina araka ny planina maty paika izy io, ka vao mainka nampiaiky volana ny hakantony. Nisy toerana masina natokana ho an’i Ishtar andriamanibavy teo amin’ny faritra iva amin’ilay tanàna. Nihevitra an’i Ishtar ho andriamanibavin’ny
fahafaha-miteraka koa ny Babylonianina. Mety ho efa renao ny momba ny Vavahadin’i Ishtar, ilay vavahady malaza hita tao amin’ireo sisa tavela tamin’i Babylona. Noheverin’ny olona fa masina tamin’i Ishtar ny liona, ka ilay trano goavana indrindra tao Ebla angamba no natao fonenan’izy ireny. Mitarika antsika ho amin’ny resaka fivavahana izany.Fivavahana tao Ebla
Toy ireo tany amin’ny faritra hafa tany Atsinanana fahiny, dia nanana andriamanitra maro koa ny mponin’i Ebla. Anisan’ireny i Bala sy Hadada (anarana hita ao amin’ny anaran’ny mpanjaka syrianina sasany) ary Dagana. (1 Mpanjaka 11:23; 15:18; 2 Mpanjaka 17:16) Nivavaka tamin’ireo rehetra ireo ny Eblaita. Nankalaza ny andriamanitry ny firenen-kafa mihitsy aza izy ireo. Nasandrany ho andriamanitra koa ireo razan’ny mpanjaka, ary hita avy amin’ny fikarohana ambanin’ny tany fa nivavahany izy ireny, indrindra fa tamin’ny 2 000 taona tany ho any talohan’i Kristy.
Tsy natoky tanteraka an’ireo andriamaniny ny Eblaita. Voahodidina manda lehibe roa sosona koa ilay tanàna vaovaon’i Ebla, ary mety ho nampahatahotra ny fahavalo izany. Efa ho telo kilaometatra ny halavan’ilay manda ivelany. Mbola hita miavaka tsara ny toerana nisy azy io hatramin’izao.
Mbola rava ihany anefa ny tanànan’i Ebla. Ny Hetita angamba no nandresy tanteraka an’io fanjakana nahery io, tamin’ny taona 1600 T.K. tany ho any. “Potipotika toy ny vazy tanimanga” i Ebla, araka ny tononkalo iray fahiny. Tsy ela dia nanjavona teo amin’ny tantara izy. Niresaka momba ilay toerana nisy an’i Ebla fahiny ny boky iray, nosoratan’ireo mpanao ady masina nankany Jerosalema tamin’ny 1098. Nolazain’izy ireo fa toby tany ambanivohitra lavitra be i Ebla, ary nantsoiny hoe Mardikh. Saika hadino tanteraka i Ebla, ary tsy hita indray raha tsy an’arivony taona tatỳ aoriana.
[Efajoro, pejy 14]
Ebla sy ny Baiboly
Nanitikitika ny sain’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly ny lahatsoratra iray nivoaka tamin’ny 1976, tao amin’ny gazetiboky Arkeolojia Momba ny Baiboly (anglisy). Ilay olona nanazava ny hevitry ny soratra tamin’ireo takelaka no nanoratra azy io. Nilaza izy fa mety ho voatonona tao amin’ireo takelaka ireo ny anaran’ny olona sy ny toerana voaresaka tao amin’ny Baiboly taonjato maro tatỳ aoriana. Toa nanitatra izay tena nolazaina tao amin’ilay lahatsoratra anefa ny manam-pahaizana sasany. Nanoratra izy ireo fa manaporofo ny maha azo itokisana ny tantara ao amin’ny Genesisy ireo zavatra hita tany Ebla. * Nilaza ilay Zezoita atao hoe Mitchell Dahood, fa “manazava ny zavatra saro-takarina ao amin’ny Baiboly ireo takelaka tanimanga [avy tany Ebla].” Nihevitra izy, ohatra, fa afaka manampy antsika izy ireny mba hahafantatra hoe “oviana no nanomboka nampiasaina ny anaran’ny Andriamanitry ny Israely.”
Dinihina tsara kokoa ankehitriny hoe inona marina no voalaza eo amin’ireo takelaka tany Ebla. Mety hitovitovy na tena hitovy amin’ny ao amin’ny Baiboly ny anaran-tanàna na anaran’olona sasany ao amin’izy ireny, satria iray fiaviana ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly sy ny teny eblaita. Tsy manaporofo anefa izany hoe manondro toerana na olona iray ihany ireny anarana ireny. Ho hita eo ihany raha hitondra fanazavana momba ny zava-nitranga sy ny toerana resahin’ny Baiboly ny zavatra hita tany Ebla. Raha ny anaran’Andriamanitra no resahina, dia tsy nilaza mihitsy ilay mpanoratra ny Arkeolojia Momba ny Baiboly, hoe voatonona tao amin’ireo soratra hita tany Ebla ny hoe “Iaveh” [na Jah]. Marina fa misy tarehin-tsoratra miendri-pantsika nadika hoe ja tao amin’ireo takelaka. Milaza anefa ny manam-pahaizana, fa manondro ny iray monja amin’ireo andriamanitra maro nivavahan’ny Eblaita izy io. Marika ampiasaina amin’ny fitsipi-pitenenana fotsiny izy io, hoy ny manam-pahaizana maro hafa. Na ahoana na ahoana, dia tsy manondro an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy io.—Deoteronomia 4:35; Isaia 45:5.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 19 Jereo ny toko faha-4 amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Resahina ao fa manamarina ny tantara ao amin’ny Baiboly ny zavatra hitan’ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany.
[Sarintany/Sary, pejy 12]
(Jereo ny gazety)
RANOMASINA LEHIBE
KANANA
SYRIA
Aleppo
Ebla (Tell Mardikh)
Reniranon’i Eofrata
[Sary nahazoan-dalana]
Mpikaroka ambanin’ny tany: Missione Archeologica Italiana a Ebla - Università degli Studi di Roma ‘La Sapienza’
[Sary, pejy 12, 13]]
Rojo volamena tokony ho tamin’ny 1750 T.K.
[Sary, pejy 13]
Sisa tavela tamin’ilay lapa lehibe
[Sary, pejy 13]
Sary nataon’ny mpanakanto mampiseho ny efitra nitehirizina an’ireo takelaka tanimanga
[Sary, pejy 13]]
Takelaka misy tarehin-tsoratra miendri-pantsika
[Sary, pejy 13]
Famantarana ny fanjakana ejipsianina, taona 1750-1700 T.K.
[Sary, pejy 13]
Miaramilan’i Ebla mitondra lohan’ny fahavalony
[Sary, pejy 14]
Tsangambato voatokana ho an’i Ishtar andriamanibavy
[Sary nahazoan-dalana]
Missione Archeologica Italiana a Ebla - Università degli Studi di Roma ‘La Sapienza’
[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]
Sary rehetra (afa-tsy ny sisa tamin’ilay lapa): Missione Archeologica Italiana a Ebla - Università degli Studi di Roma ‘La Sapienza’