Fianarana avy Amin’ny Vorona
Fianarana avy Amin’ny Vorona
“TSINJOVY ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?” (Matio 6:26) Nilaza ireo teny ireo i Jesosy Kristy, tamin’ny toriteny nalaza nataony teo amin’ny tehezan-tendrombohitra iray, tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Tsy ny mpianany ihany no nihaino azy tamin’izay. Nisy vahoaka betsaka, nety ho lasa mpianatra, tonga avy tany amin’ny faritra samy hafa. Nahantra ny maro tamin’izy ireo. Nentiny tany amin’i Jesosy ny marary mba hositranina.—Matio 4:23–5:2; Lioka 6:17-20.
Rehefa avy nanasitrana ny marary rehetra i Jesosy, dia nisarika ny sain’ny mpihaino azy ho amin’ny zavatra ara-panahy, izay lehibe kokoa. Io voalaza eo ambony io ny iray amin’ireo fianarana nomeny.
Efa ela no nisy ny voro-manidina. Mihinana bibikely ny sasany, fa ny hafa kosa mihinana voankazo sy voan-javatra. Nataon’Andriamanitra izay hananan’ny vorona sakafo be dia be toy izany. Azo antoka àry fa vitany koa ny manampy ny mpanompony, mba hahazo ny hanina sahaza ho azy isan’andro. Mety hampiany hahita asa, ohatra, izy ireo, ka hahazo vola hividianana sakafo. Na mety hataony koa izay hampaniry tsara ny volin’izy ireo. Amin’ny fotoan-tsarotra, dia mety hataon’Andriamanitra izay hizaran’ny mpiara-monina na namana tsara fanahy, ny sakafon’izy ireo amin’ny tsy manan-kohanina.
Mbola misy zavatra betsaka azontsika ianarana raha mandinika ny fiainan’ny vorona isika. Nataon’Andriamanitra hanana fahaizana mahavariana hanamboatra akany izy ireo, mba hitaizany ny zanany. Andeha isika hijery karazana akany roa. Akanin’ny sidintsidina afrikanina fahita eny amin’ny vato io ankavia io. Eny amin’ny sisin’ny vato na eo amin’ny rindrin’ny trano no anaovany ny akaniny. Ny ampahany mihoatra kely amin’ny vato, na ny sisin’ny tafontrano no ataony tafo, araka ny hita eo amin’ny sary. Toy ny kaopy ny fanambanin’ilay akany, ary vita amin’ny fotaka kely maromaro natambatambatra izy io. Samy miasa mafy manangona fotaka, na ny lahy na ny vavy, ary mety ho iray volana mahery vao vitany ilay akany. Avy eo, dia asiany bozaka sy volom-borona ao anatin’ilay akany. Miara-manome sakafo ny zanany izy mivady. Akanin’ny fodilahy mainty loha kosa ny etsy ambany. Bozaka na tahon-javamaniry hafa no anamboaran’io vorona afrikanina tia miasa io ny akaniny. Mahavita akany iray ao anatin’ny iray andro izy, ary mahavita akany 30 mahery amin’ny fizaran-taona iray!
Inona no fianarana avy amin’izany? Manome fahaizana sy fitaovana be dia be toy izany ho an’ny vorona Andriamanitra, mba hanaovan’izy ireo ny akaniny. Azo antoka àry fa afaka manampy ny mpanompony hanana trano hipetrahana izy. Nasehon’i Jesosy anefa fa misy zavatra hafa tokony hatao, raha tiantsika hanampy antsika hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana i Jehovah Andriamanitra. Izao no nampanantenainy: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Inona no dikan’ny hoe mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra?’ Ho faly hamaly io fanontaniana io ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mizara ity gazety ity.