Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Ohabolana
Velona ny Tenin’i Jehovah
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Ohabolana
“NANAO ohabolana telo arivo” i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny. (1 Mpanjaka 5:12) Afaka mamaky ireo teny feno fahendrena ireo ve isika? Izany tokoa. Maro amin’ny ohabolana nataon’i Solomona no voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, izay vita tamin’ny taona 717 T.K. tany ho any. Ny toko roa farany amin’io boky io ihany no nosoratan’olon-kafa, dia i Agora zanak’i Jake sy Lemoela mpanjaka. Misy aza mihevitra fa i Solomona ihany io antsoina hoe Lemoela io.
Avy amin’ny fanahy masina ny bokin’ny Ohabolana, ary misy antony roa nanoratana azy io, dia ny mba “hahalalana fahendrena sy fananarana.” (Ohabolana 1:2) Manampy antsika io boky io mba hahazoantsika fahendrena, izany hoe hahaizantsika hamantatra ny tena zava-misy sy hampiasa ny fahalalana mba hamahana olana. Manome antsika fananarana na fanabeazana ara-pitondran-tena koa izy io. Raha mandinika an’ireo ohabolana ireo isika sady manaraka ny torohevitra raketiny, dia hanan-kery eo amin’ny fontsika izany, hahasambatra antsika, ary hanampy antsika mba hahomby amin’izay ataontsika.—Hebreo 4:12.
‘MAHAZOA FAHENDRENA ARY TANO MAFY NY FANANARANA’
Hoy i Solomona: “Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany.” (Ohabolana 1:20) Nahoana isika no tokony hihaino ny antso mafy sy mazava ataon’ny fahendrena? Mitanisa ny soa maro entin’ny fahazoana fahendrena ny Ohabolana toko faha-2. Resahin’ny toko faha-3 ny tokony hatao mba hahatongavana ho sakaizan’i Jehovah. Hoy i Solomona avy eo: “Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala.”—Ohabolana 4:7, 13.
Inona no hanampy antsika tsy hanaraka ny fitondran-tena maloton’izao tontolo izao? Mamaly ny Ohabolana toko faha-5 fa mila misaina tsara isika, mamantatra ireo fomba isarihan’izao tontolo izao antsika, ary mandinika ny fahavoazana vokatry ny fitondran-tena maloto. Ny toko faha-6 indray, dia mampitandrina antsika mba tsy hanana toe-tsaina mety hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah, na hanao zavatra mety hiafara amin’izany. Andraisantsika lesona tsara koa ny toko faha-7, izay manazava tsara ny fanaon’ny olona maloto fitondran-tena. Tena mahaliana ny fomba ampisehoan’ny toko faha-8 ny hatsaran’ny fahendrena sy ny hasarobidiny. Mamintina ny ohabolana rehetra voalaza eo aloha kosa ny toko faha-9, sady mampiasa fanoharana
mahafinaritra mba handrisihana antsika hikatsaka fahendrena.Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
1:7; 9:10—Nahoana ny fahatahorana an’i Jehovah no “fiandoham-pahalalana” sy “fiandoham-pahendrena”? Tsy hisy ny fahalalana, raha tsy ao ny fahatahorana an’i Jehovah, satria izy no Mpamorona ny zava-drehetra sady nanome ny Soratra Masina. (Romanina 1:20; 2 Timoty 3:16, 17) Izy no tena Loharanon’ny fahalalana marina rehetra. Ny tahotra sy fanajana an’i Jehovah àry no fiandoham-pahalalana. Fiandoham-pahendrena koa ny fahatahorana azy, satria tsy hisy ny fahendrena raha tsy eo ny fahalalana. Ankoatra izany, ny olona tsy matahotra an’i Jehovah dia tsy hampiasa izay fahalalana ananany mba hanomezam-boninahitra ny Mpamorona.
7:1, 2—Inona no dikan’ny hoe “ny teniko” sy “ny didiko”? Ankoatra ny fampianaran’ny Baiboly, dia anisan’izany koa ireo fitsipika na lalàna apetraky ny ray aman-dreny mba hahasoa ny ankohonany. Tokony hankatoavin’ny ankizy ireny fitsipika ireny, sy ny fampianarana miorina amin’ny Soratra Masina omen’ny ray aman-dreniny.
7:5—Nahoana ny mpivaro-tena no nolazaina fa “vahiny”? “Manadino ny fanekeny teo amin’Andriamaniny” ny “vahiny janga”, hoy ny Ohabolana 2:16, 17. Nantsoina hoe olona “hafa” na vahiny, ny olona nivavaka tamin’ny andriamani-diso na ninia nandika ny Lalàn’i Mosesy. Anisan’izany ny mpivaro-tena.—Jeremia 2:25; 3:13.
