Miaramilan’i Kristy Aho ka Vonona ny Hiaritra
Tantaram-piainana
Miaramilan’i Kristy Aho ka Vonona Hiaritra
NOTANTARAIN’I YURII KAPTOLA
“Miaiky aho fa tena manam-pinoana ianao!” Tsy nampoiziko hoe miaramila tao amin’ny tafika sovietika no hiteny toy izany. Nampahery ahy tamin’ny fotoana nilako azy indrindra ireo teny ireo. Voasazy higadra an-taonany maro mantsy aho, ka nitalaho ny fanampian’i Jehovah. Nila niaritra sy tapa-kevitra aho, mba hiatrehana zava-tsarotra nandritra ny fotoana ela.
TERAKA tamin’ny 19 Oktobra 1962 aho, ary lehibe tany andrefan’i Ukraine. Tamin’io taona io no nanomboka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada, antsoina koa hoe Yurii. Tsy ela dia izy no voalohany lasa mpanompon’i Jehovah, tao an-tanànanay. Nanohitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana, ary fantatr’izy ireo izay nataon’i Dada.
Tsara toetra sy niahy ny hafa anefa ny ray aman-dreninay, ka nohajain’ny ankabeazan’ny mpiara-monina taminay. Nataon’ny ray aman-dreninay izay rehetra azony natao mba hahatonga anay efatra mianadahy ho tia an’Andriamanitra, dieny mbola kely. Nanampy ahy hiatrika zava-tsarotra maro tany am-pianarana izany. Nilazana, ohatra, ny mpianatra rehetra indray andro, mba hitondra karatra famantarana ny Ankizy Mpanohana an’i Lénine. Tsy nety nanao an’ilay karatra anefa aho satria Kristianina, ka niavaka tamin’ny rehetra.—Jaona 6:15; 17:16.
Nasaina niditra tao amin’ny fikambanan’ny tanora kominista daholo ny mpianatra, tamin’izaho sivy taona teo ho eo. Nasaina nankeo an-tokotany izahay iray kilasy, nandritra
ny lanonam-pisoratana anarana. Natahotra aho, ary nanahy ny ho bedy sy hisy haneso. Izaho irery mantsy no tsy nitondra fehintenda mena vaovao avy tany an-trano. Io no namantarana fa anisan’ilay fikambanana ny ankizy iray. Nilahatra teo anoloan’ny tale sy ny mpampianatra, ary ireo mpianatra lehibe kokoa izahay. Nasaina namatotra ny fehintendanay ireo mpianatra lehibe kokoa. Niondrika aho sady nijery ambany mba tsy hisy hahita.Nigadra lavitra be
Voaheloka higadra telo taona aho, tamin’izaho 18 taona, satria tsy nanaiky hanao miaramila. (Isaia 2:4) Tany amin’ny tanànan’i Trudovoye, any Vinnytsia, Ukraine aho aloha no nigadra nandritra ny herintaona. Vavolombelon’i Jehovah 30 teo ho eo no hitako tao. Nasain’ny tompon’andraikitra niasa tsiroaroa izahay, satria tsy tiany hiaraka daholo.
Nentina tany amin’ny Tendrombohitra Oural tany avaratra izaho sy ny Vavolombelona iray antsoina hoe Eduard, sy ny voafonja maromaro, tamin’ny Aogositra 1982. Nandeha lamasinina nandritra ny valo andro izahay. Nifanitsa-kitro izahay tao sady nafana be. Izany no niainanay mandra-pahatonganay tao amin’ny Fonjan’ny Solikamsk any Perm. Tsy nampiarahina efitra izaho sy Eduard. Nalefa tany Vels, any Krasnovishersk tany avaratra kokoa aho, tapa-bolana tatỳ aoriana.
Tonga tamin’ny misasakalina ny fiara nitondra anay. Maizin-kitroka tamin’izay, nefa nandidy anay handeha lakana sy hiampita renirano ny manam-pahefana iray. Tsy nisy hitanay na ny renirano na ny lakana! Nitsapatsapa teny amin’ny manodidina anefa izahay, ka nahadona lakana iray ihany tamin’ny farany. Tafita soa aman-tsara ihany izahay na dia natahotra aza. Nahatazana hazavana teo amin’ny havoana teo akaiky teo izahay ka nizotra nankany. Nahita tranolay vitsivitsy izahay rehefa tonga teny, ary ireo no ho tranonay vaovao. Lehibebe ihany ny tranolay nisy ahy sy ireo voafonja 30 teo ho eo. Zara raha naharo anay anefa ilay tranolay rehefa ririnina ny andro, satria nahatratra 40 degre ambanin’ny zero ny hatsiaka indraindray. Nikapa hazo no tena asan’ny voafonja, fa izaho kosa nandrafitra trano hipetrahan’ny voafonja.
