Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitory ny Voninahitr’Andriamanitra ny Zavaboary!

Mitory ny Voninahitr’Andriamanitra ny Zavaboary!

Mitory ny Voninahitr’Andriamanitra ny Zavaboary!

“Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.”​—SALAMO 19:1.

1, 2. a) Nahoana ny olombelona no tsy afaka mahita mivantana ny voninahitr’Andriamanitra? b) Ahoana no nanomezan’ireo anti-panahy 24 voninahitra an’Andriamanitra?

“TSY mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.” (Eksodosy 33:20) Izany no fampitandremana nomen’i Jehovah an’i Mosesy. Koa satria marefo ny olombelona, dia tsy afaka ny ho velona izy raha mahita mivantana ny voninahitr’Andriamanitra. Nahazo fahitana mahavariana momba an’i Jehovah anefa ny apostoly Jaona. Hitany nipetraka teo ambony seza fiandrianany be voninahitra izy.​—Apokalypsy 4:1-3.

2 Tsy toy ny olombelona anefa ny zavaboary ara-panahy, fa afaka mahita ny tavan’i Jehovah. Anisan’izany ireo “anti-panahy efatra amby roapolo” na ireo 144 000 tao amin’ny fahitan’i Jaona. (Apokalypsy 4:4; 14:1-3) Inona no nataon’izy ireo rehefa nahita ny voninahitr’Andriamanitra? Araka ny Apokalypsy 4:11, dia nilaza izy ireo hoe: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”

Nahoana no “tsy afa-tsiny”?

3, 4. a) Nahoana no tsy mifanipaka amin’ny siansa ny finoana an’Andriamanitra? b) Inona indraindray no mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra?

3 Voatosika hanome voninahitra an’Andriamanitra ve ianao? Tsy voatosika hanao izany ny ankamaroan’ny olona, ary misy aza tsy mino an’Andriamanitra akory. Izao, ohatra, no nosoratan’ny astronoma iray: ‘Andriamanitra ve no namolavola an’izao rehetra izao ho antsika? Tena hahafinaritra raha izany no izy, saingy indrisy tsy mino an’izany aho. Tsy Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao.’

4 Voafetra ny fikarohan’ny mpahay siansa, satria tsy maintsy miainga avy amin’ny zavatra hitany na dinihiny izy ireo. Raha tsy izany, dia teoria na tombantombana fotsiny ilay izy. Tsy afaka mandinika mivantana an’Andriamanitra anefa ny mpahay siansa, satria “Fanahy” izy. (Jaona 4:24) Mieboebo fotsiny àry izay milaza fa mifanipaka amin’ny siansa ny finoana an’Andriamanitra. Nilaza i Vincent Wigglesworth, manam-pahaizana ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge, fa misy ‘karazana finoana tafiditra ihany’ amin’ny fomba fiasan’ny mpahay siansa. Nahoana? “Satria tsy maintsy mino izy ireo fa mifanaraka amin’ny ‘lalàn’ny natiora’ ny zava-drehetra mitranga.” Koa tsy midika ve izany fa lasa mino zavatra hafa fotsiny ny olona tsy mino an’Andriamanitra? Indraindray, dia tsy mino an’Andriamanitra ny olona, satria mandà an-kitsirano ny marina, na tsy mitady azy io. Hoy ny mpanao salamo: “Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, ‘Tsy misy Andriamanitra’ no tontalin-keviny.”​—Salamo 10:4.

5. Nahoana no tsy afa-tsiny izay tsy mino an’Andriamanitra?

5 Tsy minomino foana izay mino an’Andriamanitra, satria be dia be ny porofo fa tena misy izy. (Hebreo 11:1) Hoy ilay astronoma atao hoe Allan Sandage: “Sarotra amiko ny hino fa tongatonga ho azy ny firindrana [eo amin’izao rehetra izao]. Tsy maintsy nisy nandamina izy io. Mistery amiko Andriamanitra, nefa mino aho fa izy no nanao ny fahagagana, izay nampisy ny zava-drehetra.” Nilaza tamin’ny Kristianina tany Roma ny apostoly Paoly fa ‘ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny [ireo tsy mino azy].’ (Romanina 1:20) Hatramin’ny “namoronana izao tontolo izao”, dia voaporofo fa misy Mpamorona iray manana hery lehibe sy mendrika ny hivavahana. Voaporofo izany, indrindra fa hatramin’ny namoronana ny olombelona manan-tsaina, izay afaka miaiky fa misy Andriamanitra. Tsy afa-tsiny àry ireo tsy manaiky fa be voninahitra izy. Inona anefa no porofo omen’ny zavaboary momba izany?