8:30—Iza ilay “mpità-marika” na mpiasa tena mahay? Ampitovina amin’ny olona ny fahendrena, ao amin’io toko io. Miantso ny tenany hoe “mpità-marika” izy. Tsy fomba manaitra entina anazavana ny lafiny mampiavaka ny fahendrena fotsiny, ny fampitoviana azy amin’ny olona. I Jesosy Kristy talohan’ny naha olombelona azy kosa no tondroina amin’izany. Efa ela be talohan’ny nahatongavany teto an-tany izy no noforonin’Andriamanitra “ho fiandohan’ny alehany”, izany hoe voalohany tamin’ny zavatra noforoniny. (Ohabolana 8:22) Nazoto niara-niasa tamin’ny Rainy io mpiasa tena mahay io, nandritra ny famoronana ny zava-drehetra.—Kolosianina 1:15-17.
9:17—Inona ilay “rano angalarina”, ary nahoana izy io no lazaina fa “mamy”? Oharin’ny Baiboly amin’ny fisotroana rano mamelombelona avy amin’ny lavadrano, ny fanaovana firaisana amin’ny vady. Noho izany, dia milaza firaisana miafina ataon’ny olona tsy mpivady ny rano angalarina. (Ohabolana 5:15-17) Toa faly ny olona manao izany rehefa tsy tratra, ka amin’izay heviny izay no toa mahamamy ilay rano.
Lesona ho antsika:
1:10-14. Mila mitandrina isika mba tsy ho voataonan’ny mpanota hanao ratsy, noho ny fampanantenany harena.
3:3. Tokony ho sarobidy amintsika ny famindram-po sy ny fahamarinana, ka tokony hasehontsika amin’ny olona, toy ny rojo lafo vidy eo amin’ny vozontsika. Mila soratantsika ao am-pontsika koa ireo toetra ireo, izany hoe tsy tokony hisaraka amintsika.
4:18. Mitombo tsikelikely ny fahalalana ara-baiboly. Tsy maintsy manetry tena isika, mba hitoerantsika hatrany ao amin’ny fahazavana.
5:8. Tokony hohalavirintsika ny zava-drehetra mety hitaona antsika haloto fitondran-tena. Mety ho amin’ny alalan’ny mozika izany, na filma, tele, Internet, boky, na fialam-boly hafa.
5:21. Moa ve ny olona tia an’i Jehovah Andriamanitra hanimba ny fihavanany aminy, ho takalon’ny fahafinaretana vetivety monja? Mazava ho azy fa tsia! Ny antony lehibe indrindra mandrisika antsika hadio fitondran-tena, dia ny fitadidiana fa hitan’i Jehovah ny alehantsika sady hampamoaka antsika izy.
6:1-5. Torohevitra tsara tokoa ireo! Mampitandrina antsika ireo andininy ireo mba tsy “hiantoka” ny hafa, izany hoe tsy hanao fifanekena aminy handoa ny trosa mety tsy ho voaloany, raha efa hita fa tsy fahendrena izany. Mety ho efa vita anefa ny fifanekena, vao nodinihintsika tsara, ka hitantsika hoe tsy fahendrena ilay zavatra nataontsika. Amin’izay dia mila mandeha avy hatrany “mifona mafy” amin’ilay olona isika, izany hoe miangavy azy fatratra, ary manao izay rehetra azo atao mba hanafoanana ilay fifanekena.
6:16-19. Saika ny fanao ratsy rehetra no voafaokan’ireo karazana fahotana fito ireo. Tokony hiezaka hankahala an’ireo isika.
6:20-24. Afaka miaro ny olona tsy ho resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena, ny fitaizana araka ny Soratra Masina. Tsy tokony hanao
tsirambina an’izany fitaizana izany ny ray aman-dreny.7:4. Tokony hiezaka isika mba ho tia ny fahendrena sy ny fahafantarana, izany hoe ny fahaiza-mahataka-javatra.
OHABOLANA NATAO HITARI-DALANA ANTSIKA
Oha-teny milaza zavatra mivantana ny tohin’ny ohabolan’i Solomona. Hevitra mifanohitra na mitovy no tena resahin’izy ireo, na koa fampitahana. Mampita lesona mafonja momba ny fitondran-tena sy fiteny ary toe-tsaina izy ireny.
