Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Milaza ny Salamo 102:26 fa “ho levona” ny tany sy ny lanitra. Midika ve izany fa ho potika ity Tany ity?
Hoy ny mpanao salamo, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah: “Tany aloha no nanorenanao ny tany; ary asan’ny tànanao ny lanitra. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy.” (Salamo 102:25, 26) Hita amin’ireo andinin-teny eo amin’io toko io ihany, fa tsy miresaka momba ny famotehana ny tany ireo teny ireo, fa momba ny maha mandrakizay an’Andriamanitra. Hita eo koa hoe nahoana ny maha mandrakizay azy no mampahery ny mpanompony.
Babo tany Babylona angamba ilay mpanao salamo tamin’izay, ary nitantara ny fahoriany izy raha vao nanomboka nivavaka. Nitaraina izy fa mihelina toy ny “setroka” ny fiainany. Nampijaly azy ny tebitebin-tsainy, ka lasa toy ny ‘main’ny’ afo ny taolany. Lanaka tanteraka izy, ka maina “tahaka ny ahitra”, ary nanirery “tahaka ny tsikirity irery eo an-tampon-trano.” Tsy nahahinan-kanina izy noho ny fitsapana nahazo azy, ary alahelo no nameno ny androny. (Salamo 102:3-11) Tsy namoy fo anefa ilay mpanao salamo. Nahoana? Noho ny fampanantenan’i Jehovah mahakasika an’i Ziona na Jerosalema.
Efa rava tanteraka i Ziona tamin’izay, nefa nampanantena i Jehovah fa hamerina azy io amin’ny laoniny. (Isaia 66:8) Noho izany, dia feno toky izy nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Hianao ... hamindra fo amin’i Ziona; fa efa andro hamindram-po aminy izao; eny, tonga ny fotoana. Fa Jehovah nanangana an’i Ziona.” (Salamo 102:13, 16) Niresaka momba ny fijaliany indray ilay mpanao salamo avy eo. Nahazo antoka izy fa afaka hanavotra azy amin’ny fahoriany mangidy Andriamanitra, satria i Jerosalema efa rava aza mbola ho vitany ny hanarina azy, noho ny heriny. (Salamo 102:17, 20, 23) Nisy zavatra hafa koa anefa nahatonga azy hitoky tanteraka amin’i Jehovah. Inona izany? Ny fahafantarany fa mandrakizay Andriamanitra.
Mandrakizay i Jehovah, fa tena fohy kosa ny androm-piainan’ilay mpanao salamo raha ampitahaina amin’izany. “Ny taonanao mihatra amin’ny taranaka fara mandimby”, hoy izy tamin’i Jehovah. (Salamo 102:24) Niteny koa izy avy eo hoe: “Tany aloha no nanorenanao ny tany; ary asan’ny tànanao ny lanitra.”—Salamo 102:25.
Na efa ela toy inona aza anefa no nisian’ny tany sy ny lanitra, dia mbola tsy afaka mitaha amin’i Jehovah izay efa nisy foana sady haharitra mandrakizay. Hoy ihany ilay mpanao salamo: “Ireo [ny tany sy ny lanitra] dia ho levona, fa Hianao no maharitra.” (Salamo 102:26) Mety potika ny tany sy ny lanitra. Marina aloha fa nilaza i Jehovah any amin’ny andinin-teny hafa hoe haharitra mandrakizay izy ireo. (Salamo 119:90; Mpitoriteny 1:4) Azo potehina anefa izy ireo, raha izay no sitrapony. Andriamanitra kosa anefa tsy mety maty. Matoa mbola ‘mitoetra mandrakizay’ ny zavaboary rehetra, dia satria mikarakara azy ireo izy. (Salamo 148:6) “Ho rovitra toy ny fitafiana” izy ireny, izany hoe ho simba, raha tsy havaozin’i Jehovah tsy tapaka. (Salamo 102:26) Azon’i Jehovah atao ny tsy mikarakara intsony ny zavaboariny, ka ho foana tanteraka izy ireny. Mbola ho eo foana izy na dia hitranga aza izany, toy ny olona izay mbola velona foana na dia simba aza ny fitafiany. Porofoin’ny andinin-teny hafa anefa, fa tsy sitrapon’i Jehovah velively ny hahapotika ny zavatra noforoniny. Manome toky antsika kosa ny Teniny, fa nataony haharitra mandrakizay ny tany sy ny lanitra.—Salamo 104:5.
Mampahery ny mahalala fa ho eo foana i Jehovah, mba hanatanteraka ny fampanantenany rehetra. Na inona na inona fitsapana mahazo antsika, ka mitalaho aminy isika, dia afaka matoky fa ‘hijery ny fivavaky ny mahantra Izy, [ary] tsy hanevateva ny fivavany.’ (Salamo 102:17) Araka izany, dia mampanantena i Jehovah ao amin’ny Salamo faha-102 fa hanohana antsika foana izy, ary mafy orina noho ity tany misy antsika ity izany fanomezan-toky izany.