Mitory ny voninahitr’Andriamanitra izao rehetra izao

6, 7. a) Ahoana no itorian’ny lanitra ny voninahitr’Andriamanitra? b) Nahoana no mamoaka ‘ny famolainany’ ny lanitra?

6 Mamaly toy izao ny Salamo 19:1: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” Voamarik’i Davida fa manome porofo tsy azo lavina ny amin’ny fisian’ny Andriamanitra be voninahitra, ny kintana sy ny planeta mamirapiratra eran’ny “habakabaka.” Hoy ihany izy: “Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” (Salamo 19:2) Na andro na alina, dia mampiseho ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra ny lanitra. Toy ny hoe “miteny” na midera an’Andriamanitra izy.

7 Mila mandinika tsara anefa isika raha te handre izany, satria ‘tsy misy teny na fiteny na feo re.’ Manakoako anefa izany fideran’ny lanitra izany. “Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao.” (Salamo 19:3, 4) Toy ny mamoaka ‘famolaina’, na tady fandrefesana, ny lanitra, mba ho azo antoka fa ho re eran’ny vazan-tany rehetra ny fiderany an’Andriamanitra, na dia tsy miteny aza izy.

8, 9. Inona avy no zavatra mahavariana momba ny masoandro?

8 Nilaza zavaboary hafa mahatalanjona koa i Davida. Hoy izy: “Trano-lay ho an’ny masoandro no nataony teo [amin’ny lanitra]; ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy. Any amin’ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ny hafanany.”​—Salamo 19:4-6.

9 Salasalany ihany ny haben’ny masoandro, raha oharina amin’ny kintana hafa. Kintana mahavariana anefa izy io, satria toy ny hoe bitika kely ny planeta mihodidina aminy. Misy boky milaza fa milanja “roa arivo tapitrisa tapitrisa tapitrisa tapitrisa taonina” ny masoandro. Midika izany fa raha atambatra ny lanjany sy ny an’ireo planeta mihodidina azy, dia ny 99,9 isan-jaton’izay no lanjan’ny masoandro! Noho ny hery misinton’ny masoandro, dia mihodidina aminy ny tany, nefa tsy mihamanatona na mihamanalavitra azy. Mijanona ho 150 tapitrisa kilaometatra foana ny elanelan’izy ireo. Sombiny kely amin’ny herin’ny masoandro fotsiny no tonga etỳ an-tany, nefa izay dia efa ampy ivelomana.

10. a) Nahoana no lazaina fa miditra sy mivoaka avy ao anaty ‘tranolay’ ny masoandro? b) Nahoana no lazaina fa mihazakazaka toy ny “lehilahy matanjaka” izy?

10 Ampitahain’ny mpanao salamo amin’ny “lehilahy matanjaka” ny masoandro. Mihazakazaka izy mandritra ny andro, miainga avy any amin’ny fiposahany ka hatrany amin’ny filentehany. Mandeha matory ao amin’ny ‘tranolay’ kosa izy ny alina. Rehefa milentika mantsy io kintana lehibe io, dia toy ny hoe miditra anaty ‘tranolay’ mba hiala sasatra. Rehefa miposaka indray izy amin’ny maraina, dia “tahaka ny mpampaka-bady” miramirana, “mivoaka avy ao an-trano fandriany.” Fantatr’i Davida mpiandry ondry fa mamanala ny alina. (Genesisy 31:40) Tsaroany fa nanafana azy sy ny toerana nanodidina azy ny tara-masoandro. Tsy mba reraka nanao “dia” avy any atsinanana nankany andrefana tokoa ny masoandro, fa toy ny “lehilahy matanjaka” vonona hamerina izany indray.

