Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompo ny Rahalahy Maneran-tany Izy Ireo

Manompo ny Rahalahy Maneran-tany Izy Ireo

Manompo ny Rahalahy Maneran-tany Izy Ireo

FANTATRAO ve ny atao hoe “mpanompo iraisam-pirenena” sy “mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena”? Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary mampiasa an-tsitrapo ny fotoanany sy ny fahaizany mba hanorenana trano anaovana pirinty sy izarana boky aman-gazety ara-baiboly. Mandray anjara koa izy ireo amin’ny fanorenana Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana, izay toerana ianarana Baiboly. Tany 34 izao no anaovan’ireo mpiasa an-tsitrapo ireo fanorenana, ary tany mahantra izany amin’ny ankapobeny. Inona avy no zava-tsarotra sy fifaliana hitan’ireny mpiasa an-tsitrapo ireny, eo amin’ny fanompoana ataony maneran-tany? Tian’izy ireo ve ny “fanompoana masina ataony”? (Apokalypsy 7:9, 15) Mba hahitantsika izany, dia hojerentsika ny fiainan’ireo mpiasa an-tsitrapo nanompo tany Meksika.

Tamin’ny Mey 1992 no nisy mpiasa an-tsitrapo avy any ivelany tonga voalohany tany Meksika. Tsy ela taorian’izay dia nirotsaka an-tsehatra izy ireo ka nanitatra ny sampana, izay manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika. Trano 14 no nokasain’izy ireo haorina, ka anisan’izany ny trano hipetrahan’ireo mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny sampana, sy ny trano fanontam-pirinty, ary ny trano misy ireo birao.

Mpiasa an-tsitrapo 730 mahery no tonga avy tany Grande-Bretagne, Etazonia, Kanada, ary avy tany an-tany hafa, mba hamita an’io tetik’asa fanorenana io. Niara-niasa tamim-piraisan-tsaina tamin’izy ireo ny mpiasa an-tsitrapo an-jato avy tany amin’ny faritra maro any Meksika. Nanampy tamin’ny fanorenana koa ireo Vavolombelona 28 000 mahery avy tamin’ny fiangonana 1 600, teo amin’ny faritra manodidina an’ilay biraon’ny sampana, rehefa faran’ny herinandro. Nazoto niasa avokoa ny rehetra, ka nampiasa maimaim-poana ny fahaizany. Noheverin’izy ireo ho tombontsoa ny nanompo an’i Jehovah tamin’izany fomba izany. Notadidin’izy ireo foana nandritra ilay fanorenana ny teny ara-tsindrimandry ao amin’ny Salamo 127:1, manao hoe: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.”

Ny zava-tsarotra atrehin’izy ireo

Inona avy no zava-tsarotra atrehin’ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena rehefa manompo any an-tany hafa? Mitantara momba izany ny sasany amin’izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fanorenana tany Alemaina, Inde, Meksika, Paragoay, Romania, Rosia, Sénégal, ary Zambia i Curtis sy Sally, mpivady avy any Etazonia. Hoy i Curtis: “Ny zava-tsarotra voalohany taminay dia ny nandao ny zanakay vavy, izay mpisava lalana [mpanompo manontolo andro], sy ny fiangonana nisy anay tany Minnesota. Niaraka tamin’io fiangonana io nandritra ny 24 taona izahay mivady, ary tena tianay izy io.”

Hoy i Sally: “Sarotra ny miaina amin’ny toe-javatra tsy nahazatra. Sarotra kokoa aza angamba izany ho an’ny vehivavy, saingy niezaka aho. Efa tsy nampaninona ahy intsony koa tatỳ aoriana ny ankamaroan’ireo bibikely!” Hoy koa izy: “Tany amin’ny tany anankiray, dia mpiasa an-tsitrapo folo izahay no nitambatra tao amin’ny trano iray tsy nisy lakozia, ary roa monja ny efitrano fidiovana. Nianatra ny hanam-paharetana kokoa aho tany.”

Sarotra koa ny nianatra teny vahiny, ka nitaky ezaka sy fanetren-tena. Hoy i Sharon, izay niaraka tamin’ny vadiny tamin’ny tetik’asa fanorenana tany amin’ny tany samy hafa: “Zava-tsarotra ny tsy mahay ny fitenin’ilay tany anompoanao. Tsy tonga dia mifandray amin’ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy ianao amin’ny voalohany, satria tsy afaka milaza ny fihetseham-ponao. Mahakivy ilay izy. Tena manam-paharetana anefa ireo namana hitanay any amin’ny tany anendrena anay, sady mitady izay hahasoa anay foana. Vetivety àry dia afaka mifandray izahay.”