Antitranterina ao amin’ny toko faha-10 ka hatramin’ny faha-24, fa ilaina ny tahotra sy fanajana an’i Jehovah. Ny “olon’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda” no nandrakitra an-tsoratra ireo ohabolana ao amin’ny toko faha-25 ka hatramin’ny faha-29. (Ohabolana 25:1) Mampianatra antsika hiantehitra amin’i Jehovah ireo ohabolana ireo, sady mampita lesona lehibe hafa.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
10:6; fanamarihana ambany pejy—Inona no dikan’ny hoe “loza no mandrakotra [na manarona] ny vavan’ny ratsy fanahy”? Mety hidika izany hoe manao teny mandrobo izy, mba hanafenana ny teti-dratsy kasainy hamelezana ny hafa. Mety hidika koa anefa izany hoe mampangina azy ny fankahalan’ny olona, satria mazàna no asehon’ny olona ny fankahalany ny ratsy fanahy.
10:10—Nahoana no lazaina fa miteraka alahelo ny olona “mamì-maso” na mipy maso? Sady manao “vava ratsy” ny “olona tena ratsy fanahy”, no miezaka hanafina ny tena ao am-pony, amin’ny alalan’ny fihetsika. Mety hipy maso izy, ohatra. (Ohabolana 6:12, 13) Mety hiteraka adin-tsaina mafy ho an’izay voafitany izany famitahany izany.
10:29—Inona ilay atao hoe “làlan’i Jehovah”? Tsy ny fomba fiaina tokony hananantsika no tiana holazaina amin’io, fa ny fomba itondran’i Jehovah Andriamanitra ny olona. Arovany ny tsy manan-tsiny, fa mahita fahavoazana kosa ny ratsy fanahy.
11:31—Nahoana no tokony hovaliana bebe kokoa noho ny olo-marina ny ratsy fanahy? Ny hamafin’ny sazy mihatra amin’ny tsirairay no valiny resahina eo. Mahazo fananarana ny olo-marina, ho valin’ny fahadisoany. Minia manota kosa ny ratsy fanahy ary tsy mety miova mba hanao ny tsara. Noho izany, dia mendrika ny hahazo sazy mafy izy, ary tena hihatra aminy izany.
12:23—Inona no dikan’ny hoe ‘tsy mampideradera fahalalana’? Tsy midika izany hoe tsy mampiseho fahalalana mihitsy. Midika kosa izany hoe manetry tena fa tsy mieboebo, rehefa mampiseho fahalalana.
14:17—Inona no hevitry ny hoe ‘ankahalaina ny olona mamoron-tsain-dratsy’? Ilay teny hebreo nadika hoe “mamoron-tsain-dratsy” dia midika hoe mieritreri-dratsy, nefa mety hidika koa hoe mahay misaina. Tsy mahagaga tokoa raha ankahalaina ny olona ratsy saina. Izany koa anefa no manjo ny olona mahay misaina, izay mampiasa izany fahaizany izany, ka mifidy ny ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao.’—Jaona 15:19.
18:19—Nahoana no ‘sarotra noho ny mahafaka vohitra mafy ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy’? Mety tsy hanaiky hilefitra mihitsy, toy ny vohitra mafy atao fahirano, ny olona toy izany. Tsy mety hamela heloka izy. Mety hivadika mora foana ho olana saro-bahana, toy ny “hidin’ny lapan’ny mpanjaka”, ny tsy fifanarahany amin’ilay olona nanisy ratsy azy.
Lesona ho antsika:
10:11-14. Raha tiantsika hampahery ny hafa ny tenintsika, dia tokony ho feno fahalalana marina tsara ny saintsika, hoentanin’ny fitiavana ny fontsika,
ary hifehy ny teny aloaky ny vavantsika ny fahendrena.10:19; 12:18; 13:3; 15:28; 17:28. Aoka ho vitsy ny tenintsika ary ho voahevitra tsara.
11:1; 16:11; 20:10, 23. Tian’i Jehovah hanao ny marina isika rehefa manao raharaham-barotra.
11:4. Hadalana ny mikatsaka harena nefa manao an-tsirambina ny fianarana samirery ny Baiboly, ny fanatrehana fivoriana, ny vavaka, ary ny fanompoana eny amin’ny saha.
13:4. Tsy ampy ny ‘faniriana’ hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana, na ny ‘faniriana’ hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy maintsy maneho zotom-po koa isika, ary milofo mba hahafeno fepetra.
