Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema mba Tsy Himonomonona

Mitandrema mba Tsy Himonomonona

Mitandrema mba Tsy Himonomonona

“Izay rehetra ataonareo dia ataovy foana tsy misy fimonomononana.”—FILIPIANINA 2:14.

1, 2. Inona no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Filipy sy Korinto, ary nahoana?

BETSAKA ny teny fiderana nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonana kristianina tany Filipy, tamin’ny taonjato voalohany. Nidera an’ireo mpiray finoana taminy ireo izy, noho ny fahalalahan-tanany sy ny zotom-pony. Nilaza ny hafaliany noho ny asa tsara vitan’izy ireo koa izy. Na izany aza, dia nampahatsiahy azy ireo i Paoly hoe: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy foana tsy misy fimonomononana.” (Filipianina 2:14) Nahoana izy no nanome io torohevitra io?

2 Fantatr’i Paoly ny mety ho vokatry ny fimonomononana. Taona vitsivitsy talohan’izay, dia nampahatsiahiviny ny fiangonana tany Korinto fa mety hampidi-doza ny fimonomononana. Nasongadiny fa imbetsaka ny Israelita no nampahatezitra an’i Jehovah, tamin’izy ireo tany an-tany efitra. Nahoana i Jehovah no tezitra? Noho izy ireo naniry zava-dratsy, nanompo sampy, nijangajanga, nitsapa toetra azy, ary nimonomonona. Nampirisika ny Korintianina mba handray lesona avy tamin’izany i Paoly, ka nanao hoe: “Aoka isika tsy himonomonona, toy ny sasany tamin’ireny izay nimonomonona, ka matin’ny mpandringana.”—1 Korintianina 10:6-11.

3. Nahoana isika no mila mahafantatra ny momba ny fimonomononana?

3 Manahaka ny fiangonana tany Filipy isika mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Be zotom-po ho an’ny asa tsara isika, ary mifankatia. (Jaona 13:34, 35) Nanimba ny vahoakan’Andriamanitra fahiny anefa ny fimonomononana, ka mila arahintsika koa ilay torohevitra hoe: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy foana tsy misy fimonomononana.” Hodinihintsika aloha ny amin’ny olona sasany voalazan’ny Baiboly fa nimonomonona. Hojerentsika avy eo izay azontsika atao, mba tsy hanimba antsika izany toetra izany.

Fiangonana ratsy nimonomonona nanohitra an’i Jehovah

4. Inona no nampimonomonona ny Israelita tany an-tany efitra?

4 Ao amin’ny fitantarana an’ireo 40 taona naha tany an-tany efitra ny Israelita, no ampiasana ilay teny hebreo midika hoe ‘mimonomonona na mitaraina’, ao amin’ny Baiboly. Tsy afa-po tamin’ny fiainany ny Zanak’Israely indraindray, ka nimonomonona. Herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nanafahana azy ireo avy tamin’ny fanandevozana tany Ejipta, ohatra, dia “nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona tany an-efitra” izy rehetra. Nimonomonona momba ny sakafo izy ireo, nanao hoe: “Inay anie izahay mba matin’ny tànan’i Jehovah tany amin’ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra hianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.”—Eksodosy 16:1-3.

5. Iza no nomen’ny Israelita tsiny, raha ny marina, rehefa nimonomonona izy ireo?

5 Nikarakara izay nilain’ny Israelita tany an-tany efitra i Jehovah, raha ny marina. Nomeny sakafo sy rano izy ireo, satria tiany. Tsy natahorana ho faty mosary mihitsy ny Israelita tamin’izany. Tsy nety afa-po tamin’izay nomena azy anefa izy ireo, ka nihevitra fa mafy loatra ny fiainany, ary nanomboka nimonomonona izy. Marina fa nitaraina nanohitra an’i Mosesy sy Arona izy ireo. Tamin’i Jehovah anefa, dia izy mihitsy no nomen’izy ireo tsiny. Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Efa ren’i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.”—Eksodosy 16:4-8.

6, 7. Inona no manaporofo fa niova ny toe-tsain’ny Israelita, rehefa jerena ny Nomery 14:1-3?

6 Nimonomonona indray ny Israelita, tsy ela taorian’izay. Naniraka 12 lahy i Mosesy hisafo ny Tany Nampanantenaina. Nanao tatitra ratsy momba ilay tany ny folo lahy, rehefa niverina. Inona no vokany? “Nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny Zanak’Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy: Inay anie isika mba maty tany amin’ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ity efitra ity! Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?”—Nomery 14:1-3.