Mila herim-po ny mandray anjara amin’ny fanompoana

Mandray anjara lehibe amin’ny fandrosoan’ny asa fanorenana ireny mpiasa an-tsitrapo mahafoy tena ireny. Tsapan’izy ireo anefa, fa ny asany voalohany indrindra dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manohana tsara ny fitoriana ataon’ny fiangonana misy azy izy ireo noho izany. Niaiky i Åke sy Ing-Mari, mpivady nanao fanorenana tany Goadelopy, Malawi, Meksika, ary Nizeria, fa mila herim-po ny mitory any an-tany hafa, rehefa fiteny tsy hay no ampiasaina.

Hoy i Ing-Mari: “Kely ihany ny vitanay tamin’ny voalohany, satria tsy maintsy niaraka tamin’ny Vavolombelona tompon-tany foana izahay. Sadaikatra koa izahay, ka izy ireo matetika no miteny. Tapa-kevitra ny handeha hitory irery anefa izahay indray maraina. Lasa ihany izahay na dia nangovitra aza, sady nidobodoboka be ny fonay. Nihaino ny fitoriana nomaniko ny vehivavy iray. Namaky andinin-teny iray aho, ary nametraka zavatra hovakiny. Hoy ilay vehivavy avy eo: ‘Hono, ho’aho, aza fady, misy havanay mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mba afaka mianatra koa ve aho?’ Tsy nahateny aho. Niezaka ho tony aho avy eo, ka nanasa azy hianatra Baiboly niaraka tamiko.”

Hoy koa i Ing-Mari: “Eritrereto ny fifaliako sy ny fankasitrahako an’i Jehovah, noho izy nitahy ny ezaka nataonay sy ny fanirianay hizara ny fahamarinana.” Nandroso tsara ilay vehivavy, ary natao batisa tamin’ny fivoriambe iray tany Mexico. Izao no amintinan’i Åke sy Ing-Mari ny fanompoana ataon’izy ireo: “Tena sarobidy aminay ny fanendrena anay hiasa amin’ny fanorenana isan-karazany, kanefa tsy misy mahafaly sy mahafa-po noho ny manampy olona hanaiky ny fahamarinana.”

Toe-tsaina feno fahafoizan-tena

Manao sorona lehibe tokoa ireo mpiasa an-tsitrapo mandao ny havany aman-tsakaizany, mba hanompo ny rahalahiny any an-tany hafa. Maro be koa anefa ny fifaliana hitan’izy ireo. Inona avy izany?

Hoy i Howard, izay niara-niasa tamin’i Pamela vadiny tany Angola, Ekoatera, Guyana, Kolombia, Meksika, Porto Rico, ary Salvadaoro: “Tombontsoa ny mihaona amin’ny rahalahy sy anabavy any amin’ny tany maro. Ny tenanay mihitsy no mahatsapa ilay fitiavana mampiray ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Matetika no resahina ao amin’ny boky sy gazetintsika io fifankatiavana misy eo amintsika io. Sarobidy kokoa aminao anefa izy io, rehefa ianao mihitsy no miara-miaina sy miara-manompo amin’ireo rahalahy avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana samy hafa.”

Tsapan’i Gary, izay nanao fanorenana tany Costa Rica, Ekoatera, Kolombia, Meksika, ary Zambia, koa fa nahazo fitahiana maro be izy noho io fandaharana io. Hoy izy: “Nanjary haiko kokoa ny niatrika ireo zava-tsarotra tamin’ny asa nanendrena ahy, noho ny fampiofanana nomen’ireo rahalahy matotra tao amin’ny sampana tany amin’ireo tany nanendrena ahy. Nanatanjaka ny finoako ilay izy, satria nahafahako nahita ilay firaisan-tsaina mampiavaka ny fandaminan’i Jehovah maneran-tany. Tsy mahasakana an’io firaisan-tsaina io ny fahasamihafana eo amin’ny fiteny sy ny volon-koditra ary ny kolontsaina.”

Nandritra izay fotoana izay, dia vita ny asa fanorenana tany Meksika, ary notokanana tamin’ity taona ity ireo trano vaovaon’ny sampana. Nandray anjara lehibe tamin’ny fandrosoan’ny fivavahana marina tany Meksika sy tany an-tany hafa ireo mpanompo iraisam-pirenena sy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, noho ny fitiavany an’Andriamanitra. Tena ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ny fahavononan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany hanompo ireo rahalahiny kristianina maneran-tany.

[Sary, pejy 25]

Ekoatera

[Sary, pejy 25]

Kolombia

[Sary, pejy 25]

Angola

[Sary, pejy 26]

Ireo trano vaovaon’ny sampana no natao voalohany tany Meksika

[Sary, pejy 26]

Ny zaridaina ao amin’ny sampana

[Sary, pejy 26]

Ambany: Ny sasany amin’ireo anisan’ny Sampan-draharahan’ny Fanorenana, eo alohan’ireo trano vaovaon’ny sampana

[Sary, pejy 27]

Tian’ireo mpiasa an-tsitrapo ny manohana ny fitoriana ataon’ny fiangonana eo an-toerana