Kintana sy vahindanitra mahatalanjona

11, 12. a) Nahoana no oharin’ny Baiboly amin’ny fasika ny kintana? b) Hazavao fa midadasika be mihitsy izao rehetra izao.

11 Tsy nahatazana afa-tsy kintana an’arivony monja i Davida. Araka ny fikarohana natao vao haingana anefa, dia miisa fito alina tapitrisa tapitrisa tapitrisa ny kintana eo amin’izao rehetra izao, rehefa jerena amin’ny teleskaopy! Nasehon’i Jehovah fa maro be tokoa ny kintana, rehefa nampitahainy tamin’ny “fasika izay any amoron-dranomasina” ny isany.​—Genesisy 22:17.

12 Efa ela ny astronoma no nahita “faritra kely maromaro mamiratra, nefa tsy mazava tsara” teny amin’ny lanitra. Nihevitra izy ireo fa anisan’ny vahindanitra Voie lactée ihany izy ireny. Hita anefa tamin’ny 1924, fa vahindanitra hafa mihitsy ny iray tamin’izy ireo. I Andromède no anaran’io vahindanitra akaiky indrindra antsika io, ary any amin’ny 19 tapitrisa tapitrisa tapitrisa kilaometatra any ho any no misy azy! Milaza ny mpahay siansa ankehitriny fa misy an’arivony tapitrisa ny vahindanitra, ary misy kintana tsy hita pesipesenina ao amin’ny tsirairay aminy. “Milaza ny isan’ny kintana” anefa i Jehovah, ary “samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny.”​—Salamo 147:4.

13. a) Inona no mampiavaka ny kintana sasany? b) Ahoana no ahitana fa tsy hain’ny mpahay siansa “ny lalàn’ny lanitra”?

13 Misy kintana maromaro toa mifanakaiky, ka miendrika sarin-javatra rehefa jerena. Nanontany an’i Joba momba izany i Jehovah hoe: “Mahavòna ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va hianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?” (Joba 38:31) Na dia mety hifanalavitra be aza ny kintana, dia toa tsy miova ny elanelana misy eo aminy, rehefa jerena. Noho izany, dia ‘manampy ny tantsambo sy ny mpanamory sambon-danitra hamantatra ny lalany’ izy ireny, ary ‘ahafahana mamantatra ny kintana hafa.’ (Ny Rakipahalalana Amerikanina) Tsy misy mahafantatra tsara anefa hoe inona ireo ‘kofehy’ mamatotra an’ireny kintana ireny. Mbola tsy voavalin’ny mpahay siansa tokoa ilay fanontaniana napetraka ao amin’ny Joba 38:33 hoe: “Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra?”

14. Ahoana no ahitana fa tsy mazava ny fomba izarazaran’ny hazavana?

14 Tsy voavalin’ny mpahay siansa koa ity fanontaniana napetraka tamin’i Joba ity: “Aiza moa no làlana izarazarana ny mazava?” (Joba 38:24) Misy mpanoratra iray nilaza fa mbola “mahaliana ny mpahay siansa foana” io fanontaniana io. Nisy filozofa grika fahiny nino fa avy tamin’ny mason’ny olona ny hazavana. Ny mpahay siansa kosa nihevitra tatỳ aoriana, fa sombin-javatra kely be dia be ny hazavana. Ny hafa indray nilaza fa onja izy io. Ankehitriny, dia mihevitra izy ireo fa sady sombin-javatra kely be dia be izy io, no onja. Mbola tsy mazava tsara anefa hoe inona marina ny hazavana, ary ahoana no ‘izarazarany.’

15. Sahala amin’i Davida, inona no tokony ho tsapantsika rehefa mandinika ny lanitra isika?

15 Voatosika hiombom-pihetseham-po amin’i Davida ny olona mandinika izany rehetra izany. Hoy izy: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?”​—Salamo 8:3, 4.

Manome voninahitra an’i Jehovah ny tany sy izay eo aminy

16, 17. Ahoana no ideran’ny zavaboary anaty “rano lalina” an’i Jehovah?