Nisy nandefa Baiboly tany amin’ilay faritra nitokana
Tsy nahafoy ahy i Jehovah, na dia izaho irery aza no Vavolombelona tany amin’ilay toerana. Mbola tany andrefan’i Ukraine i Neny no nipetraka tamin’izay. Nisy fonosana nalefany indray andro. Nosokafan’ny mpiambina ilay izy, ary Baiboly kely iray no zavatra hitany voalohany tao. Noraisiny ilay izy ary navadibadiny. Nieritreritra aho hoe inona àry no holazaiko mba tsy hakany an’iny zava-tsarobidy amiko iny. Nanontany tampoka izy hoe: “Inona ity?” Raha mbola teo am-pieritreretana izay havaliko aho, dia hoy ny mpanao fisavana iray nijoro teo akaiky teo: “Diksionera iny e!” Tsy niteny na inona na inona aho. (Mpitoriteny 3:7) Nomen’ilay mpanao fisavana ahy ilay fonosana sy ilay Baiboly sarobidy, rehefa avy nosavainy daholo ny ambiny. Faly erỳ aho, ka nomeko zavatra azo hanina avy tao anatin’ilay fonosana izy. Rehefa naharay io fonosana io aho, dia fantatro fa tsy nanadino ahy i Jehovah. Tsara fanahy izy ka nanampy ahy, sady nikarakara izay nilaiko mba hanatanjahako ny finoako.—Hebreo 13:5.
Tsy nitsahatra nitory
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia gaga aho fa naharay taratasy avy tamin’ny rahalahy kristianina iray, nigadra tany amin’ny 400 kilaometatra teo ho eo. Nasainy nikaroka lehilahy iray liana tamin’ny hafatra torin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Mety ho tao amin’ny toby nisy ahy, hono, izy io. Tsy fahendrena mihitsy anefa ny mandefa taratasy milaza an-karihary zavatra toy izany, satria nosavaina ny taratasinay. Tsy nahagaga àry raha nampanantsoin’ny tompon’andraikitra iray tany amin’ny biraony aho, ary norarany Asan’ny Apostoly 4:20) Hitan’ilay tompon’andraikitra fa tsy azony nampitahorina aho, ka nasainy nivoaka, ary nafindra toby.
mafy tsy hitory intsony. Nasainy nanao sonia taratasy nilaza fa tsy hitory intsony aho. Nilaza aho fa tsy azoko ny antony tokony hanaovako sonia taratasy toy izany, satria efa fantatry ny rehetra hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Nisy voafonja koa te hahalala ny antony nigadrako, ka inona no havaliko azy ireo? (Nalefa tany amin’ny 200 kilaometatra, tany Vaya aho. Nanaja ahy ny mpiandraikitra ny toby tany, noho izaho Kristianina. Nasaina nanao ny asan’ny mpandrafitra aho tamin’ny voalohany, ary avy eo elektrisianina. Nahitako olana anefa ireo asa ireo. Nilazana aho, ohatra, indray mandeha mba hitondra ny fitaovako tany an-tanàna. Faly erỳ ireo miaramila tao rehefa nahita ahy. Nanomana ilay fety fanao isan-taona, hankalazana ny Andron’ny Tafika Mena izy ireo, ary sahirana fa tsy nety nandeha tsara ny jiro nandravaka ny fanevany. Tian’izy ireo hanampy azy hanamboatra izany aho. Nivavaka sy nieritreritra momba ilay izy aho, ary nilaza fa tsy azoko atao izany. Nomeko azy ireo ny fitaovako, ary lasa aho nandeha. Nisy nitatitra tany amin’ny mpitantana lefitra izany. Nihaino ilay fitarainana izy, ary gaga aho rehefa niteny izy hoe: “Manaja azy noho izany aho. Lehilahy mijoro amin’ny heviny izy.”
Fampaherezana tsy nampoizina
Nafahana aho tamin’ny 8 Jona 1984, rehefa nigadra telo taona katroka. Tsy maintsy nampahafantatra ny milisy aho hoe efa nigadra, rehefa tafaverina tany Ukraine. Nilaza tamiko ny manam-pahefana tao fa hotsaraina indray aho rehefa afaka enim-bolana, ka tsara kokoa raha tsy nijanona tany Ukraine mihitsy. Niala tany àry aho, ary nahita asa teto Letonia tamin’ny farany. Afaka nitory nandritra ny fotoana kelikely aho, ary nifanerasera tamin’ireo Vavolombelona vitsivitsy tao Riga renivohitra sy ny manodidina. Voantso ho miaramila indray anefa aho, herintaona monja tatỳ aoriana. Nilazako ny manam-pahefana tao amin’ny birao mikarakara ny fiantsoana miaramila, fa efa nanda tsy hanao miaramila aho taloha. Nivazavaza izy hoe: “Mba fantatrao moa izao ataonao izao? Ho hitantsika eo izay holazainao any amin’ny lietnà kolonely!”