7 Tena niova ny toe-tsain’ny Israelita! Velom-pankasitrahana izy ireo taloha, ka nanao hira fiderana ho an’i Jehovah, rehefa nafahana avy tany Ejipta sy tafita ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 15:1-21) Niatrika zava-tsarotra anefa izy ireo tany an-tany efitra, ary natahotra an’ireo Kananita. Lasa tsy nahay nankasitraka intsony izy ireo tamin’izay, ary tsy nety afa-po tamin’izay nomena azy. Tsy nisaotra an’Andriamanitra noho ny fahafahany izy ireo, fa nihevitra hoe nihafy be, ka nanome tsiny azy. Hita tamin’ny fimonomononan’izy ireo àry, fa tsy ampy ny fankasitrahany an’ireo fanomezan’i Jehovah. Tsy mahagaga raha nilaza i Jehovah hoe: “Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao?”—Nomery 14:27; 21:5.

Fimonomononana tamin’ny taonjato voalohany

8, 9. Iza avy, ohatra, no voalazan’ny Soratra Grika Kristianina fa nimonomonona?

8 Nimonomonona an-karihary ny Israelita, mba hampisehoana ny tsy fahafaham-pony, araka ny hitantsika teo. Nifanohitra tamin’izany kosa no nitranga rehefa tonga tao Jerosalema i Jesosy Kristy, mba hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, tamin’ny taona 32. “Nitakoritsika be ... momba azy ny vahoaka” tamin’izay. (Jaona 7:12, 13, 32) Nibitsibitsika momba azy izy ireo, ka ny sasany nilaza fa olona tsara fanahy izy, ary ny hafa nilaza zavatra nifanohitra tamin’izany.

9 Tamin’ny fotoana hafa indray, dia nivahiny tany amin’i Levy, na Matio mpamory hetra, i Jesosy sy ny mpianany. “Nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalànany” tamin’izay, ka niteny hoe: “Fa nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” (Lioka 5:27-30) ‘Nisy Jiosy nimonomonona’ tamin’i Jesosy koa tany Galilia tatỳ aoriana, “noho izy nilaza hoe: ‘Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.’ ” Na ny mpianany sasany koa aza dia tafintohina tamin’ny teniny, ka nimonomonona.—Jaona 6:41, 60, 61.

10, 11. Nahoana ireo Jiosy niteny grika no nimonomonona, ary inona no ianaran’ny anti-panahy avy amin’ny fepetra noraisina vokatry ny fitarainan’izy ireo?

10 Nisy olon-kafa nimonomonona koa, taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, saingy tsara ny vokany. Niantrano tao amin’ny mpiara-manompo tany Jodia ny maro tamin’ny Jiosy lasa Kristianina, avy tany ivelan’i Israely. Nisy olana nitranga anefa tamin’izay, momba ny fizarana fanampiana. “Nanjary nimonomonona tamin’ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika, satria hadino ny vehivavy mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaran-tsakafo isan’andro.”—Asan’ny Apostoly 6:1.

11 Tsy toy ny Israelita tany an-tany efitra ireo olona nimonomonona ireo. Tsy noho ny fitiavan-tena mantsy no nanaovany izany, ary tsy nitaraina noho ny tsy fahafaham-pony tamin’ny fiainany manokana izy ireo. Nisarika ny saina ho amin’ireo mpitondratena tsy voakarakara tsara kosa izy ireo. Tsy nanakorontana koa izy ireo, na nanome tsiny an’i Jehovah. Nitaraina tamin’ny apostoly izy ireo, ary nanao zavatra haingana ny apostoly satria ara-drariny ilay fitarainana. Ohatra tsara ho an’ny anti-panahy ankehitriny tokoa ireo apostoly! Mitandrina ireo mpiandry ireo, mba tsy ‘hanentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny malahelo.’—Ohabolana 21:13; Asan’ny Apostoly 6:2-6.

Manimba tsikelikely ny fimonomononana

12, 13. a) Hazavao amin’ny ohatra ny vokatry ny fimonomononana. b) Inona no mety hahatonga ny olona himonomonona?

12 Hitantsika tamin’ny ankamaroan’ireo ohatra avy ao amin’ny Baiboly ireo, fa nitondra fahavoazana be ho an’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny ny fimonomononana. Ilaintsika àry ny mitadidy fa mety hanimba tsikelikely izy io. Haka ohatra isika mba hampahazava tsara izany. Maro ny karazana vy mora harafesina. Raha manomboka misy harafesina ny vy, nefa tsy karakaraina, dia ho harafesina tanteraka ilay izy, ka tsy ho azo ampiasaina intsony amin’ny farany. Izany no antony anariana fiara maro. Mandeha tsara ihany angamba ny kojakoja ao anatiny, saingy feno harafesina ny vatany, ka lasa mampidi-doza ilay izy. Inona no itovian’ny harafesina sy ny fimonomononana?