13:24; 29:15, 21. Tsy mampihanta ny zanany na tsy miraharaha ny toetra ratsiny ny ray na ny reny be fitiavana. Manitsy ny zanany kosa izy, mba hanesorana ireny toetra ratsy ireny, dieny mbola tsy raiki-tampisaka izany.
14:10. Tsy ho voalazantsika mazava tsara foana izay any am-pontsika tsy miloaka any, sady tsy voatery ho azon’ny hafa foana koa. Noho izany, dia voafetra ihany ny fampiononana azon’izy ireo omena antsika. Tsy manana hianteherana afa-tsy i Jehovah isika indraindray, mba hiaretana ny olana mahazo antsika.
15:7. Toy ny mamafy voa ny mizara fahendrena na fahalalana. Tsy afafin’ny mpamboly eo amin’ny toerana iray daholo ny masomboliny. Toy izany koa isika. Tsy tokony holazaintsika indray mandeha daholo ny zavatra fantatsika. Mampiely tsikelikely ny fahalalany ny olona hendry, arakaraka ny ilana izany.
15:15; 18:14. Hanampy antsika hahita fifaliana ny fijerena foana ny lafy tsaran-javatra, na dia rehefa misy zavatra mampahory aza.
17:24. Tokony hiezaka hisaina tsara isika, mba hanaovantsika zavatra amim-pahendrena. Tsy tokony ho toy ny “adala” isika. Miriorio mantsy ny masony sy ny sainy, fa tsy mifantoka amin’ny zava-dehibe.
23:6-8. Tokony ho mailo isika amin’ireo olona mody malala-tanana, nefa misy tombontsoa tadiaviny amintsika.
27:21. Toy izao no andikana ny tapany farany amin’io andinin-teny io, ao amin’ny Baiboly sasany: ‘Natao hitsapana ny olona ny teny fiderana azy.’ Afaka mampiharihary ny tena toetrantsika ny teny fiderana ataon’ny olona amintsika. Hita hoe manetry tena isika, raha toa ilay izy ka mahatonga antsika hiaiky fa noho i Jehovah no hahavitantsika zavatra tsara. Miharihary koa ny fanetren-tenantsika, raha mandrisika antsika hanompo azy foana ilay teny fiderana. Hita kosa anefa hoe tsy manetry tena isika, raha mahatonga antsika hihevi-tena ho ambony ilay teny fiderana.
27:23-27. Ao amin’ireo ohabolana ireo, dia atao ohatra ny fiainan’ny mpiandry ondry aman’osy, mba hanantitranterana fa ilaina ny mianina amin’ny fiainana tsotra sy ny miasa mafy. Tena tokony handentika ao an-tsaintsika izany, fa ilaina ny miantehitra amin’Andriamanitra. *
28:5. ‘Hahalala ny zavatra rehetra’ ilaina mba hanompoana an’i Jehovah araka izay tiany isika, raha ‘mitady azy’ amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Teniny.
HAFATRA “MAVESA-DANJA”
Mifarana amin’ny hafatra roa “mavesa-danja” ny bokin’ny Ohabolana. (Ohabolana 30:1; 31:1) Voalohany, mampiasa fanoharana mampieritreritra i Agora, mba hanazavana tsara ny atao hoe faniriana tsy mety afa-po. Toy izany koa no nataony, mba hampisehoana fa tsy mora hita ny fomba anangolen’ny tovolahy ny tovovavy. * Mampitandrina antsika koa izy mba tsy hanandra-tena sy tsy hanao teny an-katezerana.
Faharoa, nahazo hafatra mavesa-danja avy tamin’ny reniny i Lemoela. Mirakitra torohevitra tsara izy io momba ny fisotroana divay sy toaka, ary ny fitsarana araka ny marina. Niresaka momba ny atao hoe vady tsara izy avy eo, ary toy izao no namaranany izany: “Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tànany; ary aoka ny asany hidera azy.”—Ohabolana 31:31.
Mahazoa fahendrena, ekeo ny fananarana, matahora an’Andriamanitra, ary miantehera amin’i Jehovah. Mampita lesona sarobidy amintsika tokoa ireo ohabolana avy amin’ny fanahy masina ireo! Aoka àry isika hampihatra ny torohevitra raketin’izy ireny. Hahatsapa ny fahasambarana tsapan’ny ‘olona matahotra an’i Jehovah’ isika amin’izay.—Salamo 112:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 50 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1991, pejy 31.
^ feh. 54 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1992, pejy 31.
[Sary, pejy 16]
Jehovah no Loharanon’ny fahalalana marina rehetra
[Sary, pejy 18]
Inona no dikan’ny hoe “mampiely” fahalalana?