Nentiny tany amin’ny biraon’ilay lietnà kolonely, tany amin’ny rihana voalohany aho. Nipetraka teo anoloan’ny latabatra lava iray izy, ary nihaino tsara rehefa nanazava ny toerana tanako aho. Nilaza tamiko izy avy eo fa mbola manam-potoana hieritreretana aho, alohan’ny hisehoako eo anatrehan’ny komity mikarakara ny fiantsoana miaramila. Rehefa nivoaka ny biraon’ilay lietnà izahay, dia niteny ilay manam-pahefana nasiaka tamiko teo hoe: “Miaiky aho fa tena manam-pinoana ianao!” Niseho teo anatrehan’ilay komity àry aho, ary nilaza indray fa tsy hanao miaramila. Navelan’izy ireo handeha aho aloha.
Nipetraka tany amin’ny hotely aho nandritra izany fotoana izany. Nisy nandondona moramora tao am-baravarana, indray hariva. Lehilahy nanao kompile sady nilanja kitapo no hitako rehefa nosokafako ny varavarana. Nampahafantatra ny tenany izy ka nilaza hoe:
“Avy ao amin’ny Fiarovam-pirenena aho. Fantatro fa manana olana ianao, ary hotsaraina atsy ho atsy.” Namaly aho hoe: “Marina izany tompoko!” Hoy ilay lehilahy: “Afaka manampy anao izahay raha manaiky hiara-miasa aminay ianao.” Hoy aho: “Tsy hanao izany mihitsy aho. Tsy hivadika amin’ny finoako aho.” Tsy niezaka nandresy lahatra ahy izy, fa lasa.Nigadra indray nefa nitory ihany
Nosazin’ny fitsarana letonianina tao Riga hanao asa an-terivozona nandritra ny efa-taona aho, tamin’ny 26 Aogositra 1986. Tao amin’ny Fonja Foibe tao Riga aho no nigadra. Nataon-dry zareo tao amin’ny efitra lehibe iray nisy voafonja 40 aho, ary niezaka nitory tamin’ny voafonja tsirairay tao. Nihambo ho nino an’Andriamanitra ny sasany. Ny hafa kosa naneso fotsiny. Voamariko fa nitsitokotoko ireo voafonja. Nilaza ny mpitarika an’ireo antokon’olona ireo fa tsy nahazo nitory aho, satria tsy nanaraka ny lalàn-dry zareo. Nanazava aho hoe izany indrindra no antony igadrako. Hafa ny lalàna mifehy ahy.
Nitory foana aho, saingy niafinafina. Nahita voafonja liana aho, ary afaka nampianatra Baiboly ny efatra taminy. Nosoratan-dry zareo tao anaty karine ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly niarahanay nidinika. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nalefa tany amin’ny toby tsara ambina tany Valmiera aho, ary elektrisianina no asako. Afaka nampianatra Baiboly ny elektrisianina iray aho tany, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, efa-taona tatỳ aoriana.
Nafindra toby teny akaiky teny aho tamin’ny 24 Martsa 1988. Tena fitahiana izany, satria nalalaka kokoa aho tany. Nasaina niasa tany amin’ny toeram-panorenana samihafa aho, ary nitady fomba hitoriana foana. Nivoaka ny toby aho matetika. Nitory mandra-pahalin’ny andro aho, nefa tsy nisy olana mihitsy rehefa niverina tany amin’ny toby.
Nitahy ny ezaka nataoko i Jehovah. Nisy Vavolombelona vitsivitsy nipetraka tamin’ny tanàna akaikin’ilay toby. Anabavy be taona iray, nantsoina hoe Vilma Krūmin̗a, ihany anefa no nipetraka tao amin’ny tanàna nisy an’ilay toby. Nanomboka nampianatra Baiboly tanora maro izahay sy ny anabavy Krūmin̗a. Nisy rahalahy sy anabavy avy tany Riga koa, indraindray, tonga nitory niaraka taminay. Mpisava lalana maharitra avy any Leningrad (Saint-Pétersbourg amin’izao fotoana) mihitsy aza ny sasany. Nanampy anay i Jehovah, ka afaka nanomboka fampianarana Baiboly vitsivitsy izahay. Tsy ela aho, dia afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana, ary nanokana 90 ora isam-bolana nitoriana.