13 Toy ny karazana vy sasany izay mora harafesina, dia mora mitaraina ny olona tsy lavorary. Tokony ho mailo àry isika, ka handini-tena sao mitady ho be taraina. Vao mainka mora harafesina ny vy, rehefa tratran’ny hamandoana sy ny rivotra misy sira. Rehefa miatrika zava-tsarotra koa isika, no vao mainka lasa mora mitaraina. Mety hoheverintsika ho raharaha lehibe mampitaraina ny fahasorisorenana madinidinika, rehefa eo ny adin-tsaina. Miharatsy hatrany ny fiainana amin’izao andro farany izao, ka azo inoana fa hihabetsaka ny anton-javatra mety hampitaraina. (2 Timoty 3:1-5) Noho izany, dia mety hanjary himonomonona momba ny mpiara-manompo aminy ny mpanompon’i Jehovah. Mety ho zavatra madinika no anton’ilay izy, toy ny fahasosorana noho ny kileman-toetran’ny hafa, na ny fahaizany, na ny tombontsoam-panompoany.

14, 15. Nahoana isika no mila mifehy tena mba tsy ho be taraina?

14 Na inona na inona antony tsy mahafaly antsika, ka tsy mifehy tena isika fa zatra mitaraina, dia mety ho lasa olona tsy mety afa-po sy mimonomonona lava. Hitondra fahavoazana tsikelikely ho antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fimonomononana, ka mety hanimba antsika tanteraka mihitsy. Tonga hatramin’ny fanomezan-tsiny an’i Jehovah ny Israelita, rehefa nimonomonona momba ny fiainany tany an-tany efitra. (Eksodosy 16:8) Enga anie isika tsy hanao toy izany mihitsy!

15 Mihena ny harafesina amin’ny vy, rehefa hosorana loko miaro azy tsy ho harafesina ilay izy, sady amboarina izay faritra mihasimba. Azo ahena toy izany koa ny fahazarana mitaraina, raha tsapantsika fa izany no toetrantsika. Mila manao zavatra avy hatrany isika, ka hivavaka mba hanitsiana izany. Inona avy no afaka manampy antsika?

Miezaha hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah

16. Raha zatra mitaraina isika, inona no hanampy antsika hiala amin’izany?

16 Mampifantoka ny saintsika amin’ny tenantsika sy ny zava-manahirana antsika isika, rehefa mimonomonona, ary manadino ireo fitahiana ananantsika noho isika Vavolombelon’i Jehovah. Raha zatra mitaraina isika ka te hiala amin’izany, dia mila miezaka mifantoka amin’ireo fitahiana ireo. Voninahitra lehibe ho antsika tsirairay, ohatra, ny mitondra ny anaran’i Jehovah. (Isaia 43:10) Afaka miresaka amin’ilay “Mpihaino vavaka”, amin’ny fotoana rehetra isika, sady afaka mifandray akaiky aminy. (Salamo 65:2; Jakoba 4:8) Tena misy heviny ny fiainantsika, satria azontsika tsara ilay adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao, ary fantatsika fa manana tombontsoa tsy hivadika amin’Andriamanitra isika. (Ohabolana 27:11) Afaka mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika. (Matio 24:14) Afaka manana feon’ny fieritreretana madio isika, noho ny finoantsika ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16) Manana an’ireo fitahiana ireo foana isika, na inona na inona zava-tsarotra iaretantsika.

17. Nahoana isika no tokony hiezaka hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah, na dia rehefa manana antony ara-drariny hitarainana aza?

17 Aoka isika hiezaka hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah, fa tsy ny fomba fihevitsika manokana fotsiny. Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” (Salamo 25:4) Raha manana antony ara-drariny hitarainana isika, dia azo antoka fa efa hitan’i Jehovah izany. Azony ovana avy hatrany ny toe-javatra. Inona anefa no antony amelany zava-tsarotra hitohy indraindray? Angamba mba hanampiana antsika hanana toetra tsara, toy ny faharetana, fiaretana, finoana, ary fahari-po.—Jakoba 1:2-4.

18, 19. Hazavao amin’ny ohatra ny mety ho vokany, rehefa miaritra ny olana madinidinika mitranga isika fa tsy mitaraina.