16 Mitanisa fomba hafa ideran’ny zavaboary an’Andriamanitra ny Salamo faha-148. Hoy ny andininy faha-7: “Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany, hianareo dragona sy hianareo rano lalina rehetra.” Feno zava-mahavariana manasongadina ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra tokoa ny “rano lalina.” Anisan’izany ny trozona manga. Milanja 120 taonina eo ho eo izy io, izany hoe toy ny elefanta 30! Ny fony fotsiny no efa milanja maherin’ny 450 kilao, ary mety hahatratra 6 400 kilao ny ra mikoriana ao anatin’ny vatany! Sahirana na miadam-pandeha ve anefa ireo biby goavam-be ireo rehefa anaty rano? Tsia. Mandeha haingana be izy ireo, rehefa “mivezivezy anaty ranomasina”, hoy ny fikambanana eoropeanina iray momba ny jono. Nisy trozona manga iray, ohatra, narahi-maso tamin’ny alalan’ny satelita, ary hita fa “nahavita 16 000 kilaometatra mahery izy tao anatin’ny 10 volana.”

17 Ny feso lava vava indray mazàna dia misitrika hatrany amin’ny 45 metatra ambanin’ny rano. Misy aza tonga hatrany amin’ny 547 metatra, ary izay no lalina indrindra! Ahoana no ahafahany miaina amin’izany? Satria mihena ny fitepon’ny fony, ary mankany amin’ny fony sy ny havokavony ary ny atidohany ny rany. Misy zavatra simika mitahiry oksizenina koa ao anatin’ny hozany. Mbola lasa lalina kokoa noho ny feso aza ny karazana lambondriaka sy trozona sasany. Hoy ny gazety iray: “Tsy mitahiry rivotra ao anatin’ny havokavony mihitsy izy ireo” rehefa misitrika lalina be. Ao anatin’ny hozany kosa no tahiriziny ny ankabeazan’ny oksizenina ilainy. Manaporofo ny fahendren’ilay Andriamanitra manana hery tsy toha tokoa ireo zavaboary ireo!

18. Hazavao fa ahitana taratry ny fahendren’i Jehovah ny ranomasina.

18 Ahitana taratry ny fahendren’i Jehovah koa ny ranomasina. Hoy ny gazety Amerikanina Siantifika: ‘Misy zavamaniry tsy hita maso be dia be anaty ranomasina, hatrany amin’ny 100 metatra any ambany any. Ny indray mitete monja dia misy an’arivony amin’io zava-maniry io.’ Manadio ny rivotra iainantsika io “ala tsy hita maso” io, noho izy mifoka gaza karbonika an’arivony tapitrisa taonina. Ary avy amin’izy io ny antsasany mahery amin’ny oksizenina eto an-tany.

19. Nahoana no lazaina fa manatanteraka ny sitrapon’i Jehovah ny afo sy ny lanezy?

19 Milaza ny Salamo 148:8 fa ‘mankatò ny teniny ny afo sy ny havandra, ny orampanala sy ny zavona, ary ny rivotra mahery.’ Tena mampiasa an’ireo herin’ny natiora ireo tokoa i Jehovah, mba hanatanterahana ny sitrapony. Diniho, ohatra, ny afo. Noheverina foana fa tsy manao afa-tsy manimba ny tontolo iainana ny doro ala. Mihevitra anefa ny mpikaroka ankehitriny fa mahasoa koa ny afo, satria manala ireo hazo efa antitra na maty, mampitsimoka zavamaniry maro, ary ahazoana zezika. Raha sendra misy doro tanety koa any aoriana any, dia tsy mitatra be loatra izy io. Tena ilaina koa ny orampanala na ny lanezy, satria mandena sy mahalonaka ny tany ary mameno ny renirano. Miaro ny zavamaniry sy ny biby amin’ny hatsiaka mamirifiry koa izy io.

