Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana Azo Tsapain-tanana ho An’ny Mahantra

Fanampiana Azo Tsapain-tanana ho An’ny Mahantra

Fanampiana Azo Tsapain-tanana ho An’ny Mahantra

TENA niahy sy nanampy ny mahantra i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, tamin’izy tetỳ an-tany. Nilaza toy izao ny vavolombelona nahita maso ny fanompoany: “Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, diovina ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.” (Matio 11:5) Ahoana anefa ny amin’ireo mahantra an-tapitrisa ankehitriny? Misy vaovao tsara ho azy ireo ve? Eny tokoa, misy hafatra mitondra fanantenana ho azy ireo!

Tsy raharahain’ny olona sy hadinony foana matetika ny mahantra. Mampanantena anefa ny Baiboly hoe: “Tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mahantra.” (Salamo 9:18) Ho tanteraka ireo teny mampionona ireo rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Fitondram-panjakana tena misy any an-danitra izy io, ary hisolo ny fanjakan’olombelona eran-tany. (Daniela 2:44) Izao no lazaina momba an’i Jesosy, ilay Mpanjakan’io fitondram-panjakana io: “Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.”​—Salamo 72:13, 14.

Hanao ahoana ny fiainana rehefa i Kristy no hitondra ny tany manontolo? Hifaly amin’izay nisasarany ny olona eo ambanin’io fitondrana io. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Mika 4:3, 4: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra na dia ny aretina sy ny fahafatesana koa aza. (Isaia 25:8) Ho tontolo hafa tokoa izany! Afaka matoky ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly ireo isika satria avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireny.

Mirakitra hafatra feno fampanantenana ny Baiboly, sady manampy antsika koa hiatrika ireo olana fahita andavanandro. Ampiany, ohatra, isika hiady amin’ny fahatsiarovan-tena ho tsy manan-kaja, mety ho vokatry ny fahantrana. Mety hahantra ny Kristianina iray. Noho izy mianatra Baiboly anefa, dia fantany fa sarobidy tahaka ny Kristianina mpanan-karena koa izy eo imason’Andriamanitra. Milaza ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly, fa Andriamanitra “tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ny tànany avokoa izy rehetra.” (Joba 34:19) Mitovy ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo.​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.