Naverina notsarain’ny Fitsaram-bahoaka tao Valmiera aho tamin’ny 7 Aprily 1990. Rehefa nanomboka ilay fitsarana dia voamariko fa hay olona efa fantatro ilay mpampanoa lalàna. Niara-nidinika Baiboly tamiko izy tamin’izy mbola tovolahy! Tadidiny aho, ary nitsiky izy fa tsy niteny na inona na inona. Mbola tsaroako ny nolazain’ilay mpitsara tamin’iny andro iny. Hoy izy: “Tsy rariny ry Yurii ilay nampidirana anao am-ponja, efa-taona lasa izay. Tsy tokony ho nomelohin-dry zareo ianao.” Tsy nampoiziko fa nafahana aho!
Miaramilan’i Kristy
Nila nankany amin’ilay birao mikarakara ny fiantsoana miaramila indray aho, tamin’ny Jona 1990, mba hahazoana alalana hipetraka tao Riga. Niditra tao amin’ilay birao aho, ary mbola teo ilay latabatra lava. Efa-taona lasa izay no nilazako tamin’ilay lietnà kolonely tao fa tsy hanao miaramila aho. Nitsangana izy ary niarahaba ahy, tamin’ity indray mandeha ity. Namihina mafy ny tanako izy, sady nilaza hoe: “Manala baraka mihitsy ireny zavatra nampiharina taminao ireny. Miala tsiny indrindra tamin’izay nitranga.”
Hoy aho: “Miaramilan’i Kristy aho, ka tsy maintsy mamita ny asa nanirahana ahy. Afaka manampy anao ho sambatra sy hanana hoavy 2 Timoty 2:3, 4) Namaly ilay kolonely hoe: “Vao haingana aho no nividy Baiboly, ary mamaky azy io aho izao.” Nisy ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany tany amiko. * Nosokafako teo amin’ny toko miresaka momba ny famantarana ny andro farany ilay izy. Nasehoko azy fa misy ifandraisany ny faminanian’ny Baiboly sy ny androntsika. Tena nankasitraka ilay kolonely, ka nofihininy mafy indray ny tanako, ary nirary fahombiazana ho ahy izy.
mandrakizay koa ny Baiboly. Nampanantena izany ho an’ny mpanara-dia azy mantsy i Kristy.” (Efa masaka hojinjaina ny vokatra teto Letonia, tamin’izay, raha ny fitoriana no resahina. (Jaona 4:35) Lasa anti-panahin’ny fiangonana aho tamin’ny 1991. Anti-panahy roa monja izahay no teto Letonia! Lasa nisy fiangonana roa teto, herintaona taorian’izay. Miteny letonianina ny iray, ary ilay iray miteny rosianina. Tao amin’ilay fiangonana miteny rosianina aho no voatendry. Vetivety dia nihabetsaka ny Vavolombelona, ka lasa nisy fiangonana roa hafa ankoatra anay indray, ny taona nanaraka! Hita fa nitarika ny ondriny ho amin’ny fandaminany i Jehovah, rehefa todihina ny lasa.
Voatendry ho mpisava lalana manokana teto Jelgava aho, tamin’ny 1998. Tanàna 40 kilaometatra atsimoandrefan’i Riga izy io. Nisy Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana natao tao Solnetchnoïe, any akaikin’i Saint-Pétersbourg any Rosia, tamin’io taona io. Natao tamin’ny teny rosianina ilay izy, ary anisan’ny rahalahy voalohany avy eto Letonia nasaina hanatrika azy io aho. Nanjary takatro, nandritra ilay sekoly, fa zava-dehibe ny hitiavana ny olona mba hahombiazana eo amin’ny fanompoana. Ankoatra ny zavatra nianaranay, dia tena mbola nahafinaritra ahy koa ny fitiavana sy ny fiheverana, nasehon’ny fianakavian’ny Betela sy ireo mpampiofana.
Nisy zavatra iray niavaka teo amin’ny fiainako tamin’ny 2001. Nanambady Kristianina mahafinaritra antsoina hoe Karina aho. Lasa mpanompo manontolo andro manokana niaraka tamiko izy. Mampahery ahy isan’andro, ny mahita ny vadiko falifaly erỳ rehefa avy manompo. Tena mahafaly tokoa ny manompo an’i Jehovah! Nampianatra ahy hitoky tanteraka aminy ireo zava-tsarotra niainako teo ambany fitondrana kominista. Tsy misy sorona ka hoe lehibe loatra ho an’ny olona iray, raha te hifandray akaiky foana amin’i Jehovah sy hanohana ny zony hitondra izy. Misy zava-kendrena ny fiainako, satria manampy ny hafa hianatra momba an’i Jehovah aho. Voninahitra lehibe ho ahy ny manompo azy amin’ny maha “miaramila tsaran’i Kristy.”—2 Timoty 2:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 29 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.
[Sary, pejy 10]
Voasazy hanao asa an-terivozona efa-taona sy higadra tao amin’ny Fonja Foibe tao Riga aho
[Sary, pejy 12]
Miara-manompo amin’i Karina