20. Hazavao fa mahasoa ny olombelona ny tendrombohitra sy ny hazo.

20 Hoy ny Salamo 148:9: “Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra.” Manaporofo ny halehiben’ny herin’i Jehovah ireo tendrombohitra manerinerina. (Salamo 65:6) Tena mahasoa koa anefa izy ireny. Hoy ny Foibem-pikarohana Momba ny Jeografia any Berne, any Soisa: “Avy any an-tendrombohitra no iavian’ny ankamaroan’ireo renirano lehibe. Mila ny rano madio miangona any an-tendrombohitra ny antsasany mahery amin’ny mponina eran-tany . . . Tena iankinan’ny aina ireny ‘siniben-drano’ ireny.” Na dia ny hazo tsotra aza dia manome voninahitra ny Mpanao azy. Milaza ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana fa “tena ilain’ny olona any amin’ny firenena rehetra” ny hazo. ‘Mampidi-bola ho an’ny firenena ny karazan-kazo maro, satria ahazoana voankazo sy dity ary anaovana trano na fanaka. Maneran-tany, dia olona roa arivo tapitrisa no mampiasa kitay mba handrahoana sakafo sy hanaovana zavatra hafa.’

21. Hazavao fa manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny ravina tsotra iray.

21 Ahitana ny fahendren’ny Mpamorona koa ny firafitry ny hazo. Diniho, ohatra, ny ravina tsotra iray. Malamalama ny sosony ambony ka miaro azy tsy ho maina. Ao ambanin’izy io, dia misy sela maro mitahiry famaitso, izay maka ny herin’ny hazavana, ka afaka ‘mamokatra ny sakafony’ ilay ravina. Ahoana no ataony? Trohin’ny fakan-kazo aloha ny rano, ka mikoriana anaty ‘fantsona maro be’ mankany amin’ny ravina. Misy karazana ‘varavarana’ kely an’arivony misokatra sy mikatona ao andamosin’ilay ravina, izay mampiditra gaza karbonika. Avy eo, dia manambatra ny rano amin’io gaza io ny herin’ny hazavana, mba hamokarana gliosida. Afaka mivelona amin’io sakafo vokariny io amin’izay ilay zavamaniry. Azo oharina amin’ny “orinasa” tokoa izy io, saingy tsy mitabataba na mandoto toy ny orinasa sasany. Tsara tarehy sy mamoaka oksizenina kosa izy io!

22, 23. a) Inona no zava-mahavariana vitan’ny vorona sy ny biby an-tanety sasany? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

22 Miresaka momba “ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina”, ny Salamo 148:10. Mahavariana ny zava-bitan’ny biby an-tanety sy ny vorona maro. Afaka manidina lavitra be, ohatra, ny lohovavan’i Laysan. Nisy anankiray nahavita 40 000 kilaometatra, tao anatin’ny 90 andro monja. Misy karazana fitatra koa manidina mandritra ny 80 ora tsy an-kiato, avy any Amerika Avaratra mankany Atsimo. Raha ny rameva indray, dia mitahiry rano ao amin’ny taovam-pandevonan-kaniny izy, fa tsy ao amin’ny trafony araka ny ieritreretana azy. Ampy rano foana àry izy, na dia manao dia lavitra aza. Koa tsy mahagaga raha mandinika tsara ny biby ny injeniera, rehefa mamorona masinina na fitaovana vaovao. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Gail Cleere: ‘Azo inoana fa hahita modely tsara eo amin’ny natiora ianao, raha te hanao zavatra mandeha tsara sy tsy manimba ny tontolo iainana.’

23 Tena mitory ny voninahitr’Andriamanitra tokoa ny zavaboary! Samy midera ny Mpamorona azy avokoa na ny lanitra feno kintana na ny zavamaniry na ny biby. Ahoana kosa ny amintsika olombelona? Ahoana no iderantsika an’Andriamanitra?

Tadidinao Ve?

• Nahoana no tsy afa-tsiny ireo tsy mino an’Andriamanitra?

• Ahoana no ideran’ny kintana sy ny planeta an’Andriamanitra?

• Ahoana no anaporofoan’ny biby an-dranomasina sy an-tanety fa misy ny Mpamorona be fitiavana?

• Amin’ny fomba ahoana no anatanterahan’ny herin’ny natiora ny sitrapon’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Tombanan’ny mpahay siansa ho fito alina tapitrisa tapitrisa tapitrisa ny isan’ny kintana!

[Sary nahazoan-dalana]

Frank Zullo

[Sary, pejy 12]

Feso lava vava

[Sary, pejy 13]

Bohabohan’orampanala

[Sary nahazoan-dalana]

snowcrystals.net

[Sary, pejy 13]

Zanaka lohovavan’i Laysan