18 Raha miaritra ny olana madinidinika mitranga isika, fa tsy mitaraina, dia afaka manatsara ny toetrantsika, sady mety hampiaiky volana ny olon-kafa mijery antsika. Handeha hamonjy fivoriambe tany Hongria ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro avy tany Alemaina, tamin’ny 2003. Tafaraka bisy izy ireo. Tsy Vavolombelona ilay mpamily, ary tsy nazoto loatra izy ny hiaraka amin’ny Vavolombelona mandritra ny folo andro. Niova hevitra tanteraka anefa izy rehefa nifarana ilay dia. Nahoana?

19 Nisy olana maromaro teny an-dalana, nefa tsy nitaraina mihitsy ireo Vavolombelona. Nilaza ilay mpamily fa izy ireo no nahafinaritra azy indrindra tamin’ny olona nentiny hatramin’izay! Nampanantena mihitsy aza izy fa hampandroso an’ireo Vavolombelona tonga any aminy amin’ny manaraka, ary hihaino tsara azy ireo. Tsara dia tsara tokoa ny vokany, rehefa ‘nanao ny zava-drehetra tsy nisy fimonomononana’ ireo mpandeha ireo!

Mampiray saina ny famelan-keloka

20. Nahoana isika no tokony hifamela heloka?

20 Ahoana raha manana antony hitarainana momba ny mpiray finoana amintsika isika? Tokony hampihatra ny toro lalana nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:15-17 isika, raha toa ka raharaha lehibe ilay izy. Tsy voatery hanao io dingana io foana anefa isika, satria olana madinidinika ny ankamaroan’ny zavatra mampitaraina antsika. Nahoana moa raha raisina ho fahafahana hamela heloka ilay zava-mitranga? Hoy i Paoly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kolosianina 3:13, 14) Moa ve isika vonona hamela heloka? I Jehovah aza manana antony hitarainana momba antsika, sa tsy izany? Imbetsaka anefa izy no mangoraka antsika sy mamela ny fahotantsika.

21. Inona no mety hataon’ny hafa, rehefa mahare olona mimonomonona?

21 Na inona na inona mampitaraina antsika, dia tsy mitondra vahaolana ny fimonomononana. Mety hidika koa hoe “mimenomenona amin-katezerana”, ilay teny hebreo nadika hoe “mimonomonona.” Azo inoana fa tsy mampahazo aina antsika ny miaraka amin’olona mimonomonona lava. Ataontsika mihitsy angamba izay hanalavirana azy. Mety ho izany koa no ho tsapan’ny olona mihaino antsika, raha mimonomonona na mimenomenona amin-katezerana isika. Mety tsy hahazo aina mihitsy izy ireo, ka te hanalavitra antsika! Mety hanaitra ny sain’ny olona ny fimenomenonana amin-katezerana, nefa azo antoka fa tsy hahasarika ny fony.

22. Inona no nolazain’ny tovovavy iray momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

22 Ny fitiavana mamela heloka dia mampisy firaisan-tsaina, izay tena ankafizin’ny vahoakan’i Jehovah. (Salamo 133:1-3) Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tovovavy katolika iray 17 taona, tany Eoropa. Nilaza izy fa tena nampiaiky volana azy ny Vavolombelona. Hoy izy: “Io ihany no fikambanana fantatro hoe tsy ahitana olona misaratsaraka noho ny fankahalana, ny fitiavan-karena, ny tsy fandeferana, ny fitiavan-tena, na ny fisaraham-bazana.”

23. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

23 Ilaintsika ny mankasitraka ireo fitahiana ara-panahy rehetra raisintsika noho isika mpanompon’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Hanampy antsika izany mba hiray saina hatrany sy tsy himonomonona, rehefa manao safidy momba ny fiainany manokana ny hafa. Tena mampidi-doza koa anefa ny mimonomonona momba ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa hisakana antsika tsy hanao izany ny fananana ireo toetra ampianarin’Andriamanitra antsika.

Tadidinao Ve?

• Inona no atao hoe mimonomonona, ary nahoana no mimonomonona ny olona sasany?

• Hazavao amin’ny ohatra ny vokatry ny fimonomononana.

• Raha zatra mimonomonona isika, inona no hanampy antsika hiala amin’izany?

• Nahoana ny fahavononana hamela heloka no manampy antsika tsy himonomonona?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Nimonomonona nanohitra an’i Jehovah ireo Israelita, raha ny marina!

[Sary, pejy 17]

Miezaka ny hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah ve ianao?

[Sary, pejy 18]

Mampiray saina ny Kristianina ny famelan-keloka